hono wao ry reto an

1. boga ( 08/06/2007 07:57)
Inona kay no atao fa itanareo ny tongon'ny zanako kely izay 7ans misy fotoana lazainy fa marary ny ranjony; ka inona no mahatonga izany .Lazao reto zay azo atao fa mampalahelo izy refa mihetsika lay izay.
Efa nentina Dr fa tsy fanafany e!
Zay fa toroy hevitra e!
novalian'i boga ny 13/06/2007 13:13
2. Fiffi ( 08/06/2007 08:39)
sao de vizana avy nilalao kosa ? sady bandikely izy tsinona ...de zay no nahatonga ny Dr tsy nahafantatra hoe inon a le izy ?
3. kally ( 08/06/2007 10:16)
Tsy haiko na aiza no misy anao fa raha tsy hitan'ny radio na scanner, resaho ny dokoteranao raha ilaina ny IRM raha tsy misy n'inon'inona hita, misy faritra maharary tokony ho tsaboina nefa tsy hita mantsy raha tsy amin'io résonance magnétique io.
4. xxx ( 08/06/2007 10:30)
ranjo sa lohalika ? izy roa sa ray ihany ? taolana sa muscle ? efa firy volana no naharary? indraindray ihany no maharary sa isanandro? le maharary ohatran'ny manindrona be za marary mazefatra ?
5. meva2 ( 09/06/2007 09:50)
bjr,
tena marina mihitsy io tenin'ny kelly io.Miova mihitsy dokotera raha hitanao tsy rototra izy ary ataovy haingana ny fitadiavana rehetra. Non seulement ianao ho soulagé, fa koa mba voatsabo haingana raha misy tokony hotsaboina.
Conseil tena sérieux ity. Aza manary fotoana mihitsy.
6. watafon ( 13/06/2007 04:56)
mila fantatra oe : permanent v le faharariana sa mandalo ftsn d ohatry ny ahoana ? savolaina v sa manindrona sa mahamay, d isaky ny inona no maharary.
mety ho vizana nilalao izy na misy kiraro tsy mifanaraka na tsy mety @ tongony no anaovany dia miantraika any @ ranjony !
7. ikaretsaka ( 13/06/2007 05:25)
Za tratran'io, de hoe romatisma e, zao e, savolaina e, oy aho oy e.. dia niova dokotera
dia natao MRI (IMR) fa kay tena nisy nitresaka kely ny taolana... tsy hitan'ny radio ilay izy !
jereo akaiky ihany fa ratsy ilay hoe "sao dia ity, sao dia iry"
8. boga ( 13/06/2007 13:13)
misaotra betsaka t@ toro-hevitra e! zany tokoa no anana na namana.
Raha azoko tsara alo de ny ranjony mihitsy no itarainany,.Ohatry ny mangotsoka angamba ;de osorako menaka mafana de bandiko .
Misy ny milaza fa tsy ampy calcium hono no mahatonga izany .Marina ve zany ?
Raha ny nahazoany azy alo de efa ama-taona e! tsy de mihetsika firy fa refa reraka izy vao mitaraina na mangatsiaka ny andro e.

zay ary fa manan-tena valiny indray e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957