Tafita(success) sa rendrika(failure).Ny tokony atao mba ....

1. niryna ( 07/05/2007 06:18)
The secret of success: Alohan'ny zavatra rehetra, ny fahavononana no fanalahidin'ny fahatafitana.
Misy maro ny olona raha jerena ka tafita ary nisy ezaka tao na nanana tanjona tratrarina izy ka nahatonga azy nifikitra amin'izay zavatra noheverina fa hisy vokany.Inona avy ary ny zavatra mety nataonao na mbola ataonao mba ahatanteraka izany ezaka ka ahatonga anao ho tafita?

Cause of failure:Raha misy ny nambinina ka tafita tamin'ny ezaka nataony,mitovy toy izany koa ireo izay rendrika? Inona kosa no mery mahatonga ny olona rendrika na tsy namokatra ny zavatra nataony?
novalian'i xxx ny 20/05/2007 20:41
2. fiderana ( 07/05/2007 16:28)
fahaizana mitantana niryna no mahatonga ny olona rehetra na iray ho tojo ny sehatra sy tanjona iriny, tsy voatery hoe mianatra vao mahay fa efa misy olona mahay hoazy toy ny fahaizana mozika mana-ranaka io, misy koa ny tsy mahay raha tsy hampianarina na mianatra mihitsy.

@ ilay faha-roa: dia tsotra tsy mahay mitantana, be sitram-po ratsy loatra, na mandanilany foana tsy manana fandaharam-potoana sy tanjona matotra fa izay tonga lany @ sitram-po jiaby.

homeko ny namana hafa ny sehatra fa mety misy fanampiny ahy.:8)
3. niryna ( 08/05/2007 14:47)
fiderana:

fahaizana mitantana niryna no mahatonga ny olona rehetra na iray ho tojo ny sehatra sy tanjona iriny, tsy voatery hoe mianatra vao mahay fa efa misy olona mahay hoazy toy ny fahaizana mozika mana-ranaka io, misy koa ny tsy mahay raha tsy hampianarina na mianatra mihitsy.

@ ilay faha-roa: dia tsotra tsy mahay mitantana, be sitram-po ratsy loatra, na mandanilany foana tsy manana fandaharam-potoana sy tanjona matotra fa izay tonga lany @ sitram-po jiaby.

homeko ny namana hafa ny sehatra fa mety misy fanampiny ahy.:8)



ie izay indrindra ilay izy8O
4. linarako2 ( 10/05/2007 14:37)
Ny fiainana ve tsy na tafita na rendrika e.Lakalaka io ka samy manana ny tandrifiny avy
5. niryna ( 20/05/2007 20:20)
Samy manana ny filazany ny hoe tafita na rendrika ny olona.Ary misy karazany maro no azo hanazavana ireo.
Raha resaka hoe fahatafitana izany dia misy resaka:
1-Vola na zavatra ao,ary ny tsirairay dia samy mitady ny atao hoe fahasambatra.Matetika anefa ny olona dia mijery ny haren'ny hafa ary mety hiteny hoe raha izaho no manana tahaka an'io dia hitako ny am-piasaiko ny volako.Raha izaho.... dia ...Raha izaho no mpanankarena,raha izaho no mba mananjanaka,raha...no mba nanambady....sns...Mitady ny tsy hita.Tsy dia sarotra no mijery ny manodidina izay manana ka mahatonga ny tena ny toa azy ireny.Kanefa ve dia tena manana fahasambarana ireny olona ireny?
2-Ny fahaizana mianatra zavatra hafa sy ny fandratoana fianarana dia anisany iray mahatonga ny olona ho tafita ary mitia ny asa izay ataony.
3-Misy koa anefa miresaka fa ny fananana namana miaraka mihary amin'ny fiainana no zavatra iray mahasambatra sy mahafaly ny olona ary miaraka tafita izy roa noho ilay ezaka iarahany manao.:D
4- Ao koa ny fahaizana mampitombo ny harena ka miaraka amin'ny namana izay azo antoka,ny sinoa sy ny karana no betsaka manao an'io.Ny gasy,sarotra ihany fa misy tena ratsy saina na havana izao aza,asanao anefa fa ianao no mahafantatra izay olona azonao antoka.
5-Namana fahiny na namana tianao sy azonao antoka:aty ivelany io dia tena mandaitra hafa tsy ny hoe ny havan-tiana tsy hiaraha-monina.Raha mbola vao mivelona dia afaka miray trano mifanampy eo mandra-pahatonga ny hafa ho tafita.Ny sinoa ihany koa no azoko atao ohatra sy ireo firenena hafa maromaro.Manangona vola ry zareo ary dia mikambana miaraka mividy trano.:P:P
6. xxx ( 20/05/2007 20:26)
"niryna":
ka miaraka amin'ny namana izay azo antoka,ny sinoa sy ny karana no betsaka manao an'io.Ny gasy,sarotra ihany fa misy tena ratsy saina na havana izao aza
eissssyyyyyyy e!ny gasy mitovy @ nao hiany haratsiana tahak'izao ka dia mandehana misolelaka @ ireo karana sy sinoa izay tsy haratsianao e!ratsy saina hoe ny gasy?kay moa ty ianao efa amérikana?
7. niryna ( 20/05/2007 20:35)
Misy fitenenana hoe "I don't know the formula of success but I know the formula of failure: just please everybody."
Ny tiany ho tenenina dia hoe tsy fantany ny fomba atao amin'ny mahatafita fa hainy kosa ny atao mba aharendrika dia ny manaiky ho tatahan'ny olona.Io amiko aloha dia azoko azavaina kely.Raha manana ianao dia tsy maninona no manome ny havana mahantra sy manampy izay ankizy mbola te-hianatra.Ny olana any amintsika kosa dia manana toetra ny hoe hano fa-adala tompo.Ka io farany io angamba no tena azo adika hoe please everybody:roll:.
Rendrika koa dia azo fehezina amin'ny tsy fahaizanao mandajalanja ny fiainana.Manao ny tondrak'anio- mananjara,na hoe aleo kepohina izay azo.Misy moa ny tadiavina androany ihany,hafa indray izay.Mila fifehezana izany ny fiainana raha tsy izany dia ho rendrika,mila mitsinjo ny ho avy izany raha misy ny azo atao,ny fifaninanana amin'ny hafa dia hiteraka tsy fifaliana ao amin'ny tena ka tokony hiezahana izany.
Izany koa no mahatonga ny fitenenana hoe ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy.Samia mifalia amin'izay fahasoavana nomen'ny Tompo.Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa,izany hoe miezaka ny mitia ny tenanao ianao fa tsy mitia ny ataon'ny olona.
Ho an'ny tanora a.Sarotra ny ezaka amin'izao fotoana izao ary hiaraha mahalala daholo izany,raha mbola azo atao ny mianatra dia tohizo hatramin'ny farany.Mianara zavatra hafa,aza mandany andro amin'ny tsy misy dikany,henoy ny hanatry ny rar eny fa toa tsy misy dikany ireny,kanefa dia hitanao ny vokany na tsara na ratsy ataonao.Tsy ho ela dia mivaly daholo ny rano natsakaina.Na feno ny sinibeanao ,na tapany fa mikobana,na kely tsy mahatratra ny vodiandro-merika.
Safidinao io,ianao irery ihany no miatrika ny hoavinao.
(l)niryna
8. xxx ( 20/05/2007 20:41)
"niryna":
Rendrika koa dia azo fehezina amin'ny tsy fahaizanao mandajalanja ny fiainana
ny anao aloha fehezina tsara!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9548