Otrikafo : Ny fankamamian’ny vahoaka ny fitondrana

1. jefra ( 15/05/2007 09:30)
Otrikafo : “Efa mihen-danja ny fankamamian’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny”

Manoloana ny “korontana” niseho lany tato ho ato eto amin’ny tany sy ny firenena dia naneho ny fomba fijeriny ny fikambanana Otrikafo.

Ho an’ity fikambanana tarihin-dRajaonah Andrianjaka ity àry dia “endrika isehoan’ny tsy fahazakan’ny vahoaka any amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy ny fihomboan’ny fahasahiranana mihoa-pampana mahazo azy ireny fihetsiketsehana miharo fikorontanana ireny” tsy ankilany anefa, hoy ihany ity fikambanana ity dia herisetra no asetrin’ny fitondran-dRavalomanana an’izany korontana mitranga izany, ka maro ny olona naratra ary nisy ny maty. Nomarihin’ny Otrikafo fa “na izany aza dia tsy mbola nisy fifampidinihana, tsy nisy fifanakalozana hevitra fa jadona sy famoretana no fomba fitondrana ny tany sy ny Fanjakana”.

“Toa efa fahazaran-dratsin’ny mpitondra rehetra nifandimby izao famonoana Malagasy izao, hoy ry Rajaonah, satria raha itodihana ny tantara dia namono olona i Tsiranana tany Atsimo tamin’ny 1971 ary teo amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 1972, namono Ratsiraka tamin’ny 1985 (Kung-Fu) sy tamin’ny 1991 ary tamin’ny 2002, namono koa i Zafy Albert tamin’ny 1993 teny amin’ny Cercle Mess Soanierana”. Iaraha-mahalala ny vokatr’ ireny, hoy ity fikambanana mitonona ho mitandro ny fiandrianam-pirenena ity. “Meloka eo anatrehan’ny Tantara ireny mpitondra ireny ary meloka eo anatrehan’ny vahoaka”, hoy ny fanehoam-pijerin-dry zareo Otrikafo. Mampalahelo, hoy hatrany ny hevitra navoitran’ny Otrikafo fa miroso amin’izany lalana izany koa ity fitondrana Ravalomanana ity izao satria tena efa mihen-danja ny fankamamian’ny vahoaka azy ankehitriny ary dia io mampiasa herisetra io izy. Nomarihin-dry zareo fa “tsy azo ekena ny fandatsahan-dra Malagasy na inona na inona antony, ary fantatra ny vokatr’ izany raha zohina ny Tantaram-pirenena”.

Notsiahivin-dry Rajaonah Andrianjaka sy ny namany koa fa “ny teti-pitondrana miankin-doha amin’ny any ivelany, izay mangataka ary mitrosa, no fototry ny fampahantrana ny vahoaka izay mahatsiaro fangirifiriana tafahoatra ankehitriny, ary manampy trotraka izany ny fitondrana mitanila sy manavakavaka ary manao zanak’ikala hafa”. Notsipihan-dry zareo koa fa “endrika iray anehoan’ny vahoaka ny tsy eran’ny aina vokatry ny fitondrana miendrika jadona ary mitanila ireny fihetsehana miseho any amin’ny faritra samihafa ireny ka tomponandraikitra tanteraka amin’ izao zava-mitranga izao ny fitondrana.”

Etsy andanin’izany dia notsindrian’ny Otrikafo koa fa “araraotin’ireo mpanao pôlitika sasany izany fahasahiranana izany ka mora foana amin’izy ireo ny mampiditra ny “Zarazarao hanjakana” indray, mba hampisaraham-bazana ny samy Malagasy amin’ny alalan’ny fahasamihafam-poko”. Pôlitikan’ny mpanjanatany hatramin’ny andron’i Galliéni izany, hoy ihany ny fanambarana, ary mitondra ny Malagasy mankany amin’ny lalana mamoa fady ireo, ka tsy mendrika ny hitarika”.

Amin’ny ankapobeny, hoy ny Otrikafo, na ny fampahantrana na ny fizarazarana dia samy nolovan’ireo mpitondra rehetra nifanesy teto tamin’ny fanjanahana avokoa, ary izany fahantrana sy fizarazarana izany no fitaovana azo ihazonana ny firenena eo ambany vahohon’ny mpanjanaka tamin’ny endriny taloha ary amin’izao endriny vaovao izao.

Samy tomponandraikitra amin’io fampahantrana sy fizarazarana io na Ravalomanana mbamin’ireo rehetra niara-dia taminy ary ireo mbola miara-dia aminy, izay tsy manana pôlitika afa-tsy ny findramam-bola ary fangatahana amin’ny BM sy ny FMI ; na Ratsiraka mbamin-dry Zafy, omban’ireo mpanao pôlitika rehetra niara-dia taminy ary ireo mbola miara-dia aminy avy, hoy hatrany ity fikambanana ity, ary samy mbola tomponandraikitra feno avokoa amin’izao fahantrana izao izy rehetra ireo. Izy rehetra tsy an-kanavaka dia samy nampihatra ny pôlitikan’ny fampahantrana ary nampiasa ny fampisaraham-bazana ny Malagasy ihazonana ny fitondrana sy ny tombontsoan’ny vahiny, na dia endrika samihafa aza no anaovany izany, ary na ny andaniny na ny ankilany dia tsy manana soso-kevitra hiadiana amin’ny fampahantrana ny Firenena velively fa miady seza ho eo amin’ny fitondrana fotsiny na miady fo ihazonana tsotra izao ny fitondrana misy, hoy ny ao “Ampatana”. Izany hoe kapoka iray ihany ny pôlitika arahiny dia ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany, hoy ny hafatr’ity fikambanana ity.

Tsy nohadinoin’ity fikambanana tarihin-dRajaonah ity ny nanao antso amin’ny malagasy manerana ny Nosy mba ho mailo mandrakariva ka tsy hanaiky hohararaotin’ireo mpanao pôlitika mitady toerana hampisaraham-bazana azy amin’ny fananganana adim-poko, ary hanohitra ihany koa ny pôlitika fampahantrana ataon’ny mpitondra ankehitriny.
novalian'i Jeankely ny 30/05/2007 09:42
2. Jeankely ( 15/05/2007 09:47)
Ny Otrikafo koa mampiresaka kano. Aiza no tany tsy miafara amin'ny daroka rehefa tsy mifanaraka. Mba lazao aloha raha misy izany sa entina any andanitra ny Malagasy. Ny Fiangonana aza tsy mahantonga ny Malagasy any andanitra koa ny Otrik'afo ve ahoana e. Mba hainao ve ny fiafaran'ny Otrikafo e. Miverina mirefitra ary mahamasaka indray ary mandoro koa raha raisintanana. Avela hanao izay hataony ve ny olona, dia hanimba, dia hifamono, dia hisy handroaka ny sasany tsy hiasa ny mpitndro ny filaminana? Izany hoe tsy hisy maty rehefa tsy misy mpitandro filaminana. Mba izay marina resahina e.
3. sipagasy ( 15/05/2007 10:41)
mmhhh ka izao ny vokatry ny 1 er tour dia vita e!!!, mahavità mizaka kouuhhhh hihihii
4. agoago ( 15/05/2007 11:28)
Ny an'ny otrik'afo ny tena antitranteriny dia ny fitondrana tsy mainkindoha amin'ny any ivelany. Hadisoana be mihintsy ny miditra mitrosa a@ BM sy FMI hoy ry zareo rehefa eo @ média i mr RAJAONAH io.
Tsy haiko aloha raha possible izay zavatra antitranteriny izay, misy firenena tokoa ve tsy mitrosa @ ireo institutions financières ireo tafavoaka dia inona no nataondry zareo?
5. jefra ( 15/05/2007 11:51)
agoago> Mora ny manakiana! Tsy manome ala olana akory ry zareo. Io lafin'ny fanakianany io ihany (findramam-bola) no tsy akasitrahako.
6. Fiffi ( 15/05/2007 21:14)
agoago:
misy firenena tokoa ve tsy mitrosa @ ireo institutions financières ireo tafavoaka dia inona no nataondry zareo?
toa tsy misy zany an ! jereo fotsiny ohatra ny trosan'frantsa.....:roll:


7. bazylou ( 16/05/2007 00:30)
Feno no azo azahoana vola eo an -tanana, , fa ny antsika ny hangataka ihany no hay!!
Jereo izao i Venezuela!!! niala tao amin'ny BM, FMI dia nasionalisena daholony petrole, inona ny olana ???
VAo maika nitobaka ny saosy!!:wink::wink:
Ny atsika tsy misy azo antoka ny eo an-tanana ka ny vazaha ihany no ilaina!!! ka mazava ho azy ny valiny:°):°):°)
Ilay prezda koa moa voatazon'ny mena sofina ka nanjavona mbamin'ny hazon-damosiny!! beurkkkkk!!
Jereo fa nan y ariary aza tsy haitsika akory ny nihazona azy, fa vao nikozy ny vazaha hoe midina ny saosinay fa avereno io ,,, dia nihazakazaka mihitsy ny banky foibe ny hamerina ilay 13 000fmg !!! izany no gasy aminy re tompoko
8. Jeankely ( 16/05/2007 04:38)
Nivadika Razoky amin'ny hoe: "Ny atsika tsy misy azo antoka ny eo an-tanana ka ny vazaha ihany no ilaina!!! ka mazava ho azy ny valiny". Antsika indray ve fa tsy anay Malagasy sy safidinay e. Aiza no misy ny sain'ity e?
9. sipagasy ( 18/05/2007 17:13)
Eto kosa aho dia hanohana ny hevitr'i ra bazyl BRAVOOOO^:^=D=D=D? tena mahafinaritra ahy ny hevitrao eto, nifankaiza @ venezuela tokoa moa isika teo aloha, nefa aiza izy izao ary aiza isika???
Ho an'izay any an-taniondrazana dia misy ny fivorian'ny OTRIKAFO @ sabotsy izao e(19/05/07)! ehh ny fotoana toa tsy tadidiko izy izay hihihih miala tsiny fa tsy hivoaka gazety eo ihany veh e! ouups kay moa rahampitso izany mmhhh dia mirary fivoriana ahitana hevitra mivoaka izany e! ;-)
10. bazylou ( 20/05/2007 01:18)
savsavao ao rajeankelybe a....!!:-D:{:-P:-P
11. stephane197 ( 21/05/2007 11:54)
savorovoro ataon'ny mpanjanaka io ê!! mbola mandeha foana ny hoe " zarazarao hanjakana.." ka hadalan'ny gasy izay manaiky ho rebirebeny!!!
12. lamie ( 22/05/2007 07:06)
mahavariana ny hevitra oe hiala @ banque mondiale sy fmi,adinonareo angaha fa ny trosa navelan'ny fitondrana teo aloha anie ka nandifotra?ireo lovatsika ireo ve izany dia odiana tsy hita?firy miliara no trosan'i jirama t@ fanjakana?mora ny mieritreritra hoe tokony zao sy zao no atao,raha mba nanana tahiry t@ harena ankibon'ny tany fotsiny isika fa tsy nanohanana sy nanambatambazana firenena hafa ireo nisy ihany làlana nety niviahantsika!
13. nathie86 ( 23/05/2007 14:41)
za eto dia miary hevitra @ Lamie.

Tsika tsy afaka miala @ fitrosana zany ry reto an.
14. xxx ( 29/05/2007 20:16)
afaka raha foanany ireo kann ;-) dia manao tahakan'i Venezuela, mioitra irery dia tafita lavitss be dia be fiara hybride koa fa tsy hiankina @ solika avy any ivelany satria ny tanintsika mamokatra fary tsara(ethanol) sy ny biogaz koa anie misy any amintsika e!inona ny hisalasalàna???
15. Jeankely ( 30/05/2007 09:42)
Dia ahoana raha avadika resaka tsotra kely aloha. Raha manana trosa amin'ny hafa ianao dia hiala fotsony sa haloa aloha ny trosa? Dia eo amin'ny firenena ahoana miala Banque Mondiale fotsiny sa alohan'ialaisany ny trosa teo aloha? Misy dikany io "Otrikafo" io fa tsy zava-baovao akory. Hatramin'izay ve nirehitra niaraka tamin'ny fitondrana taloha sy ny BM foana dia rehefa miotrika dia hoe tsy mila BM sa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.551