copie telo tsy mitovy

1. bonaventure ( 12/05/2007 14:57)
iza @ ireo kopia naterahana ireo no azoko hampiasaina satria raha ny tena izy dia teraka tany comore ny zanako nefa gaga aho ankehitriny fa sady manan kopia gasy tsy mitovy daty sy kopia frantsay tsy mitovy daty koa donc zany kopia telo tsy mitovy ,ka mba mangataka hevitra aho inona no tokony hataoko satria mitady hangataka io zaza io aho izay lasandreniny nitsoska any la reunnion,marihana fa lay reniny no nanao ireo copie hafa izay nafeniny ahy ok
2. agoago ( 13/05/2007 08:22)
Tany Comores ny zanakao no teraka,dia avy hatrany dia nanaovana kopia, manana kopia nahaterahana tany izy zany?.Dia ilay kopia tany Madagasikara milaza fa teraka tany koa ve ilay zaza, sao traduction n'ilay kopia tany Comores, na kopia ta@jugement suppletif sao nieritreritra ny mamany hoe tsy mbola nanana kopia ilay zaza dia nanaovany.
Raha tsy izany dia sandoka ny kopia tsy milaza marina ny daty sy toerana nahaterahana.
Raha any ampelatananao lay kopia hoe teraka taty Madagasikara dia anontanio, na ampanontanio ny havanareo aty raha tsy aty Dago ianao,any Mairie voalaza ao hoe : misy acte(sora-pahaterahana)momba io zaza teraka tao a@ io toerana io tokoa ve ta@ zao daty zao.
Azonao atao ny manontany dia mangataka Mairie fanamarinana hoe "tsy nisy io olona voalaza io mihintsy teraka ta@ zany andro zany tao a@ io Mairie io". Efa nangataka ttasy ohatra izay koa mantsy izahay, fa ny anay indray nilaina anitsiana anarana diso teo ampiterahana, fanitsiana eny tribonaly.
Raha voasoratra ao (misy acte)momba nahaterahana ilay zaza,dia eo ianareo miady samy mampiseho ny porofo marina,tribonaly no mitrancher.
3. bonaventure ( 14/05/2007 09:58)
[ misaotra nareo nanome hevitra fa efa nanadihady aho,zany hoe naka avocat aho tany dago dia manizingizina ny rafozandahiko fa teraka tao dago io zaza io,nefa na lay zaza aza dimy taona aty aoriana vao tonga tany dago,tsy hitako zay hatao ny tena aty andafy,ka hono aho raha misy io fahadisoana na fisolokiana io dia mety hohalefandry zareo aty dago ve lay zaza raha hangatahiko ok,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4479