Fahatokiana(confidence).Secrets fito tsara amin'izany.

1. niryna ( 01/05/2007 06:01)
Mety maro ny zavatra nianjady tamin'ny olona na ny fahazazany izany na ny fahatanorany ka mety mahatonga azy tsy nanana fahatokiana (lack of confidence) na mihevitra ny tenany ho latsa-danja(worthless) eo amin'ny mpiara-monina sy ny havany manodidina azy.Ny fahafantarana sy ny fanantonana an'i Tompo anefa dia anisany zavatra iray hampianatra ahy sy anao ny tokony ho atao mba ahaomby ny fiainana.Inona avy ary izany secrets 7 izay fahatokian-tena mety hanampy ahy sy anao eo amin'ny fiainana izany?
Resaka fiainana andavan'andro ity a fa tsy fivavahana.
Alefaso indray ary ny dinika fa omeko antsika izay tsy feno.
(l)niryna.

Secret #1: dia ireo olona izay mahatoky fa ......
2. boubounezy ( 01/05/2007 08:04)
dé inn zany lé secret7 io fa mba tiko ho fantatra é?
3. niryna ( 01/05/2007 11:49)
boubounezy:

dé inn zany lé secret7 io fa mba tiko ho fantatra é?


Inona no ataonao mba hanananao confidence amin'ny fiainana rehefa manao zavatra ampitokiana tanteraka? Omeko ihany amin'ny farany fa aleo aloha ny namana hilaza ny secrets-ny dia atao mifanampy eo amin'ny farany ,izany a:D
4. jentilisa ( 01/05/2007 14:23)
Ary tokony ho tany amin'ny lalao sy hatsikana izany no nanaovana azy raha izany k'ty!
5. niryna ( 01/05/2007 16:11)
jentilisa:

Ary tokony ho tany amin'ny lalao sy hatsikana izany no nanaovana azy raha izany k'ty!

Fa ahoana? ny vatana sy saina ary fanahy miaraka mahazo tombotsoa ato daholo kou!

6. kelly13 ( 01/05/2007 16:51)
confiance sa confidence?
7. niryna ( 02/05/2007 05:54)
kelly13:

confiance sa confidence?

Misaotra kelly a .Confience no izy.

8. niryna ( 02/05/2007 06:26)
Misy varikely latsaka eo ambany latabatra fa azafady.Confident.confidence no tiako ho tenenina

Secret # 1: Izay olona mahafantatra fa misy mitia izy ( a confident person knows that he/she is loved).Ny voalohany sy tena sarobidy amin'ny olona manana fahatokian-tena dia izay mahafantara fa tian'Atra izy.Na dia mpanota aza isika dia tiany foana ka nomeny ho antsika ny zanany hisolo ny otan-tsika.Raha misy olona izany mieritreritra hoe tsy tia azy ny rainy na nilaozan-drainy izy dia Atra afaka hisolo azy
Satria na inona na inona ditran-tsika dia tiany foana isika(uncondition love)
Arakaraky ny halalantsika fa tia antsika izy no mahatonga antsika ho tia ny tenantsika sy ny olona manodidina antsika.

Secret # 2:Izay olona manalavitra ny tahotra.Io no manosika antsika tsy ahavita na inona na inona.Matahotra ny ho rendrika,ny vavan'ny olona,manao fahadisoana ka mahatonga ny fanafenana izay fahasoavana na fahaizana hananao.Raha tsy miezaka ny anala ny tahotra mihitsy isika dia tsy afaka anao na inona na inona.

Secret # 3: Manana fisainana tsara sy positive foana
Toy ny rano sy ny menaka izay tsy mikambana mihitsy,dia toy izany ihany koa raha zavatra ratsy sy fahakiviantena foana no misy ao aminao.Ny fanana toe-tsaina mifantoka amin'ny tsara foana dia mampiova ny zavara rehetra sy ny toe-tsainao.
9. johnnyandri ( 02/05/2007 10:09)
:-w Manana tanjona amin ny atao.
Manana Planina koa hanatratrarana ilay tanjona
Manna fahasalamana Vatana , saina sy fnahy
Manana discipline
Manana Fahalalana
Manana faharetana ami ny atao
Mba misy tafiditra ve ireo?
10. niryna ( 03/05/2007 05:47)
johnnyandri:

:-w Manana tanjona amin ny atao.
Manana Planina koa hanatratrarana ilay tanjona
Manna fahasalamana Vatana , saina sy fnahy
Manana discipline
Manana Fahalalana
Manana faharetana ami ny atao
Mba misy tafiditra ve ireo?


ie tafiditra ireo fa misaotra anao.
Ampiko kely indray rehefa avy eo:D

11. niryna ( 03/05/2007 06:01)
Secret # 4:Aza miverin-dalana.
Raha misy zavatra tianao atao ka tsy mety dia tsy tokony ho kivy fa fanandramana daholo ireny.Mety efa maro ny zavatra nataonao kanefa toa tsy mety daholo izay atao.Ny olona manana fahatokiana dia mampianatra azy amin'ny fiainany ny fahadisoana nataony fa tsy hampiverin-dalana azy akory.Raha tsy mety ny ataonao amin'ny fiainana dia manoro hevitra anoa aho ny hivavaka ary manaova zavatra vaovao indray

secret # 5 : Ny olona manana fahatokiana dia tsy mampitahy azy amin'ny hafa.Na manampahaizana tahaka ny inona ianao na mihevitra ny tenanao ho tsaara tarehy dia tadidio fa mbola misy olona mahay na tsara noho isika foana.Fifaliana no tadiavina amin'ny fiainana ka ny fampitahanao amin'ny hafa dia tsy ahatonga anao hanana fifaliana mihitsy.Mianara ny mitia ny tenanao ary mankasitraka izay nataon'Atra anao satria ianao dia iray ihany no nanaovany anao(God made you a unique person)
Anareo indray ary ny manaraka:P
12. diamondra27 ( 03/05/2007 14:52)
tsy mila manenina @ fiainana...
13. niryna ( 04/05/2007 05:59)
Secret # 6 :Manana fahatokiana ianao raha ohatra ka mihaina amin'izay zavata anananao fa tsy mitady ny tsy hananana.Ary dia lasa ny rediredy hoe raha mba nahay moa aho,raha mba manam-bola aho tsy mba ho toy izao ny fiainako,raha mba ...

Secret # 7 : Manana fanampahankevitra hentitra.
Misy karazany roa ny olona dia ny miandry izay zavatra hitranga ary ny iray dia ireo izay manao zavatra ka mahatonga izay zavatra mitranga rehefa avy eo.

Ireo fahatokiana rehetra ireo anefa dia tsy ho tonga lafatra raha isika no mandidy alohan'Atra.Omeo azy ny fiainanao ary mangataha azy foana isaky ny hanao zavatra ianao fa ho hitanao ny vokany tsara
niryna
14. firavaka2007 ( 14/06/2007 13:55)
za koa mba te ahafantatra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6085