vehivavy!

1. anjaran3 ( 05/06/2007 04:28)
aona indray nareo sipa am'lay gazety nivoaka omaly 04juin2007 tamin'ny midi madagascar .tena efa enjana izany ilay joba gasy an!
efa mahavita ny vitan'ny vahiny tsinona ko "s"be kosa angamba izany koa tsy ahalalana henatra intsony
:twisted:
novalian'i Jeankely ny 07/06/2007 09:45
2. Jeankely ( 05/06/2007 05:35)
Ny vehivavy dia enjana amin'ny toerana rehetra saingy eo amin'ny resaka "culture" no misakana azy tsy haneho izany. Misy lafiny tena mihazakazaka ary tsy araky ny fivoaran'ny toerana misy azy mihintsy ny ataon'ny vehivavy matetika ka indraindray raha lasa aloha loatra dia mifandrirotra ka mahatonga olana indray. Ary loza koa fa ny vehivay ihany no misy tsy maharaka ka manabaty ny namany.
3. pissoa ( 05/06/2007 05:35)
fa inona le nisy fa tsy haiko ? :oops::-D
4. Jeankely ( 05/06/2007 07:17)
Anotanio an'i anjaran3 fa hoe "efa mahavita ny vitan'ny vahiny tsinona ko "s"be kosa angamba izany koa tsy ahalalana henatra intsony" hoy izy.
5. andrea ( 05/06/2007 08:08)
anjaran3:

aona indray nareo sipa am'lay gazety nivoaka omaly 04juin2007 tamin'ny midi madagascar .tena efa enjana izany ilay joba gasy an!
efa mahavita ny vitan'ny vahiny tsinona ko "s"be kosa angamba izany koa tsy ahalalana henatra intsony
:twisted:



za tsy mbo nahita gazety fa inona kay ilay izy ?
6. kallie ( 05/06/2007 08:46)
zay tsy naita fa nanin kay? mbo zarao e
7. Jeankely ( 05/06/2007 09:14)
Na tsy hita aza ve tsy mazava fa resaka lazainy tsy misy henatra izany e. Tokony haverina ilay Gazety an. Mba samy mahita ny fika Gasy.
8. bozyboleta ( 05/06/2007 09:19)
"FEMMES MALGACHES, SUCCES DANS LE PORNO"
Io no lohateny lehibe teo @ pejy voalohan'i Midi-Madagasikara omaly. Nefa le lahatsoratra 1/2 pejy fotsiny miaraka @ sary makourel eny an-dalana. Ary le lahatsoratra aza tsisy ventiny loatra fa filazana ireo vehivavy gasy sasany mametraka sary vetaveta any @ site any sy le vehivavy metisy mpanao film x Dany Malalatiana Terence Petit.
Tsitako mitsy ze tena nanaovana à la une an'iny, fa efa tsisy etika ntsony le mpanao gazety

9. kelly13 ( 05/06/2007 11:31)
hahahahaha, fomba hisitonana oul sy hahalafosana exemplaires bdb zany le titre kou :-D
10. ikalapeta ( 05/06/2007 20:53)
Jeankely:

Na tsy hita aza ve tsy mazava fa resaka lazainy tsy misy henatra izany e. Tokony haverina ilay Gazety an. Mba samy mahita ny fika Gasy.
:?


11. ikalapeta ( 05/06/2007 20:57)
anjara3: tsy mazava tsara :°)
12. Jeankely ( 06/06/2007 02:32)
Mampiomehy io fa tafiditra anisan'ny fandrosoana haingana koa ny resaka vetaveta ary ny vehivavy no voalohany izany.=)).Miala tsiny satria ny akamaroany dia vehivavy Malagasy midona amin'ny lahilahy vahiny. Kay kay maty aho entanjanako oooo=))
13. mifyfy ( 06/06/2007 09:39)
ny mahagaga ahy dia ny vehivavy no mahazo loza etsy sy eroa kanefa anie tsy manao an'izany ireny vehivevy ireny raha tsy misy anareo lehilahy miaraka aminy e!!! ka maninn ilay lehilahy miaraka aminy tsy asina resaka koa?
Sa ianareo lehilahy anjely latsaka antany?
14. Jeankely ( 06/06/2007 10:13)
Resaka vehivavy sy lehilahy Malagasy no resahiko ary marina tokoa fa ny lehilahy sy ny vehivavy no manao ny fampisehoana. Nolazaiko hoe hainganabe ny vehivavy Malagasy mihoatra ny lehilahy Malagasy amin'io resaka vetaveta amin'ny vazaha io. Ny film rehetra mitranga ao Dago ao dia saika vehivavy Malagasy sy lehilahy Vahiny. Efa nahita lehilahy Malagasy ihany aho fa tsy betsaka fa ny vehivavy no lasa lavitrabe amin'io. Tsy fanenjehana io ry Bavy fa resaka statistikan'ny zava-misy fotsiny a. Izaho tsy nitsara fa miresaka. Tsara aminy izany ary vola ho azy fa nisy nanontany hoe efa mahavita ny ataon'ny vahiny ny SIPA Malagasy? Malagasy vehivavy no nanontany an? Izay mahasoa azony atao fa azy io.=))=))
15. kallie ( 07/06/2007 06:40)
a a a, tsy ny vevavy gasy iany no betsaka e, jereon'i Jeankely fa na ny vazah ar ane sipa no betsaka non'ny lelah e, donc statistika oe ny vevavy betsaka no ny lelà eto antany fotsiny no atao fa ts oe gasy io na vazah.
16. kallie ( 07/06/2007 06:42)
ho anle gazety ndray, fantany oe ny gasy mbola sensible amzany resaka zany d zay fotsiny, naalafo bdb iz zay....
17. xxx ( 07/06/2007 08:02)
Amiko na inona na inona fahalalahana misy @ izao fotoana dia tokony hahatsapa isika vehivavy fa saro-pady kokoa noho ny lehilahy , tokony homen-tsika hasiny ny "maha-vehivavy" antsika (physique et sentimentale ) fa tsy avela hataon'ny hafa kilalao dia lasa resaka fotsiny avy eo .

18. Fiffi ( 07/06/2007 09:13)
kallie:

ho anle gazety ndray, fantany oe ny gasy mbola sensible amzany resaka zany d zay fotsiny, naalafo bdb iz zay....
eka ouz


19. Jeankely ( 07/06/2007 09:45)
Manana ny hanisiny tokoa ny vehivavy fa nysasany no tsy mivaky loha fa samy fo faty ihany hoy izy ka dia izay ahazoana vola dia lasa izao. Ilay resak'i "Kallie" hoe vehivavy betsaka dia izay izany fa araka ny mahabetsaka azy hoy ianao dia tsy mahagaga raha be ny tsy mivaky loha ny zavatra saro-pady lazain'i "xxx". Io koa anie rehefa miaraka amin'ny reny na anabavy dia mahasosotra ny bandy ny mahita an'io fa raha samy bandy milay sady mandeha tsara ny "commentary" havia, havanana avy eo manandrana raha mahita. Tranga matetika io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6997