Hoy i Jeankely:

1. ronaldo09 ( 31/05/2007 13:16)
Tsy fantatra mihintsy anie ny resaka politika atao eto fa toa fitadiavana ny fon'ny olona hikomy fotsiny e. Tsy manazava ary tsy mihevitra ny hanome fanazavana fa izay ahatratrarana ny fo fotsiny no ataony. Madagasikara dia tokony ny Mpitondra no mitantana azy amin'ny fomba anaovany azy fa tsy ny strategie-n'ny mpanohatra mihintsy no tokony hataony. Rehefa diso ny Politika dia diso ary tena mahagaga eto Madagasikara koa fa ny Mpanohitra tia hitondra ny "Projet-n'ny Fanjakana". Fa inona ity?
novalian'i Jeankely ny 05/06/2007 01:44
2. lamie ( 31/05/2007 13:29)
ka tsy misy mahay ny atao hoe "politikan'ny fitondràna firenena" politikan'ny seza no atao ka aiza moa???=))=))=))nianatra nefa te hanao politika dia mahihitra ny amoaka am-paosy, tsy misy mandeha zay laoniny hoy aho aminareo e!!!o^oo^oo^oo^oo^oo^o
3. Jeankely ( 01/06/2007 02:17)
Ato ny misy ny hoe: "Aza mieritreritra izay hasolo azy fa mahita foana". Izany hoe ato kilalao ve ny fitondrana firenena. Na tany aiza na tany aiza tsy maintsy misy lesoka hita nohon'ny toerana misy ny firenena. Tsy misy miaro ny fitondrana izany fa amin'ny maha-olompirenena dia mba mila zavatra mitohy, hita mivangana. Eto no ahitana hoe "ahoana ianao mangalatra be koa ny mangalatra kely no gadraina". Izany hoe fampianarana ratsy ny vahoaka ve no atao hoe fanoherana. Ny atao hoe manohitra Ray amandreny dia marina fa maditra no dikany fa amin'ny Politika tsy hoe maditra fa mahita kosa lalana tsara sy mahomby nohon'ny an'ny fanjakana. Ity indray ka mibitaka fa lasa "lavitra ity ry zalahy fa efa mandroaka ny avary ny avatsy". Mampalahelo.
4. Jeankely ( 01/06/2007 05:31)
Ny vahoaka dia mahafantatra tsara fa na iza na iza mitondra dia vahoaka foana izy ary tsy maintsy miasa izy vao mahita hanina. Ny dikan'ny fivoarana na fandrosoana dia "miala ny zavatra teo aloha" fa tsy hoe"mijanona amin'ny omaly". Tsy maintsy mahita ny mafy. Hoy ilay Miaramila vahiny hoe "Grady tsy nahita fampiharana ka aiza no ho tafavoaka". Hitako tamin'ny Gazety ny resaky ny Generaly Malagasy iray hoe : entindry zalahy amin'ny "conference" sy resaka etsy sy aroa ny firenena. Taiza no nisy firenena tsy nanao "conference". Miaramila aza manao sarinady ka foanana ve ny sarinady satria efa tsy misy ady? Ao koa ny fanontaniana an-Gazety hoe: "Electrification rurale" atao ho an'iza? Dia gaga mihintsy aho hoe fa ahoana ary izany fanontaniana izany. Miseho mahay "Economie" ary manabaty ny sasany nefa tsy hita misoratra ho "Economiste" eran'izao ntontolo izao fa angaha adala ny vahoaka tsy mahay mizaha izay anaranao ao amin'ny "internet". Latsaka lalina ny firenena noho izany tsy misy afatsy ny mifandrombaka amin'ny asa sy izay hampivoatra fa tsy ny hifandritaka sy fifampiady seza ao foana. Isiaka vahoaka no hamay eo fa ry zalahy mizara seza. Tandremo ihany.
5. naritsimba ( 01/06/2007 05:35)
Amiko ny politika eto Madagasikara dia natao hamenoana paosy fa tsy hampandroso.

1-Ny zava-misy ankehitriny dia izay tsy mitovy hevitra @ fanjakana dia atao izay hanenjehana azy.
2-Raha misy olona hitan'ny mpitondra fa mahavita zavatra nefa tsy miankina na mila dera @ mpitondra dia atao izay amotehana an'iny olona iny.
3-Raha misy hevitra hampandrosoana ny firenena hitan'ny olona dia tsy raisin'ny mpitondra izany raha tsy manohana ny fitondrana ilay tompon-kevitra.

Hilaza ohatra aminareo aho: Nisy ny olona izay nanome sekoly t@ tanana iray, dia nolazaina tsy ara-dalana ilay sekoly ka dia tsy nahazo mpampianatra, nefa anie ka fanomezana ilay izy e.
Firy moa ny fanampiana izay omen'ny malala-tanana ho antsika fa dia tsy misy tafavoaka satria vola tsy toko tsy forohana no takiana,satria sao lasan'ireny ny fon'ny vahoaka, nefa rehefa fanomezana ka atolotra @ alalan'ny mpitondra fanjakana dia sady tsy andoavam-bola no dradradradraina @ Radio sy Tele ary atao izay hivoahany haingana araka izay haingana mba hahazoana dera sy laza.

Raha vao milaza ny tsy mety sy ny tsy rariny ve dia lazaina fa manohitra? Izaho manokana na iza na iza satria izay ny toetrako na ray aman-dreniko na iray tampo amiko rehefa tsy mety ny ataony dia teneniko ary efa hatramin'izay izany, amiko na amboako na amboan'olona izay vandana dia kary.
Ny ankamaroantsika Malagasy dia tahotra ny ho very seza dia na mety na tsy mety dia dokafana foana ny mpitondra, tadidio anefa fa na ho ela na ho haingana misy farany ny zavatra rehetra ary samy handray ny valin'asany ny rehetra ary tsy miandry ela izany fa hiarahantsika mahita eo ange ny hiafaran'ireo mpitondra izay mangalatra sy manao tsindrio fa lavo e?

Izaho aloha dia mahita fa miaro olon-dratsy no ataon'izao fitondrana izao,
Maninona no fantatra fa nanao ratsy ry Pety ka no tsy nenjehina hatramin'izay fa nandrasana ho lasa mpanohitra vao enjehina?
Maninona no tsy noroahina ny Mompera Urfer hatramin'izay fa nony tsy Praiministra i Jacques Sylla vao sahy noroahina izy?
Antsika no mieritreritra...!
6. Jeankely ( 01/06/2007 06:04)
Dia mihobo-kevitra aminao aho aloha ny amin'ny hoe misy farany ny rehetra. Izay mamafy dia samy mijinja izay hafafiny ka raha mety ny ataony dia miandry vokatra tsara izy raha tsy mety moa dia izay misy farany izay. Amin;izao fotoana izao dia na ny andefa olona "affectetion" aza manahirana satria hainao fa misy ny faly sy manararaotra ary mibitaka fa nisy voaroaka koa raha nahavita trano ka samy hanasoavana ny firenena maninona no tsy natolotra ny sehatra tsy miankina fa afaka hisy hampianatra sa mila dera amin'ny fanjakana koa ilay olona. Maro no nianatra ka tsy voatery ny fanjakana no andefa Mpampianatra ary raha trano manara-penitra dia tsara ho azy ny atao hiasan'ny "Tsy miankina". Angaha tsy fantatrao fa ny olona avy amin'ny "University" tsy miankina no malaza izao koa maninona no tsy omena ireo manampahaizana marobe ireo? Izaho manokana dia ny fahavoazana isaky ny misy korontana no jereko satria i Madagasikara miverina foana ny tantara ary maharesy azy ny tany kely tsy tsara sy soa noho izy. Ka asa rehefa tsy tia korontana koa izahay dia tafiditra anatin'ny mpiaro ny sezan'olona? Samy mandinika isiaka fa izay mahasoa ny firenena no zahavina angamba fa tsy ny fitanisana ny harerahana sy fahakiviana. Ny sasany aza niady, nanao "Kamikaze" ho an'ny fireneny. Izay mifndrombaka hameno paosy izay dia tsy mankasitraka izany ny sainay.
7. nathie86 ( 01/06/2007 06:12)
ka le politika mintsy anie no tsy hay hoe in e. Ny @ sasany aza d hoe zay mpanohitra iany no mpanao Politika.
8. Jeankely ( 01/06/2007 06:25)
Tsy fampianarana moa eto fa natao hampandrosoana ny firenena ny Politika. Ny nahazatra teto anie izay be resaka dia izay no hoe mahay politika e avy eo omena seza dia mangalatra vola sy fananam-panjakana dia izay no rehareha. Samy mamaky teny isiaka fa ny resaka "Corruption" no nandetika ka tsy hisy hiaro izany mihintsy eto e? Na izaho miteny na iza na iza mangalatra tokony gadraina.
9. xxx ( 01/06/2007 20:55)

Jeankely: moramora ihany ity vava aloha fa raha io zavatra teneninao io no tanterahana tokoa, dia vao maika ho sahirana isika mianakavy satria dia tsy hohomby ny mpangalatra sy ny mpanao corruption ny fonja rehetra eto Mada an. Ary dia ho maro amin'ireo mpitondra ireo no hidoboka eny am-ponja, ary ho isan'izany ny filoham-pirenena, ny ben'ny tanana teo aloha izay mbola ananako alahelo hatramin'izao noho ny zavatra tsy rariny natao taminay mpiray tanana rehetra (azoko lazaina eto io raha misy te hahalala). sns...

Ny zavatra mety izao dia ny mandinika hoe: ahoana no iainana tsara ao anatin'ity aizina iandrandrana fahazavana ity? izaho aloha na dia tsy pour amin'ny fitondrana aza dia tsy mba manaiky kosa ny hisian'ny fanonganam-panjakana e. Aleo izy hitondra. Hevitra omena hanasoavana ny firenena raha misy, raha tanterahany tsara; tsy ataony indray, atao ahoana moa. Ampatsiahivina azy amin'ny fividianana manaraka.
Izay ihany.
10. Jeankely ( 03/06/2007 03:43)
Loza izany ny mahazo ny Malagasy raha lazainao fa tsy omby ny fonja satria Mpangalatra daholo. Izaho miteny dia tsy mpanana aho ary tsy mihevitra ny hanana amin'ny halatra ka raha izay no hilazanao ahy hoe moramora ny vava dia ny Mpanagalatra izany no be hoy ianao ary ny olona madio tsy misy? Izay no hilazako hoe samy tompon'andraikitry ny tsy fivoaran'ny firenena satria halatra no hifampireharehana izany. Asehoy Raxxx izay tokony ho fantary ny vahoaka a. Izahay tsy miaro fanjakana fa izahay tia ny firaisankina hampandrosoana ny firenena ary malahelo ny fonay raha misy ny miady antrano. Izahay vahoaka fa tsy Mpitondra, tsy mbola nitondra ary tsy mihevitra ny hitondra saingy tianay ny taninay handroso.
11. xxx ( 04/06/2007 21:16)
Ny vahoaka akory tsy midika dia olona azo anaovana izay tiana anaovana azy. Raha ny tena marina dia ny vahoaka no masi-mandidy sy tompom-pahefana, ny mpitondra dia mpindrana fa tompony. Ka raha tsy mahomby ny mpitondra dia anjaran'ny vahoaka ny manilika azy @ alalan'ny fifidianana.
Vahoaka tompon'andraikitra no ilaina fa tsy olona passif.
12. Jeankely ( 05/06/2007 01:44)
Koa efa avy lany izy ka inona indray no resahanao ity Raxxx a? Ny vahoaka dia nataon'ny olona fiasana ary satriny tsy ahay inoninona fa taritina atsy dia makatsy ary rohitina ary dia makary. Izay no Politika tsy nampandroso io Madagasikara io. Rehefa misy ilana azy dia lazaina hoe tompon'ny fahefana ny vahoaka fa rehefa azo ny fahefana dia mihevitra ambonin'ny vahoaka ary tsy mijanona fa mihodikodina eo ka ny firenena no tsy mivoatra fa lany andro. Aminay dia tsy misy afatsy ny famafazana hevitra hisainan'ny vahoaka ary ahalalany ny marina ka na iza na iza miteniteny foana dia hain'ny vahoaka ny mitsara sy hanaovana azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1217