mozikam-pivavahana

1. bonnechance ( 31/05/2007 07:40)
Misy olona ve afaka manoro hoe aiza no ahitaka tiona vita amin'ny solfège na dia efa tena tranainy be aza ny nanontana azy. Ny vita amin'ny solfa ananako fa maro ato amin'ny mpikambana mpanao mozika ato aminay no sahirana mamaky azy. Dia misaotra mialoha izay afaka manoro hevitra.
novalian'i ombelline ny 26/03/2015 14:30
2. pissoa ( 31/05/2007 21:19)
inona zany tiona ?! :oops:
3. lapino ( 01/06/2007 08:12)
pissoa, fihirana protestanta misy ny naotin-kira voasoratra solfa zany tiona izany.

bonnechance, ny hoe tiona gasy voasoratra solfege tsy haiko raha misy. Fa any amin'ireny fivarotam-boky ara-baiboly ireny mety ho afaka ahitana tiona solfege fampiasan'ny fiangonana batista ohatra (teny anglisy na frantsay), na raki-kira ohatrohatra ny "J'aime l'Eternel" sns. Misimisy hira mitovy ihany, saingy sady teny tsy gasy no mety ho tsy mifanaraka ny laharan'ny hira. Mandalova amin'ireny fivarotam-boky ireny ihany sao dia mety misy mahaliana anao. :)
4. xxx ( 01/06/2007 08:39)
Anontanio any @ Trano Printy Loterana , eo Antaninarenina fa io no mamoaka ny tiona ka any no mety mahalala na misy version solfège na tsia ny Tiona

Ny solfa toa ny gasy sy ny norveziana ihany no mahay mamaky azy raha tsy diso ny fitadidiko : nampianarin'ny norveziana antsika mantsy izy io
5. lapino ( 01/06/2007 15:18)
Mba nanontany tena mihitsy koa za hoe spesialite gasy ary ve io. Kay misy mampiasa ihany zany. Nojerijereko t@ google, fa toa "tonic solfa" no iantsoan-dry zareo azy
6. pissoa ( 01/06/2007 18:57)
lapino, hi hi hi ! hay moa. :oops::-D
7. booboo ( 02/06/2007 11:58)
ie ao @ Trano Printy Loterana tokoa mivarotra Tiona. Tsy haiko ny librairie "Antso" raha mivarotra ihany koa fa anontanintanio ihany...
8. bonnechance ( 02/06/2007 16:48)
Misaotra betsaka ry zareo a§ Efa nanontany ny trano pirinty Loterana mihitsy za fa eo am-pikarakarakna hono ry zareo fa tsy mbola tafavoaka noho ny entimanana . Ankoatr'izay dia toa misy hono par internet fa ny site no ho tadiaviko angamba.
Misaotra e.
9. ikaretsaka ( 03/06/2007 12:32)
pissoa:

inona zany tiona ?! :oops:


avy amin'ny teny angalisy hoe Tunes io ry pissoa a
10. pissoa ( 03/06/2007 17:23)
Ah ! OK ... vao maika mazava fa thx !
11. Belle ( 25/12/2011 21:11)
Bonnechance: arahaba tratry ny Noely. Nahita ilay tionan-kira tamin'ny internet ihany ve ianao. Mba ampitao amiko azafady ny rohy raha misy e! Misaotra mialoha.
Belle
12. ombelline ( 26/03/2015 14:30)
sujet efa elabe ity fa izao vao tonga ny valiny : efa nivoaka ny Tiona @ solfège . Anontanio any @ librairie any Antananarivo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.857