O ry zareo a... ampitomboy ny tononkira

1. hery ( 12/05/2007 10:44)
Amin'izao dia misy tononkira 3580 eo ho eo ao amin'ny http://tononkira.serasera.org, manjary loharanon-tononkira mihitsy ao amin'izao... ka ny ankamaroan'ny ankizy manontany eto dia mahita hoe hay efa ao ihany ny tononkirany.

Fa izao ry zareo a. Rehefa mahita tononkira any amin'ny ankizy ianareo dia mba ampidiro ao mba ho mora ho an'ny hafa koa ny hahazo azy. Mba samy mandika kely ao e.

Azo atao koa amin'izao ny manaraka hira ao amin'ny RAdiovazogasy an. Mampiasa an'ilay fihainoana mivantana iny... ilay ery ambony ankavia misy hoe Ou directement ici. Misy pause io dia tahaka ireny manaraka hira amin'ny k7 taloha ireny.

Mazotoa hatrany e.
Hery
novalian'i Fiffi ny 29/05/2007 19:24
2. lemenakely ( 12/05/2007 11:38)
ok fa voaray ny hafatra e!
3. xxx ( 12/05/2007 21:43)
refa le tsy misy atao iny de hiezaka handika hira zany :D
4. Fiffi ( 13/05/2007 15:57)
hihezaka hampiditra koh.....mbola hadika ao am word pad aloha fa manana bdb......
5. Bita ( 15/05/2007 18:27)
Misaotra anao manetsiketsika ka hiara hiezaka ary isika hampiditra hira rehefa misy yny hira vaovao sy mety mahasoa ny rehetra e!:-*
6. Fiffi ( 16/05/2007 18:44)
hery aaahh ! heu....tena saika ampiditra tononkira mintss zah io saingy......misy an'le fenêtre misokatra hoe misafy ato am le mpihira....nefa tsy misy an'le mpihira ao de ahoana no ataoko ???

Ohatra ireto ny tononkira hananako an ! saika hampidiriko ao....

-Dada ô ry dada! (Ako Farany)
- OBEY (Ako Farany)
- Hiara-hiakatra (Ako Farany)
-Neny ô! (Ako Farany
7. fijo ( 16/05/2007 21:18)
misaotra e
8. Fiffi ( 17/05/2007 07:46)
fijo: ke le izy hoa tsy afaka ampidirina satria tsy ao anatin'le lisitra io anaran'mpihira io....
9. Bita ( 29/05/2007 16:33)
Ka ianao ihany koa no mampiditra ny anaran'ny mpihira e! mazotoa ary.
10. Fiffi ( 29/05/2007 19:24)
Bita: efa tafiditra soamantsara ireo hira ireo kah ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0465