vavaka ho anao
1. paris10
(
08/06/2007 08:34)
Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany
rehetra ?
Iza no mampikoriana ny renirano ?
Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny
fiainana, satria ny tsara indrindra no mendrika ho anao
sady voaomana ho anao
Mifikira amin'izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany.
Amena !
Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy
Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy
ho sasatra foana
Ny vava izay hanonona ny amena aorian'ity vavaka ity,
hitsiky mandrakariva.
Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !
Tsy hanjavona ny nofinao
Tsy ho rava ny fikasanao
Tsy ho foana ny anjaranao
Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i
Jesosy.
Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana
alohan'ny faran'ity volana ity.
Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.
Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano
maloto mody !
Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy
hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.
Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao,
hampaharitra ary hanome izay rehetra ilainao, araka ny
hareny ao amin'ny voninahitra.
Amena.
Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny
anaran'i Jesosy.
Ny sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na
oviana na oviana any amin'izay tsy hahitanao fahasoavana
sy fiarovana.
Hisy zava-tsoa ho tonga aminao androany, zavatra izay efa
nantenainao.
Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary
hampandroso ny fiainanao amin-kery ny asan'
Andriamanitra tsy azo sakanana.
Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny
anaran'i Jesosy.
Gaga ve ianao hoe nandefasanay ity hafatra ity ?
Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny
lanitra izahay, ary nanontany anay Andriamanitra :
"anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"
Dia hoy izahay hoe :
"Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"
Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe :
"tanteraka ny hatakareo"
Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.
"JESOSY irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana."
Mitondra anareo rehetra amim-bavaka hatrany,
novalian'i malyevah ny 20/07/2007 07:57
4. 147
(
08/06/2007 11:08)
misaotra betsaka paris10,dia ahazo fahasoavana koa anie ianao sy ny fianakavianao!:-*:-*:-*:-*
5. diamondra27
(
08/06/2007 11:28)
tsara de tsara le vavaka saingy za de mametraka kestion foana: iza le we zahay nandondona tany @ varavaran'ny lanitra?
6. paris10
(
08/06/2007 12:13)
refa mivavaka ry diamondra dia izahay foana no tononiko a!zaho sy ny fianakaviako zany e!njy koa!!!
10. malyevah
(
20/07/2007 07:57)
Misaotra betsaka anao t@io vavaka io , na ny tenako aza dia efa nandalo sedra mafy izay saika tsy zaka fa kosa ny fanakinako ny fiainako amin'ATRA isan'andro dia nampivaha izany olana izany izay isaorako ilay avo indrindra ary mbola tsy mitsahatra ny manankina ny fiainako sy ny fikasako aminy isan'andro za.
Ny valimbavaka dia misy tokoa fa ho antsika izay kivy ny fiainana na inona na inona antony dia ankino @ilay Ray ao ambony fa hamaly antsika izy.
Raha sendra olana ny fiainana ka mila ho kivy dia ity misy vavaka atolotra ho antsika avereno foana io isakin'ny manana fotoana :"Jesoa oh ampy izay ny kapoka sy ny hazo fijaliana nentiko ka mba omeo fiainana feno fifaliana sy milamina izaho araka ny sitraponao Amen."
Mifampivavaka hatrany.
Ny valimbavaka dia misy tokoa fa ho antsika izay kivy ny fiainana na inona na inona antony dia ankino @ilay Ray ao ambony fa hamaly antsika izy.
Raha sendra olana ny fiainana ka mila ho kivy dia ity misy vavaka atolotra ho antsika avereno foana io isakin'ny manana fotoana :"Jesoa oh ampy izay ny kapoka sy ny hazo fijaliana nentiko ka mba omeo fiainana feno fifaliana sy milamina izaho araka ny sitraponao Amen."
Mifampivavaka hatrany.
