rebika taloha

1. anjac ( 14/05/2007 05:27)
Mba mangataka an'le tononkiran'i rebika "tonga ilay malalany " ze mba mahay e! vol1 na vol2 angamba no misy azy iny.
novalian'i rbkfoana ny 18/05/2007 23:00
2. anjac ( 14/05/2007 05:35)
Tsy haiko moa na tena io le titre na hoe "nofy" izy izay fa misy hoe : "tapitra teo ilay nofy saika mamy niombonantsika roa, ny tompon toerana no indro fa tamy atao ahoana moa , mangina refa voa ..!!
3. FHABI ( 14/05/2007 20:40)
DIA AHONA E E E
4. Fiffi ( 15/05/2007 06:37)
anjac: tea tsy nahita an'io akia zah an ! mba nitady hiany nefa....
5. rbkfoana ( 18/05/2007 23:00)
Tonga ny malalany

Ilay masoandro efa dify tery
Ny olona efa tapi-mandry
Injay nisy nisioka tao ala-trano tao
Tonga ilay malalany, tonga ilay malalanao

Tapitra hatreo ilay nofy saika mamy
Nihombonantsika roa
Ilay tompon-toerana no indro fa tamy
Ataoko ahoana moa, mangina rehefa voa

Raha lasa aho dia indro ny anao nanakatom-baravarana
Izaho irery sisa tao ala-trano tao nanarangarana

Isika moa na dia nifankatia
Izy ilay nametraka sonia
Dia izy ilay efa nisy hatrany aloha
Izaho efa faharoa, haitraitra ihany koa

Tsy afaky hanampatra ny fo
Ekena fa marary tokoa
Maka saray an-tsaina izay ataonareo
Mionona nony avy eo mahatsiahy ilay aninkeo

Rehefa lasa izy dia hiverina ao aho
Aleoko dia faranana
Misy fetrany ihany ny fahazakako izao
Misy fiangarana

Sady manahy aho ny ho todin'izao
Rahatrizay ka manana
Ny ahy ve tena izy ny azy kilalao
Hahazo vahana

Ilay masoandro ...

Tarika Rebika (Album Vol. III, Tanora milalao)

Mankafiza finaritra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1156