Miriorio foana ny angidina/bessa sy lola

1. leon ( 08/06/2007 10:58)
Miararahaba tompoko;saika mba angataka tononkiran'i bessa sy lola raha ny fahalalako azy azafady tsy dia aiko loatra fa misy hoe fotsiny :miriorio foana ny angidina ...mino aho fa ainareo amizay ny tohiny e misaotra betsaka o!
2. mandrindra ( 08/06/2007 11:40)
tsy i rija ramanantoanina sy i landy ve no nihira an'io?
nisavoamboana dia nidina
ka nianjera any ankady no hiafarany

izay ihany no tsaroako
3. Fiffi ( 08/06/2007 12:09)
tena tsy aiko indray zany hira zany an !
4. ari.malala ( 08/06/2007 13:56)
Rija Ramanantoanina sy Lalatiana no mihira azy.

Tsara iafarana( ny titre)


Miriorio foana ny angidina
tsy mankaiza tsy akory f'izay no fombany
misavoamboana dia midina
ka mianjera any ankady rehetra any
vola no maha be rehareha
ka mazàna jamba ny maso voatakony
nefany mibirioka fandeha
zohin-tsiny lava ka tsy mba madio

kendreo zay ataonao
saino lanjalanjao
mandalo aiany anie zao eto izao
fidio ny mba ho soa
nefa tandremo koa sao diso aoriana ka voa

harena sy voninahitra
rendrarendra tsy hita ifanafarana
fa mbola hafa maharitra
ny fitiavana tsara iafarana

mihirà finaritra
5. dongadonga ( 08/06/2007 23:08)
nddrryyyyyyyy mbola voatahiry ihany io vazo io an ,mampanembona ny fahiny=((=((
6. Fiffi ( 09/06/2007 06:33)
dongadonga: haindry zany io hira io ? fa efa hira ela be ?
7. dongadonga ( 10/06/2007 11:17)
ie haiko tsara io hira io an t@ taona 1987 teo no nalaza
8. mandrindra ( 10/06/2007 15:12)
ari.malala, sao dia efa taty aoriana vao i lalatiana no niaranihira tamin'i rija?
9. ari.malala ( 11/06/2007 11:47)
mandindra, efa i Lalatiana hatr'izay no niara nihira an'io hira io t@ Rija Ramanantoanina k!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078