Naly Rakotofiringa : Ny Vady

1. vetsovetso ( 28/04/2007 11:54)
Manao ahoana daholo !
Izaho mba te ahita ny tonon'io hira voalaza etsy ambony io . Izany hoe efa misy tononkira mitondra ny lohateny ohatran'io ihany ao anati'ny takelaka tononkira fa saingy tsy ilay ao io no tadiaviko .Misy andin'ny kely mba haiko ihany fa sao fantatrareo sy hananareo dia mba miangavy mba ataovy ao anaty takelaka tononkira e !.
"Ny vady anie , ka voafidy tanaty ny maro
Olo-tokana ihany , tsy azo afangaroharo
Ny vintana feno fitiavana no nikambana .....
Olo-tokana fa mahasolo ny havana iray manontolo "
Dia misaotra betsaka izay mamaly o!
2. Fiffi ( 28/04/2007 11:59)
ny ahy le fantatro de le hoe : ny mpivady anié na de miady aza mihombona hiany....
3. booboo ( 28/04/2007 21:41)
"Vady ve ?"

Ny vady anie ka voafidy tanatin'ny maro
Olon-tokana ihany, tsy ao afangaro
Ny vintana sy ny fitiavana
No nitambatra ka nampihavana
Olon-droa hatr@ izay
Nefa nitambatra ho iray.

Vady ve ? Raha faly miray fitsikiana
Vady ve ? Olon-droa miray fahoriana
Vady ve ? Io no anjara sy taolan-tehezana
Vady ve ? Sarobidy io natao fanomezana

Ny vady anie, tsy hasolo, tsy hatakalo
Toy ny lamban'akoho, mandra-maty io fa tsy mba mandalo
Miara-manorina ankany, mizara ny soa sy ny mamy
Olon-tokana fa mahasolo
Ny havana iray manontolo

Vady ve ? Raha sorena izy manafosafo
Vady ve ? Ny tambitambiny vidiana lafo,
Vady ve ? Olon-droa miaraka hatrany,
Vady ve ? Na miady aza miombona ihany.


zany ka tonon'kira ô ? hihihihihi
4. vetsovetso ( 06/05/2007 10:18)
Manao ahoana i booboo ,
Misaotra t@ ilay tonon-kira fa tena afa-po tokoa .Ny Tompo anie hamaly anao e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077