Efa vonona amin'ny resaka fifaninanana ve isiaka

1. Jeankely ( 03/05/2007 07:09)
Amin'izao fotoana ampiroboroboana ny fandraisan'ny sehatra tsy miankina izay anjakan'ny fifaninanana izao dia mbola betsaka na ny marina kokoa mbola matahotra izany ny maro ary miandry ny fanjakana. Mitanisa ny fahantrana ilay namana "Billionaire in Dollar" atao hoe "Bazylou" ary io fanjakana io foana no resahiny. Mazava ho azy fa raha sehatra tsy miankina izany dia izay fantatrao ahavita ny asa ary ampandroso ny zavatra ataonao no zahavinao ka na mpiasa avy any ivelany na avy eo antoerana dia izay afaka hanampy anao tsy ho resin'ny mpifaninana no zahavina. Koa hiverina amin'ny fanomezana laka ny fanjakana ve no zahavin-tsika sa ahoana? Ary ny mpitondra an'i Madagasikara heritreretin'ireo mpanohitra fa mahay ve afaka miala ny rivotr'ity "Globalization" ity? Rehefa entimpo fotsiny manko dia mora ny miteny ny tsy fetezana sy fahantrana ka tsara ny misaina alohan'ny hanarahina izay hevitra miseho izay tsy hita hoe hitarika mankaiza mazava.
novalian'i Jeankely ny 04/05/2007 02:11
2. bazylou ( 03/05/2007 11:45)
o rajeankely be a!! aza avadika ny resaka fa izany globalization resahinao izany dia tsy zakan'ny gasy sy ny prezdany!! jereo na ny eo an tanana aza enjehina daholo ireo manoka-bava contren'ilay 8!!
Roland ratsiraka , dia vy eo i lahiniriko dia avy eo i heryzo,delestazy mamely, "" rehefa tapaka angaha ny courant miodona ny orinasa ry jeankely sa ....izany ve no hifaninananareo e!! tsy possible"".. dia izany ve no andaniana andro e!!! izay no lazaiko hoe...
3. Jeankely ( 03/05/2007 13:48)
Voafandrika ilay Bazylou. Fa angaha moa tsy ianao no nilaza fa vazaha no manjaka ao sa vazaha koa io olona lazainao tsy mahay noho ianao io. Endriky ny Globalization ny fanaramana Vazaha satria izay mahay no zahavina ary reha tsy mahay soloina. Mba manana specialisation inona ianao any andafy any sa dia faly mitsongolika gasy fotsiny. Samy hafa ny "Starting Point" noho izany manenjika avy aoriana satria izay vita potehina ary miverina zero foana no tian'i Bazylou.
4. paris10 ( 03/05/2007 14:30)
tsy mahagaga zany fa mahantra fisainana ry bazylou sy ny tariny,ireny no mpamadika tanindrazana raha zohina ny fomba-firesany,inona moa ny idiran'ny delestage @ ra8?fantatrareo moa ohatrinona ny jiro sy rano tsy voalohan'ny fanjakana t@ andron-dratsiraka?miha-betsaka ny isan'ny Malagasy, mitombo andro aman'alina ny zaza teraka,tsy maitsy mitombo koa ny filàna, aiza no ahazoana vola hamelomana ireo zaza ireo?miezaka ny fanjakana @ izany,jiro sy rano no essentiels ,dia raha manao zay mety hisoroana izany dia ratsy @ bazylou, miverena mianatra fa misy tsy ampy ao ry baz a!
5. bazylou ( 03/05/2007 18:07)
hay ve ny anareo izany ny atao hoe globalization dia ny manarama vazaha e!! hafa tokoa izany raisonnement mpanabe mpanompo izany an!!
Ary maninoa ary no tsy kozinao le8 hanolo ireo gasy rehera ireo ho vazaha satria tsy misy mahay ao!!
FA nilay kosa aloha ilay vazaha nitondra jirama an!! ary tena nikoizanatokoa satria nampiady an-trano ny gasy!! indrisy ry jeankely be..:-P:-P:-P
6. bazylou ( 03/05/2007 18:12)
tsy misy hafa tsy izany ve no excusenao ry paris10!!!?? Maninona notsy miatrika ny andraikiny ny fanjakana fa faly miteny hoe tsy izaho io fa le bandy iry dia izy no tokony hanao azy!!
MANINONA NO TSY NOSAMBORINA I DEBA RAHA IZY NO COUPABLE????
NY olona hampandroso dia tsy hijery izany akory fa ny hamaly ny olana no vitany!!
Ianoa ilay miteny hoe miezaka ny fanjakana, !! miezaka amin'ny fampitombona ny fahantrana sy ny haizina ao MAda!!:-P:-P:wink::wink:
7. Jeankely ( 04/05/2007 02:11)
Fa inona no dikan'ny Globalization? Amin-dry Bazylou Mpams izany midika ho "Barrier" indray io. Efa hitan'ny mpokona ny tsy fahaizan'ialahy. Angaha ry Mpams ny hevitro na ny hevitry ny Mpams no arahana fa ady ara-toekarena izao nefa ny anao ny anapotika tanteraka no ataonao. Angaha ny Malagasy rehetra afaka hivarotra amin'ny vazaha sahala ny efa fantatra rehetra ireo. Satria ny makorely manambola izany dia haneso ny olona tsy mivarotra ary milaza hoe andao hivarotra daholo fa io no vola haingana. Izaho aloha dia tsy hitarika ny Malagasy amin'izany fa miasa, mianatra, manitatra na kely aza ary tsy mifanakivy sy mamotika izay mijoro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0491