Kalon'ny fahiny
1. anouilh
(
02/05/2007 14:19)
Manao ahoana daholo ô!!!
Za zany dia mitady tononkira kalon'ny fahiny.:D
Ireto avy zany ny tadiaviko:
- Tonga vahiny
- Andeha isika hanasa lamba
- Misava ihany
- Handao ity tanana mahazatra
Misaotra dieny mialoha!!
Za zany dia mitady tononkira kalon'ny fahiny.:D
Ireto avy zany ny tadiaviko:
- Tonga vahiny
- Andeha isika hanasa lamba
- Misava ihany
- Handao ity tanana mahazatra
Misaotra dieny mialoha!!
novalian'i rina63 ny 03/05/2007 10:57
2. booboo
(
02/05/2007 14:22)
Mba asio tonony kely zay hainao hoe fa zà tsy dia mahay lohatitre lôtra raha sendra misy ato amiko ato.
3. Fiffi
(
02/05/2007 15:01)
- Andeha isika hanasa lamba
- - Handao ity tanana mahazatra
Andeha isika hanasa lamba eh ! lamba aahh !
ery amoron'ny tsy misy mamba ehh lamba
tsy foiko haloto ity lamba ity eh ! lamba !
satria fanomezan'olon-tiana eh ! lamba
oooo !!! lamba ehhh ! lamba !
lamba ehhh ! lamba aaa !
lamba nomen'olon-tiana , mamiko ka tiako tafiana
lamba tsy mana-tsahala , natolotrin'olo-malala ooooo
io ve ?
Misava ihany
Misava hiany izao ilay raho-mitataho....
Ny aizaina nisava ! fa tonga ny mazava
ny diavolam-pararano , madio manganohano....
Handao ity tanana mahazatra
lahy eh ! lahy eh !
veloma r'ilay andro any ;....io ve ?
4. rina63
(
03/05/2007 10:57)
Ireto ilay hira dia mazotoa mihira e! ataovy mafy tsara an!
HANDAO
Handao ‘ty tanà-mahazatra
Hanjeny toa olo-mahantra
Lahy e ! lahy e !
Veloma r’ilay Anjoany
Tsarovana lava hatrany
Lahy e! lahy e!
Veloma veloma
Veloma eny veloma
Voizo malaky ny botry
Hijanona tsy hisy tsotry
Lahy e ! lahy e !
Hanjeny toa naman’ny very
Hisento tsy hisy mpijery
Lahy e ! lahy e !
Naka RABEMANANTSOA
AIZA ISIKA HO HANASA LAMBA
Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
Ity lambako ity anie
Lamba saro-pady zareo
Ka tsy asoka tambiazina lahy ô
- Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
- Lamba tena tsy foiko ô
- Mifidy rano hisokana
Ny eny Mandroseza rano fisotro ny any
Ka tsy azo lotoina
Ny eny Tsimbazaza zaridaina vita lamaody
Ka tsy hanasana intsony zareo
Aiza ô….
Ny eny Anosy farihy manan-dalàna ny any
Ka tsy azo dikaina ô
Ny eny Mahazoarivo be ravin-tatamo zareo
Ka andrao mahamangan-damba zareo
Aiza ô….
Ny any Itasy lavitra loatra ny any
Sady be mamba ô
Ny any Alaotra farihy saro-pady zareo
Ka zahatra no mampita zareo
Aiza ô….
Ndeha re mba hody sao tratry ny alina
Ka hanjary nenina
Izay aleha rehetra tany be fahavalo zareo
Ka aoka ho tapa-kevitra lahy ô
Aiza ô….
RASAMY Gasy
HANDAO
Handao ‘ty tanà-mahazatra
Hanjeny toa olo-mahantra
Lahy e ! lahy e !
Veloma r’ilay Anjoany
Tsarovana lava hatrany
Lahy e! lahy e!
Veloma veloma
Veloma eny veloma
Voizo malaky ny botry
Hijanona tsy hisy tsotry
Lahy e ! lahy e !
Hanjeny toa naman’ny very
Hisento tsy hisy mpijery
Lahy e ! lahy e !
Naka RABEMANANTSOA
AIZA ISIKA HO HANASA LAMBA
Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
Ity lambako ity anie
Lamba saro-pady zareo
Ka tsy asoka tambiazina lahy ô
- Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
- Lamba tena tsy foiko ô
- Mifidy rano hisokana
Ny eny Mandroseza rano fisotro ny any
Ka tsy azo lotoina
Ny eny Tsimbazaza zaridaina vita lamaody
Ka tsy hanasana intsony zareo
Aiza ô….
Ny eny Anosy farihy manan-dalàna ny any
Ka tsy azo dikaina ô
Ny eny Mahazoarivo be ravin-tatamo zareo
Ka andrao mahamangan-damba zareo
Aiza ô….
Ny any Itasy lavitra loatra ny any
Sady be mamba ô
Ny any Alaotra farihy saro-pady zareo
Ka zahatra no mampita zareo
Aiza ô….
Ndeha re mba hody sao tratry ny alina
Ka hanjary nenina
Izay aleha rehetra tany be fahavalo zareo
Ka aoka ho tapa-kevitra lahy ô
Aiza ô….
RASAMY Gasy
