Mòdely @ fandraisana ny tenin'Andriamanitra i Masina Maria

1. xxx ( 01/06/2007 11:44)
Tao amin'i Maria, noho ny fiarahany niasa tamin'ny Fanahy Masina, no tonga nofo ilay Tenin'Andriamanitra (logos).

1 - Mòdely ny kristiana rehetra amin'ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra izy: "inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao" hoy izy.

2 - Mòdelin'ny kristiana koa amin'ny fandinihana ny tenin'Andriamanitra: "Ary Maria nitahiry sy nandinika izany rehetra izany tao am-pony". Mila dinihina sy tsakotsakona ny tenin'Andriamanitra. Ohatra velona ho antsika no nataon'i Maria.

3 - Mòdelin'ny Kristiana koa amin'ny fifandraisana manokana amin'i Jesoa: "Ataovy izay rehetra lazainy anareo" hoy izy tamin'ireo mpanompo raha lany ny divay tamin'ilay fanasana lehibe tao kana.

Farany: eto dia tiako ny mamerina ity tenin'i Terezin'i Jesoa zazakely ity hoe: "Sambatra ianao ry Maria fa voafidy ho renin'ny mpamonjy, fa sambatra kokoa izahay manana anao ho reny..."


Ho tonga nofo ao amintsika anie ny Tenn'Andriamanitra. Amen
2. ari.malala ( 01/06/2007 12:01)
Marina tsy azo lavina. Fa misy fanontaniana tsy mbolanahazoako valiny hatri'zay mintsy; ahoana no ahafahana manavaka ilay feon'Andriamanitra ao anatin'ireo feo marobe miahoaho manodidina? Rehefa mamaky ny Baiboly, ahoana no ahalalana fa iny Teny voavaky iny dia voatendruy ho anoa namaky azy?
3. xxx ( 01/06/2007 12:21)
Tsotra ny valiny, raha manohina anao ilay teny dia efa izy izay. Izany hoe : misy réaction positive(manintona, manaitra, mampieritreritra,sns) na réaction negative, izany hoe manakorontana ilay teny( bouleversé)
4. xxx ( 01/06/2007 12:35)
ari.malala mila mivavaka aloha ianao alohan'ny amakiana
5. ikaretsaka ( 01/06/2007 12:38)
Marina tsy azo lavina.
Fa ampiako fanamarihana kely: I Masina Maria fony izy nandray ireo teny ireo dia t@ alalan'ny zavatra nitranga sy niseho taminy no nahazoany ny hafatra fa tsy notovoziny tamin'ny boky.
Ohatra hoe ny Arakanjely Gabriely (tsy boky iny) , Tsindrimandrin'i Josefa nilaza azy ny tokony handehanany ho any Egypt (Tsy boky iny) , ny fitokisany an-Janany (ataovy izay rehetra lazainy aminareo...)

"Nitady an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny zavatra rehetra i Maria,dia lasa teo akaikiny foana Andriamanitra sy namita hafatra ho azy t@ alalan'ny zavatra rehetra"
6. soanja ( 01/06/2007 12:49)
Mankasitraka ity hevira ity tanteraka. Misaotra Soanja.
7. ikaretsaka ( 01/06/2007 12:58)
Hajao i Masina Maria izany fa Modely tokoa ny oha-piainany!
8. ari.malala ( 01/06/2007 13:09)
xxx> tena mivavaka tokoa aho, fa tsy haiko na tsy ampy ny finoako angamba matoa tsy mahatakatra izay tian'Andriamanitra hambara? matetika mantsy no voafitaka e, ary matetika mintsy, mihevitra fa sitrapon'Andriamanitra ilay zavatra, nefa avy eo tsy izay ilay izy dia lasa mandiso fanantenana! dia izay no nametrahako ilay fanontaniana hoe ahoana no hahalalako fa sitrapon'Andriamanitra izay mitranga eo @ fiainako, ayr ahoana no hahaizana manavaka ilay feony eo anvon'ny feo marobe miaohao manodidina! misaotra.
9. johnnyandri ( 01/06/2007 13:56)
Ny sitrapon'Andriamanitra tsy sitrapon'olombelona, izany akory tsy midika hoe ny sitrapon'olombelona tsy sitrapon'Andriamanitra. Ezaho arahina izay takian'Andriamanitra aminao sady araho vavaka. Tandremo anefa fa sao dia manantena mazimazy ianao. Ts izany ny atao hoe mivavaka. Miezaka ny hanana fiainana mahitsy amin'ny mahaKristianina ianao dia ho azonao hoazy ny rehetra manaraka. Hanampy anao anie ny Fanahy Masina.
10. ikaretsaka ( 01/06/2007 15:44)
ari>Ny ahy ny zavatra tsy voazvako sy tsy azoko androany matetika dia rehefa aaaaaaany aoriana be any ka hitako ny valiny dia izay no ahalalako hoe sitrapony izany na tsy sitrapony.
Dia na eo amin'ilay hafatra sy vavaka na fanapahan-kevitra aho dia manontany tena irery foana ny WWJD (na hoe What Would Jesus do? =hoe Inona no mety ho nataon'ny Tompo Raha izy no teo @ place-ko) raha sendra izao situation izao?

izay ilay ilaina ilay Examen de conscience sy fandinihantena lazaina eto matetika
11. cutie ( 01/06/2007 22:13)
Mòdely @ fandraisana ny tenin'Andriamanitra i Masina Maria

Vo nahita an'le titre za de tonga de we "non" avy hatrany no tonga tato an-tsaiko.

Fa le votoatiny kay mba misy azo raisina ihany :lol:
12. marozevo ( 01/06/2007 22:19)
Voalazan'i xxx
Tao amin'i Maria, noho ny fiarahany niasa tamin'ny Fanahy Masina, no tonga nofo ilay Tenin'Andriamanitra (logos).

1 - Mòdely ny kristiana rehetra amin'ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra izy: "inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao" hoy izy.

2 - Mòdelin'ny kristiana koa amin'ny fandinihana ny tenin'Andriamanitra: "Ary Maria nitahiry sy nandinika izany rehetra izany tao am-pony". Mila dinihina sy tsakotsakona ny tenin'Andriamanitra. Ohatra velona ho antsika no nataon'i Maria.

3 - Mòdelin'ny Kristiana koa amin'ny fifandraisana manokana amin'i Jesoa: "Ataovy izay rehetra lazainy anareo" hoy izy tamin'ireo mpanompo raha lany ny divay tamin'ilay fanasana lehibe tao kana.

Farany: eto dia tiako ny mamerina ity tenin'i Terezin'i Jesoa zazakely ity hoe: "Sambatra ianao ry Maria fa voafidy ho renin'ny mpamonjy, fa sambatra kokoa izahay manana anao ho reny..."


Ho tonga nofo ao amintsika anie ny
Tenn'Andriamanitra. Amen

Ekena tsy amim-pisalasalana, fa tena marina izay voalazan'i xxx. Fa ny fara-tenin'i Jesoa koa mbola eo ambonin'ireo rehetra ireo, satria tena miantefa mivantana amintsika mihitsy, ilay hoe : "Nijoro teo am-pototry ny hazofijalian'i Jesoa i Maria sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa : Dia hoy i Jesoa tamin'i Maria, "Ravehivavy, indro ny zanakao". Ary tamin'ilay mpianatra : "Indro ny Reninao". Hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho ao aminy i Maria".
13. niryna ( 02/06/2007 04:16)
johnnyandri:

Ny sitrapon'Andriamanitra tsy sitrapon'olombelona, izany akory tsy midika hoe ny sitrapon'olombelona tsy sitrapon'Andriamanitra. Ezaho arahina izay takian'Andriamanitra aminao sady araho vavaka. Tandremo anefa fa sao dia manantena mazimazy ianao. Ts izany ny atao hoe mivavaka. Miezaka ny hanana fiainana mahitsy amin'ny mahaKristianina ianao dia ho azonao hoazy ny rehetra manaraka. Hanampy anao anie ny Fanahy Masina.


ari.malala a,izaho koa manaiky ny tenin'i johnnyandri.
Ny fivavahana dia manova zavatra betsaka.Tsy ho voatery hijaly isika vao hanantona Azy.Mila misaotra azy sy midera ny anarany mandrakariva no voalohany.Avy eo mahatsiaro fa diso teo anatrehany ary dia mifona aminy tamin'ny rehetra.Andriamanitra dia toy ny ray niteraka antsika ary mihoatra aza.Fantany daholo ny momba antsika,fantany ny ilaintsika,ny hiandrasany dia isika no manantona azy amin'ny fo madio,mangataka famelana azy,mangataka famelana izay nanaovantsika ratsy na nanao ratsy tamintsika(fahavalo),mino azy tanteraka fa manomboka amin'iny fotoana hanantonanao azy iny ianao no nametraka ny fiainanao aminy,ary dia mbola tohizanao izany fa tsy hoe mihandry misy mahazo indray vao mitady azy.Toy ny misakafo isika,mihinana isan'andro,toy izany ihany koa vokiso ny tenin'Atra ny fanahinao dia ahatsapa ianao fa miaraka aminao izy,miresaka aminao izy.Tsy ny sitrapontsika izany no angatahintsika aminy fa ny sitrapony no tiantsika ho tanteraka,izany hoe rehefa mangataka zavatra aminy ianaoa dia resaho izy fa enga anie tsy ny sitraponao no tanteraka fa ny sitrapon'ny Tompo.Mila miezaka manova toetra,inona avy no atao hoe kristiana:mamela heloka,mivavaka amin'ny fahavalo,mitia ny manao ratsy na ny fahavalonao,ny fiteny,ny fijery, ny fihetsika eny fa na ny fanoratra ato amin'ny serasera aza dia efa mianatra miezaka ny manana toetra maha-kristiana.Tsy kivy fa manana fanantenana fa izy irery ihany no fanantenana sy mpanavotra.Izay no torohevitra azoko ambara aminao.Tsy mora kanefa tsy misy mangidy tsy andramana,rehefa tena manana fikirizana ianao ka manandrana dia sahy milaza aminao aho fa tsy maintsy misy fihovana ao amin'ny fiainanao,mahatsiaro sambatra ianao,enjehin'ny olona ianao,vao maika sambatra satria tsy mitana alahelo na lolo-po na mankahala ilay olona.Izay dia efa zavatra iray lehibe hiainan'ny hoe kristiana.Andramo ka zahao fa tsara Izy.Mahereza ary:*

14. ramhors ( 02/06/2007 22:14)
Ari-malala. Rehefa mamaky baiboly dia tsara tokoa ny mivavaka, sy mangataka @ fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra izay voalaza ao. Tsara ny mamaky andininy fohy isan'andro, dia iny no halalinina. Manampy anao @ fanatanteraha ny sitrapon'ny Tompo ny famakiana ny soratra masina matetika(baiboly). Tsara raha toa ka mangataka sy mivavaka @ Andriamanitra hatrany rehefa alohan'ny handray fanapahan-kevitra na hanao zavatra iray. (ohatra: Raha sitraponao ry Tompo dia aoka ho tanteraka izao zavatra mba kasaiko atao izao. Ny sitraponao no aoka ho tanteraka mandrakariva fa tsy ny ahy Amen.)
15. pissoa ( 03/06/2007 17:39)
xxx voalohany be : ekena ! :-D
16. ari.malala ( 04/06/2007 07:16)
Misaotra betsaka anareo rehetra fa efa izany no ataoko ka! hoe mivavaka, sy mangataka ny sitrapon'Andriamanitra ho tanteraka eo @ fiainako, fa ilay mamaky Baiboly aloha :oops: tsy vitako matetika e!:oops: fa marina mintsy ilay hoe mila omena hanina isanandro ny fanahy fa tsy isan'alahady iany... Manaraka ny fandaharana ny Tenin'ny Tompo @ RDB iany refa maraina fa ehe... hitako hoe izay no tsy ampy amiko, fa hiezahako hatao indray.
17. prime ( 04/06/2007 13:24)
:)8)
18. ikaretsaka ( 04/06/2007 21:02)
Ari> rehefa mahatsiaro ianao fa noana fanahy dia mitady izay hahavoky azy dia mety ka.
Fa tandremo fa tsy voatery ho misy ny magie magie an!
mampanamboara ilay peratra kely disainier ireny!za zao misy fotoana noana fanahy dia iny no fahodinkodiko sy fanaovako tao anaty Taxi be tao. Mifangaro ao aby ny dal ampasika anjanonahoatra sy ny atao tsy dimidimy ny frais anareo sy ny sisa, fa izany akory tsy manakana ahy tsy ho sondriana amin'ny raozeriko.
"Tadiavo amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra dia ho hitanao fa eo akaikinao lalandava"
19. marozevo ( 04/06/2007 21:14)
Io izany ilay hoe "manamasina an'izao tontolo izao avy ao anatiny".
Mila herim(po betsaka io. Mahereza !
20. ari.malala ( 05/06/2007 12:11)
ika, za anie tsy miandrandra magie magie e :)d za koa manana an'iny peratra iny ka! d manao iany refa mba mahatsiaro :oops: tena mila ezaka be mintsy aho fa tena hitako nihemotra bbbbbeeeeeeee mintsy :oops: :-(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1532