Teny kely ho an'ny mpanao gazety

1. Pao ( 28/05/2007 20:21)
Ho an'ny mpanao gazety miteny frantsay no asian-teny eto.
Mahay ary mahay loatra ary ny sasany hany ka indraidray efa tsy fantatra intsony izay tiany ho lazaina. Mazava fa matoa manoratra @teny frantsay izy ireny dia ny vazaha no tena iantefan'ny resaka na dia misy Gasy mahazo ihany aza.
Fa izao e! Aza dia faly manaratsy tena loatra isika fa na ny vazaha aza gaga.Manivahiva mpitondra , manaratsy tsy fiafarany mandava taona izany no ataon'ny sasany , afy mivelona @izany mihitsy.
Tanindrazany iombonana izy ity leretsy a! Raha manao tsikera ianao dia mba manomeza koa sosokevitra!
novalian'i Jeankely ny 29/05/2007 09:49
2. stephane197 ( 29/05/2007 09:29)
tena marina mihintsy ny anao!!! toa ny valalan'amboa ny antsika ê!! ... mila fihovana goavana tokoa!!!
3. Jeankely ( 29/05/2007 09:49)
Anisany tsy nampivoatra haingana io tsy fifanajana io. Na tsy mitovy aza ny hevitra dia tsy mety ny mifaniratsira. Inona no zavatra vitan'ny fandrabirabiana fa tsy ny mifanome lesona ratsy ary loza fa mety hianaran'ny rehetra io ka tsy hisy intsony izany fifanajana izany. Ny President dia President ary amin'ny manaraka tsy maintsy hisolo na iza na iza. Tsy maintsy ho antitra sy koka ary ho faty noho izany tsy tsara ny manazatra zava-dratsy ny vahoaka. Na izy mpanao gazety io aza no atao ialahy fotsiny na omena anaram-bositra hafahafa mety hitory =))=))=)).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074