PMA: Pays les moins avancés, et Personnes les Moins Avancées

1. Jeankely ( 15/05/2007 03:25)
Miala tsiny fa tsa mahay teny Parantsay ka manazava amin'ny tenindrazana. Ny maha-PMA dia tsy misy Malagasy na iray aza manda tsy ao anatin'io fanakilasiana io. Mahatsapa izany izahay ary mitady lalana ny hialana ao. Misy dia misy ny mahazo tombotsoa amin'io ary maniry ny tsy hivoarana mihintsy mba hitohizan'ny tombotsoany samy irery. Manaja ny olona lasa andafy ny Malagasy ary mihevitra fa ireny no mety hitondra hevitra tsaratsara kokoa afaka hanatsarana ny any antoerana. Ny mampalahelo anefa dia misy ny lasa andafy tsy manantsaina afatsy ny hamerimberina io resaka PMA io ka hajain'ny vazaha ve izy ireny sa lazain'ny vazaha hoe "Personnes les Moins Avancées" avy any @ PMA.
novalian'i Jeankely ny 15/05/2007 10:05
2. Jeankely ( 15/05/2007 10:05)
Ireo Ministra sy tomponandraikitra nifandimby dia olona saika nahazo fihofanana ivelan'i Madagasikara daholo saingy hatramin'izao tokoa dia mbola vizana ny laharan'i Madagasikara nefa tsy misy manaiky milaza fa Personnes Moins Avancées Intellectuellement isiaka mianakavy ka nahatonga izao laharana izao. Mahay be sy tampotroatra daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1115