mitadi tononkira tompoko ô

1. potakely ( 12/05/2007 13:22)
misaotra betsaka izay olona afaka mandefa ahy ny tononkira oe : inona no antenainao, mpihira : Fils d'Adeline. ry koa : :wink:efa trotrakin'ny hadin'tsaina fa tsy fantatro ny anaran'ilay mpihira.
novalian'i Fiffi ny 15/05/2007 09:56
2. Fiffi ( 13/05/2007 22:09)
efa trotrakin'ny hadin-tsaina
izay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo
menatra aho , tsy sahy mitaraina
ry Jesoa fitiavana ......io ve ?
3. potakely ( 14/05/2007 07:44)
Fiffi:

efa trotrakin'ny hadin-tsaina
izay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo
menatra aho , tsy sahy mitaraina
ry Jesoa fitiavana ......io ve ?



io tokoa ilay izi ka manana ny tohiny sy ny anaran'ilay mpihira ve ianao ? Misaotra betsaka ê !
4. Fiffi ( 14/05/2007 08:38)
........JESOA FITIAVANA........

Efa trotraky ny adin-tsaina
Vao mba nahatsiaro Anao ry Tompo
Menatra aho , tsy sahy mitaraina
Ry Jesoa Fitiavana

Kanjo tambitamby , safosafo
No nasetrinao ny ditrako
Eny , tsapako fa novidina lafo
Tamin'ny Ranao ny tenako

Jesoa Malalako ! Tafio ny herinao
Hahaizako mandresy ny fakam-panahy
He ! tsinontsinona izao tontolo izao
Fa fanimbana tena , saina sy fanahy

Ho reharehako ilay tanambokovoko
Hihamina eo anilanao anie ny foko
Fa eo anilanao tsy misy ny tolokololo
EO NO MAHATSARA AHY , JESOA

(Dr Andriamiadamahatratra Miharilaza)
5. potakely ( 15/05/2007 08:29)
Misaotra anao betsaka mihitsy aho tompoko, faly nahazo an'ilahy tononkira notadiavikon.
6. Fiffi ( 15/05/2007 09:56)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0401