zaza tokana

1. nikopol ( 29/04/2007 09:29)
Inona mety mahasamy hafa ny zaza tokana eo amin'ny personalité-ny ? ary inona no maharatsy na mahatsara ny zaza tokana ?

raha hiteny hoe aleo asiana zandriny dia tsy ao anaton'ilay sujet an!

ohan'izay efa manana traikefa na efa nahita tranga , na nandinika fotsiny no hametrahako ny fanontaniana

misaotra



novalian'i sallyg56 ny 06/06/2007 11:20
2. Aino ( 29/04/2007 10:16)
ary raha hoatra hoe ianao ilay tokana dia ahoana no fahitanao any hireny manana zoky na zandry hireny?
3. marindra ( 29/04/2007 21:13)
Ny maharatsy azy alou no tonga de hitako
Tsy mahay mizara aman'olona
Tsy mahay milefitra fa raha tsy ny tiany atao no tanteraka de mora tezitra.
Mora sorena refa miara ray trano @ oul hafa. (ohatra refa voahelingelina).
Zay no tadidiko.
4. sitlo ( 30/04/2007 00:58)
"raha tsy maty voky dia maty noana"
5. fasaly ( 30/04/2007 06:10)
ny zaza tokana dia izy rehefa lehibe vao hita ny maharatsy azy! satria efa miaina irery fa tsy am RAD intsony, raha manambady moa izy mba misy ny vadiny hanampy azy am tranga mety hieseho rehetra fa raha tsy manambady izy de onjohonjony samy irery ilay izy de palelo be!

fa ny mahatsara azy euhhh! tsy dia hitako loatra ny mahatsara azy fa ampetain'ny RAD fotsiny izy satria zanaka tokana nefa amiko tsy tsara koa izay asa anefa:-P
6. niryna ( 30/04/2007 06:56)
marindra:

Ny maharatsy azy alou no tonga de hitako
Tsy mahay mizara aman'olona
Tsy mahay milefitra fa raha tsy ny tiany atao no tanteraka de mora tezitra.
Mora sorena refa miara ray trano @ oul hafa. (ohatra refa voahelingelina).
Zay no tadidiko.

Arakarakin'ny fomba nitondrana azy ihany io.Izay ataon'ny rar no misy taratra ataony koa.
Miangoty ary mila tambitamby satria tsy misy namana hiaraka hiady azy eo.Ny rar no hakany hevitra matetika ary dia arahiny iny.Mahita ankizy aho fa mizara,mahay miaraka aman'olona tsara.Tia ankizy kely satria angamba tsy manana ho tolomina sy hiadivana.Mifanohitra izany indray,feno ankizy ny trano fa tiany ho entina ao daholo ny namany.Indraindray manararaotra ny ankizy hafa ka izy daholo no miantoka rehefa mividy zavatra.Manana fo mizara ka kapa sisa no entina mody satria angatahin'ny havany mahantra daholo ny akanjony ary dia omeny fa mampalahelo azy.Arakarany io fa io no hitako aloha e

7. mignone ( 30/04/2007 09:18)
za efa nahita tranga fa tena mila miresaka be foana aminilay zaza ilay rai amandreniny surtout ilay rangahy (no hitako ),satria mila miresaka mipartager kely anizay ao antsainy oatra ilay zaza , na resaka lalao sns , rehefa ao antrano , ka tsara ny 2 noho ny iray raha mbola azo hatao :-P
8. xxx ( 02/05/2007 19:28)
za aloha tena tokana eh! fa rasty le izy za manambdy de refa tsy manao izay tiko ny vadiko de tezitra za
9. sipagasy ( 02/05/2007 21:38)
mmhhh i www izany ilay zaza diso hanta t@ mbola kely eh
10. tisera ( 03/05/2007 07:24)
ary raha tsy fidiny kosa ange ilay tokana (ohatra hoe mitady faharoa nefa tsy mety mipetraka foana) dia mba tokony hiezaka ny rad tsy hampihanta be ilay zaza sy mandefa azy @ sehatra hahafahany mianatra mizara sy miara-monina @ ankizy hafa é!
11. xxx ( 28/05/2007 12:59)
misy fahamarinany ny an'i niryna satria ny ahy tokana kely ary ny toetrany de misy itoviany @ lazain'i niryna fa ny tena mampalahelo de mahatsapa izy fa irery ary misennuyer ndraindray f'izy de tin'ny ankizy rehetra na lehibe na kely stria tsy tia miady sy mamono, diso miafy loatra indray ny fijeriko azy satria raha misy mamono izy na kely no izy aza de tsy mamaly fa mitomany zay de efa isan'ny maharatsy lay tokana ihany ko satria matahotahotra zay, fa eo @ fahalebeazany indrindra mo rehefa adulte iny no tena mampalahelo satria na manambady aman-janaka aza eo ihany ny tsy fahampian'ny iray tampo, ny zanaka tsy misy cousin na cousine, ny RAD raha marary ny tena irery tsisy zandry tsisy zoky fa mitolona irery, ny ankabeazan'ny olona tokana hitako aloha ohatran'ny very izany daholo satria rehefa maty ny RAD de tena very, ary tsy rarahin'havana sasany fa matetika mitolona irery mandrapanambadiana
12. xxx ( 02/06/2007 04:22)
zaza tokana aho an : ireto no mety ho qualités : - tia mizara satria nanana nihoatran'ny ampy, mangorak'olona, mahay manambitamby ny hafa satria tsy nisy notambatambazana sady nahazo tambitamby be tamin'i Dada sy Neny, miangotingoty mahafinaritra be hono rehefa miteny (torana mihitsy ny lhl ndraindray, ato zao misy iray fa tsy lazaiko hoe iza), tia namana sady fidèle no loyale.

ny défauts : - irery na tamin'ny kely ny alika sy ny saribakoly no tena namana fa ny olona rehefa mirava avy mianatra sy vakansy manana ny iray tampo aminy dia lasa, izao lehibe izao indray ny olona manana ny adidiny amin'ny fianakaviany koa, misy ifampizarana, ianao irery eo dia eo, indraindray araraotin'ny hafa anaovany resa-be eo dia manome fotoana ary indrindra indrindra vola lay dondrona.

- Colérique satria izay tadiaviko dia amiko tokony ho azoko miaraka amin'ny vava raha tsy izay dia tezitra aho, rehefa misy zavatra tsy tiako dia ariako hany ka na ny olona aza dia ataoko toy io dia manjary mampijaly ny hafa tia ahy no farany mahatonga ahy ho indifférente donc ratsy be sady vao maika mitombo ilay solitude (ilay fanararaotan'ilay namana no tena mahatonga ilay ady matetika), ny lehilahy iray tsy maharaka ny sitrapoko na resaka tambitamby tadiaviko sy izay atolotro na resaka fotoana sy zavatra hafa satria izy izy irery fa taloha aho nisy olona roa nanaraka izay sitrapoko : i Dada sy Neny.

Ny namako zao, zaza tokana toa ahy koa, mifankahazo toetra tsara izahay satria mitovy tsy misy valaka, rehefa manao caprices ny iray dia vao jeren'ny iray dia tonga saina "ah, moi et mon sale caractère" dia tapa-tsinay !

Rehefa miteraka aho tsy ataoko iray ny zanako raha sitraky ny Tompo ny hanome azy.
13. sallyg56 ( 06/06/2007 11:20)
n maharats an'le zaza tokana d otrn eo efa zatra "centre d'attention" iz anetrano d tedavny ho otran'zan ko refa eny ivelany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1477