Fiovana sy fandrosoana midika fangirifiriana @ voalohany

1. Jeankely ( 11/05/2007 10:38)
Raha ny zavatra fanao mahazatra no tohizana dia tsy misy fandrosoana izany. Ianareo rehetra aty andafy dia samy mahita ny resaka Taxi fotsiny ohatra. Raha asaina manarapenitra ve ny Taxi any Madagasikara dia avaty andafy ianareo no hilaza hoe aleo ihany hiasa ny 2CV draoka be fa lasa tsy anasa ny sasany? Raha ajanona tsy hivoaka ny ombintsarety dia avaty andafy no hilaza hoe aleo andehandeha eran'Analakely ny ombintsarety fa fahafahana sy fiainana malalaka izao? Izay fanatsarana atao mba hampivoatra dia ianareo mahita ny fivoarana indray no hilaza hoe aleo ny revin-drazana ihany no atao ao Madagasikara. Mangirifiry ary maharary ny mivadika amin'ny fomba fanao teo aloha fa rehefa hoe handroso dia mandroso ary hilaozana ny teo aloha izay tsy manara-penitra. Na lazaina mazava fotsiny hoe aleo samy andeha amin'izao tsy asiana fanovana fa izao no ahitanay tombontsoa. Rehefa zatra ny zavatra tsara sy manarapenitra dia mandeha ho azy io aty aoriana. Tsy nahita izany fanovana izany tokoa moa ny sasany fa avy dia firenena efa mandrosobe no hitany sy hiainany ka tsy fantany ny lalana nolavan'ireo firenena ireo alohan'izao misy azy izao. Mba mandiniha fa aza dia manao fihevitry ny mpijapy train.
novalian'i Jeankely ny 14/05/2007 09:27
2. kally ( 11/05/2007 12:10)
Tsy any loatra ny olana amiko ry Jeankely amin'io resaka taxi io fa ity efa nolazaiko tatsy ambadika ity:
Ny 2cv sy ny 4L tsy ho hita intsony leoko ihany fa ny ampihimamba tsy misy mpifaninana no ahiako.Dia avy eo hihitatra amin'ny resaka fitaterana rehetra.
Satria izay nanafatra an'io taxi môrisianina io ihany no afaka miasa dia ataony amin'izay sarany itiavany azy dia avy eo hitariny amin'ny fitaterana rehetra :evil: dia eo vao mifampijery fotsiny ny vahoaka hoe fa ahoana? Manahy ihany aho ho'a:cry:
3. pimaso ( 11/05/2007 14:04)
i angleterre ohatra : taiza moa ireo volamena marobe ny reine elysabeth ireo : tsy taty afrika ?
ahoana moa no hilazanao fa rehefa mamoaka devise hanaovana importation voiture ianao dia mampandroso,
liberaliser-o ny famokarana menaka sy vary sy ronono sy tranom-barotra, dia aza bloquerna ny entan'olona any @ port mandrampaha ecoulé ny produitnareo,
dia sur le même pied d'égalité ny fampandrosoana
fa tsy hoe au pouvoir aho dia izay tiako ihany io,
Tsy ampahafirin'ny efa nentin'ny vahoaka t@ deba izany fangirifiriana izany fa raha natao hanirina toa vao mainka mampivandravandra,
il va finir seul;
ary rehefa mpanohana fitondrana nareo dia mba sokafy ihany ny maso @ izay harapaka fa sao efa diky no atelina vao ho kenda,
Vita kabary!
4. Lalah ( 11/05/2007 14:34)
Ny resaka fitaterana aloha ry Kally dia tsy maintsy izay no handehanan io, ampidirina ny morisianina ary ampidininy ambany noho ny privee ny saram-pandehana, @ zay fotoana zay tsy maintsy ho faty miandana eny ny privee, avy eo anaovan ny retour ampiakarina indray.
Ny hoe liberaliser ny resaka arabarotra ry pimaso dia tsy hisy io, vao maika aza henjehany sy hidiny raha resaka famokarana surtout hoe mitady hi-compete ny azy. Mitovy hevitra tanteraka amin ise aho saingy tsy mino aho hoe hisy izany.
Eritrereto hoe efa hidiran ny Magro koa zao ny resaka atelier hazo, efa nizara latabatra sy dabilio an ny EPP izy t@ fidiran ny mpianatra, mba mahagaga ihany hoe f angaha dia tsy misy atelier hafa azon ny fanjakana karaman hanao an izany fa toa miala ao amin ny magro daholo ty asa rehetra ty, nefa dia volam-panjakana zao ihany no miala. Zany hoe atsy ho atsy dia ho faty koa ny mpan-drafitra . Ny ronono sy ny vary, vanille moa dia efa vitainy daholo na tantsaha na mpanangona, norohaina ny vahiny mpividy vanille, rehefa tsy nahazo niditra intsony dia novidiny 30000 ny kilao au lieu de 300000 Ar hatramin zay. Ny auto dia io indray izy vao managana azy io. Ny mampalahelo dia na miasa mafy hoatran ny ahoana aza ny gasy, dia mahazo tsiny foana fa miandry mana milatsaka avy any andanitra e! kamo ny gasy e! fa angaha miandry harena avy Ravalo ny gasy e! Nefa ny condition hiainany dia tery dia tery.
5. kally ( 11/05/2007 15:05)
Lalah:

Ny resaka fitaterana aloha ry Kally dia tsy maintsy izay no handehanan io, ampidirina ny morisianina ary ampidininy ambany noho ny privee ny saram-pandehana, @ zay fotoana zay tsy maintsy ho faty miandana eny ny privee, avy eo anaovan ny retour ampiakarina indray.




Iza no nilaza fa hataony ambany noho ny amin'izao io ry Lalah? Ny tiany miala fotsiny ny mpifaninana rehetra satria tsy mahatakatra ny taxi vaovao, dia am-pihimamba ny tsena. Ekeko ny fisian'ny fifaninana eo amin'ny tsena rehetra ka ny vidiny mirary no anilihana ny mpifaninana fa ity tonga dia hoe mikisaha daholo ry 4l sy 2cv.Démocratie ve izany? Misy fahalalahana ve izany?
6. mandrak ( 11/05/2007 16:45)
Jeankely:

Raha asaina manarapenitra ve ny Taxi any Madagasikara dia avaty andafy ianareo no hilaza hoe aleo ihany hiasa ny 2CV draoka be fa lasa tsy anasa ny sasany?



Zao no teneniko any tsamy "ny mahasoa lony izay vô ny mafinaritra"
Mba ahy ny la mou ny fetrahikan' io @ vahôka
1-mitombony ny tsy anasa donc mihena ny pouvoir d' achat
2-tsy misy ividy tsony reny, de atao aiza ary? (sa manina ko rah manangana "casse auto" @ zay [IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Content/0059.gif[/IMG] )

NB:zao fotsny, fa na renault SCENIC aza no ampanaoviny la taxi ao An/vo an, afaka 5 ans de fa tsy maintsy otrany TAY satry ratsy ny lalana (manina rah ny control thechnik no atao enjana defa sany vita)
7. fijo ( 11/05/2007 21:30)
za aloha manaiky hoe ny fiovan amitaky fihafiana.saingy rehefa manao fanovan akoa,dia mila fepetra ampiarahan amin'iny mba tsy hamonoana ny hafa.ohatra hoe tsy azo ampiasaina intsony ny cv sy 4L;de ampiarahana amin'izay,izay efa nanao taxi dia omena fanamaivanana amin'ny fividianana fiara hafa.na impot io na amin'ny zanabola na zavatra hafa.fa tsy hoe tsy azo ampiasaina io de eo nareo.izay tsy ekeko
8. Jeankely ( 12/05/2007 03:41)
Tena marina ve izany hoe "Tsy azo ampiasaina io dia eo ianareo"? Rehefa mandeha taxi ianao ao any amin'ny Tanana dia betsaka ny manisy daba ary taritina mivantana eo anilan'ny "Chauffeur" ny lasantsy. Na ho lasa tsy an'asa aza izy tsy misy azafady ny hoe fifaninanana. Tsy ao Madagasikara ihany no misy izany banky rovitra "Bankrupt" izany. Jereo tsara fa rehefa tonga ny Mpanjanantany nilaza ny Mpanjaka tamin'ireo toerana voazanaka ireo hoe avotsory ny andevonareo fa olombelona ireo tsarovy fa nangirifiry tamin-dreo izany. Zanaky ny olona avy andevony miara-mianatra amin'ny zanany ary mahay noho ny zanany nefa teo aloha nokilasiany sahala ny omby ampiasana. Marary io satria miova tampoka. Ny "Gateau" fonosana Gazety raha tonga koa hoe tsy tokony atao izany fa mankarary ny "Encre" ary na mifitra aza tsy mety dia hoy ianao avaty andafy hoe aleo andeha amin'izany fa izay no takany e. Ny rehetra manahirana ary mampijaly rehefa hovana saingy rehefa vonona hoe handroso dia mandroso fa tsy ny aty andafy indray no mitarika hanao dia miverina.
9. kally ( 12/05/2007 10:01)
Izao anie no tsy mety amin'ilay izy ry ra-Jean kely e! tianao hitovy fenitra amin'ny any andafy ilay izy nefa miainga amin'ny zavatra tsy mitovy. Aleo fepetra mitovy no raisina raha te-hampitovy.
Mahafinaritra ny fivoarana fa aoka tsy hamonoana vahoaka satria be dia be ny olona ho fatin'io fa tsy ny mpitondra 4L sy 2cv ihany.
Any an-dafy anie raha tsy misy asa ny olona iray eo ny fanjakana hanome vola azy nakely aza (marina fa tsy dia tiako koe ny assistanat).
Raha esorinao ny asa kelin'ireo taxi ireo hangalatra sy hamono olona izany no tianao hiafaràny? Tsy hisy fandriam-pahalemana intsony amin'izay, hiroborobo ny hala botry ka ny kibo tsy maintsy mihinana.
Rehefa tsy manam-bola ny mpitondra taxi dia tadidio fa mihena iray ny kil n'ny mpivarotra saribao sy ny mpivaro-kena sns, dikany :tsy mpitondra taxi irery no nampahantraina izany fa fianakaviana maromaro.:twisted:
Ka saintsaino aloha ny vokany vao manao sesi-boletra e!
10. Jeankely ( 13/05/2007 02:54)
Izaho aloha tsy mitovy fijery amin'izay voalazanao izay. Rehefa hoe "Liberalisation, privatisation" sns dia resaka "Concurrence" ka tsy izaho no hanohana ny ataon'ny mpitondra akory fa milaza fotsiny hoe hiverina ve sa androso. Isiaka rehetra dia samy nampiasa "Machine a ecrire" (miala tsiny fa tsy misy accent ny ordi-ko) taloha ary amin'izao mampiasa ordi. Mazava ho azy fa mipetraka ny "machine a ecrire"-nao satria hilaozan'ny toetr'andro na novidianao lafobe aza. Ny tsara aminy alefa any ambanivohitra daholo. na ny "Boeing" aza misy fiovana sy fanatsarana ary ireo efa lany andro mianjera atsy, midoboka aroa. Ka ny safidy hoe handroso zavatra mangirifiry fa tsy mora eny fa na misy aza ny manararaotra sy mampidi-bolabe amin'ny hoe "Pays de mora mora".
11. kally ( 13/05/2007 02:58)
Ekeko ny fisian'ny fifaninana ra-Jean Kely fa ny fifaninana "madio" manala "ho azy" ny marefo no ekeko fa ity anie ka amboletra fotsiny e!

Samia misaintsaina.
12. Jeankely ( 13/05/2007 04:14)
Raha ny momba ilay hoe amboletra aloha tsy natao hiaro izany aho. Ny fantatro fotsiny dia tsy vonona amin'izany fandrosoana izany ny "Secteur Prive" Malagasy sasany satria zatra ny miasa sy manjaka irery. Raha mijery ny ataon'ny "Bus" na Taxi-be ianao dia izay tiany no ataony fa tsy ny zahavin'ny "Mpanjifa". Rehefa tia ho tonga izy dia tonga fa azy ho izy ny fiarany ary rehefa tia hijanona izy na @ 7 ora hariva aza dia mijanona. Sahala izay ny Mpivarotra, maro ny tsy mandraharaha izay zahavin'ny mpividy izany fa ny mpividy no manaraka izay zava-misy. Koa ny fijerin'ny Mpividy kosa dia mitady izay ahakelikely ny vola mivoaka aminy izy. Raha misy ny "Bus" mora makany izy na ho faty aza ny "Taxi-ben'ny dadatoany.
13. bozyboleta ( 14/05/2007 07:30)
Io tsy fitsinjovana ny ho avy maharitra fa mionona @ fitiavan-kely io no tena mahavoa. Ary io no tsy hahazakan'ny maro le fifaninana satria tsy vonona mitsy ny hanao ezaka sy hisedra olana. Raha mionona fotsiny @ ze anao eo de tsy hiezaka mitsy ary tsy handroso mitsy, fa ny eo ampelatanana aza miharatsy sy mihasimba ary lany andro eo.
Raha transport ohatra de betsaka ny transporteur no mihinana fotsiny ze vola miditra isan'andro fa tsy mba misy ezaka mitsy hanao epargne hanovana na hampitomboina parc na farafaharatsiny hikojakojana ze efa misy eo. Avy eo simba le fiara tokana na koa tratran'izao hoe tsy azo ampiasaina intsony de iza no omena tsiny.
Maro @ reo bus miasa eto Tanà no tena efa ratsy nefa de alefa ihany na im-polo kely aza maty an-dalana satria ny tompony malaina hividy piesy fa manjary banga indray le 70.000 AR isanandro @ versement ze efa nanaovana calcul handehanana vacances...
Mbola mila professionalisme betsaka ny secteur maro eto fa izany anefa de miankina betsaka amin'ny fahavononan'ny tsirairay.
14. Jeankely ( 14/05/2007 09:27)
Izay indrindra "bozyboleta". Io dia tena misy mihintsy ny tia hitoizan'ny tsy fandrosoana. Io resaka "Friperie" io ohatra, taratry ny fahantrana io fa tsy misy tia ireny ny olona raha mahita ny mora. Hita mazava izany rehefa niditra ny entana Sinoa na mora simba aza vaovao. Misy kosa anefa dia mihevitra fa aleo hirevy "Fripe" ihany ny olona fa io no mampandeha ny fidirambolanay ary tokony tsy ampidirina ny Sinoa. Io rehefa miditra ny zavatra mora tsy maintsy potika rehefa manao godraka ka na handroso na hiemotra. Saingy efa ny handroso ny safidy. Mba manandrama mampiditra fatina Fiara amin'ireo tany efa lasa lavitra ireo fa hoe io no takatro ary io no entiko miasa ahalalana izany raha mety. Izay fanapahan-kevitra rehetra dia azo hiadivan-kevitra daholo fa tsy maintsy mijaly vao mandroso. Be ny Malagasy manampahaizana fa samy diso daholo isiaka mianakavy fa samy tsy nisy nanao "INNOVATION" izany fa manaraka izay revy mitranga fotsiny. Miala tsiny indrindra amin'izay voakasika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2269