Adihevitra

1. ds ( 25/05/2007 22:38)
Miala tsiny klu fa mba anome lesona kely an :-)

Amiko misy roa karazany ny adihevitra.
1) mifamatra, mikalizy : io ilay samy tsy manaiky resy fa te ho deba (sa rôla) daholo.
Tsy mitondra mankaiza ity fa sahala amin'ireny hatsikana ireny fotsiny.
2) misavasava ny raviny mba hahitana ny fotony. Izany hoe mba misy tombontsoa tadiavina avy amin'ilay adihevitra ka ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra.
Fa isika aloha dia tsy mahay miady hevitra amin'ny ankapobeny e. Matetika ny fo no miteny fa tsy ny saina. Hany ka rehefa tsy mitovy hevitra amintsika ny olona dia hilana ady an-kolaka...
Dia averina ombieny ombieny ny hoe "ohatran'ny olona tsy nianatra...".
Fa angaha ny fianarana ihany no mamolavola ny saina rey olona ô. Izaho aloha tsy nahita fianarana kanefa isaky ny misy maharesy lahatra ahy amina adihevitra, dia tsapako mitombo kely ny fahaizako :-)
koa am-bava homana, am-po mierotra Tompoko.
novalian'i wtf10 ny 26/05/2007 11:57
2. cutie ( 25/05/2007 23:11)
2) misavasava ny raviny mba hahitana ny fotony. Izany hoe mba misy tombontsoa tadiavina avy amin'ilay adihevitra ka ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra
3. jefra ( 25/05/2007 23:29)
Tena any anaty adihevitra aho no tokony hanarina fa raha tsy izany tsy mahatsapa tena. Fa...misaotra anao tsy mijery arina an-tava! Izany ka namana =D=D
4. soanja ( 26/05/2007 00:06)
Ny adihevitra aloha tsy voatery hoe handresy lahatra foana fa hoe inona ny hevitro dia milaza aho.
Fa misy tokoa ny adihevitra ilana fiafarana hoe izao no marimaritra iraisana na ity no nandresy dia arahin'ny be sy ny maro.
Miankina amin'izay tanjon'ilay adihevitra io.
Ohatra raisiko izao dia nisy adihevitra izay taty hoe ny Mpino an'Andriamanitra sy ny AT dia samy naneho ary nilaza ny fahitany ny fiainana. Tsy misy resy ary tsy nisy nandresy saingy ny zava-dehibe amin'ny adihevitra dia ny fahafantarana hoe nahoana no izao no zavamisy. Dia ny adihevitra no hanome ny antony. dia samy mahalala ny andaniny roa na ny mpijery.
Samy manana ny fomba iadivany hevitra ka. Zah izao ny mpanao xxx dia mahavariana ahy rehefa adihevitra tsy resaka anao manokana ka tokony hanafenana tarehy, nefa tsy hanomezako tsiny azy ireo mihitsy satria samy manana ny fomba mahaolombelon antsika avy. Ekeko ny tsy fitoaviana ary manaja tanteraka aho!
5. fijo ( 26/05/2007 04:26)
marina mihintsy io hoe tsy mahay miady hevitra io isika eto.fa matetika tsy ny hevitra no miady eto fa ny olona.soa fa tsy mifankahita .
mila hianarana io ka
6. dokotany ( 26/05/2007 06:27)
Fifanakalozan-kevitra no angamba no tsara.Ilay hoe "adihevitra" dia hoatran'ny tonga dia mampiomana ny olona hiady mba handresy ny heviny. Matetika raha misy olana iray tiana hovahana sy hifampiresahana dia mety misy vahaolana maro azo ampiarina. Samy hamoaka ny heviny ny rehetra fa hevitra iray no tsy mantsy ho tapahina. Eo no misy ny fahatezeran'ny sasany raha tsy ilay hevitra narosony no raikitra.
Ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra nefa koa mety hampikorontana tsy hahavitan-javatra !
7. Fiffi ( 26/05/2007 06:30)
inona no anton'zany ? satria tsy misy ny fifandeferana
8. kelly13 ( 26/05/2007 09:38)
le "klu" an'i ds kou neveriko fa oe ku klu klan kle, :oops: hs kely fa azafady
9. wtf10 ( 26/05/2007 11:57)
Tena marina aloha fa ny adihevitra de natao handraisana lesona sy hanitsiana ny hevi-diso.Maro anefa ny olona no mieritreritra hatrany fa marina ary tsy mety ozongozonina @ heviny. Sarotra ny mandresy lahatra olona ,mila paik'ady matotra koa ny fahaizana mandresy lahatra .Eto izao de hitako fa mety hampivoatra antsika tokoa,mba olona maromaro mantsy no miady hevitra ka raha tsy resiko lahatra ny iray de mety hahita paik'ady handresena lahatra azy ny sasany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1589