Madagasikara pays islamique

1. Pao ( 28/04/2007 08:44)
Izaho dia mipetraka aty @la côte hatramin'ny ela.
Raha mandinika ny fizotran'ny zava-misy aho dia mieritreritra fa ho lasa réalité izany hoe Dago firenena islamique.
Voalohany dia betsaka izao ireo mpitsoa-ponenana avy ao Afrika miditra an-tsokosoko eto amin-tsika izay saika musulman no ankamaroany.
Raha mandinika ny fitombon'ny mponina silamo koa dia mitombo folo na roapolo avo eny @ mponina tsy silamo eto M/car izy ireo satria ny fivavahany mihitsy no mamporisika ny lehilahy hanana vady maro ka lehilahy iray en moyenne miteraka 15 na 20 eo ho eo.
Noho ireo antony ireo dia azo inoana fa tsy ho ela dia majoritaire izy ireo ary dia anjarantsika ny maminavina ny ho avy.
novalian'i Fiffi ny 01/05/2007 07:33
2. Fiffi ( 28/04/2007 09:02)
heu....tsy any Dago hiany no ahitana an'zao fandehan-jazavatra zao fa hatraiza hatraiza ! nisy aza voalazan'ny gazety mihintsy hoe hanjaka eran-tany ny slamo......
3. karinah ( 28/04/2007 11:20)
:?,...Pao, ary maro an'isa izy ireo an; moa tsy izay ihany ve ny antony tsy haneken'ny UE ny firenena Torkia hiditra ao @ rah izany?:roll: mmmhh
4. Fiffi ( 28/04/2007 12:09)
Pao:
ny lehilahy hanana vady maro ka lehilahy iray en moyenne miteraka 15 na 20 eo ho eo.
heu.....enganié ka tsy hanao an'zany ny Malagasy....


5. ikaretsaka ( 28/04/2007 12:23)
ny any @ faritra sasany efa manao fa fomba ilay izy fa tsy mifangaro @ silamo ka!
dia ilay misy hoe vadibe vadikely vady masay... sns
ilay miteraka 10 11 sy 12 ireny . iny ambany atsimon'i Madagasikara iny izany normal tsara mihitsy
6. Fiffi ( 28/04/2007 14:10)
fa ahoana no normal tsara zany ?
7. sitlo ( 28/04/2007 15:10)
Misy ny lahy dia misy ny vavy. Ny vhv malagasy tsy hanaiky hatao ohatra ny vhv silamo izany.
Tsy mieritreritra aho hoe tsy ho lasa firenena silamo izany i madagasikara.
8. fiaritiana ( 28/04/2007 19:27)
inn no maharatsy an zany raha ho lasa firenena silamo samy mitazona ny finoany 8O
9. Pao ( 29/04/2007 06:58)
Hoy Fiaritiana hoe:

"inn no maharatsy an zany raha ho lasa firenena silamo samy mitazona ny finoany "
Raha samay mitazona ny finoany am-pilaminana dia tsy maninona tokoa, nefa tsy izay no zava-misy eran-tany fa hiara mahita izao fa mitereka erisetra foana raha vao ny silamo no maro an'isa ao @ firenena iray .Jereo Indonésie.Ka manahy aho sao izany no hitranga eto Dago.
Tokony andray fepetra dieny izao ny Fanjakana.
10. niryna ( 29/04/2007 12:34)
Raha resaka firenena dia feno sy mihanaka erak'izao tontolo izao ny silamo ary anisany iray manohitra an'Atra ry zareo raha eo amin'ny lafin'ny fivavahana no ho resahina.Toy ny finoana rehetra dia misy mamono ny olona mirai-firenena aminy izy ireo rehefa tsy mifanaraka ny finoany.Aoka anefa tsy hoe ry zareo irery no nanao izany fa maro ahoana ny wagon moramanga, ny jiosy naripaka tao anaty lavaka be, ny maritiora izay nahafahana niteny hoe boky nodorana kanefa tsy levona,ireo kristiana novonoin'ny romana katolika tany Roma ary ny vady aman-janany mihitsy no nanatrika ny fanakendana azy ireo ary tapahan-doha,ny tany inde izay indoneziana iray trano no nidoran'ny silamo tao ka maty daholo ny olona tao.Eny tena mietraketraketraka aloha ry zareo kanefa misy kosa tsy manao izany na mino aza izy.Tamin'ny andron'i Tsiranana anie no efa tonga mitety farintany izy dia omen'ny mpitondra vadikely e. Angaha moa hiandrasana hanan-janaka amin'ny vady maro vao ho lasa izany ity firenena ity.Jereo fotsiny ireny lehilahy miteraka etsy sy eroa ireny.Potika daholo ny tokan-trano raha lehilahy iray fotsiny no manambady roa dia firy amin'izany no ho hisan'ireo zaza hateraka?
Ity tantara marina.tonga ny fetin'ny mpifankatia na valentine's day dia nividy 12 roses ity lehilahy iray ary nasiany nosoratan'ity mpivarotra hoe "Tiako ianao" ary dia nomeny adiresy sy anarana 12 karazana ilay mpivarotra.Ny tiako ho tenenina dia hoe manerantany io fifampirefesana io ary tsy ho foana fa anjarantsika tsirairay no tokony hiambina :evil:fa io no anisany hilazana fa tsy ho ela intsony ny fitsarana satria efa voasoratra ao anaty baibol y daholo izao rehetra mitranga izao.Ny tena ho loza dia:roll: ho betsaka ny olona no hivadika amin'Atra :twisted:ka hiverindalana :x:cry:Ao anaty Apo daholo
no misy ny tantara raha hijery ianareo.Ny ady misy amin'izao tontolo izao izay tsy hitsahatra mihitsy fa vao maika ho avy hanafika io firenena io daholo izao tontolo izao,fantatrareo ilay firenena,ny antony ? dia noho izy firenena notsongoin'Atra tamin'ny rehetra ary nomeny fahasoavana kanefa mbola tsy mino
Azy foana hatramin'izao.
11. Rasiligaoma ( 29/04/2007 13:10)
dia lasa silamo izany ko maninona moa?
ny fireneko no silamo fa za kristianina.. inona ny olana.. mivavaha sy miadia mba tsy hiova ny finoana
12. mirana5 ( 29/04/2007 20:00)
zà te hihinana hena-kisoa foana foana foana, fa aiza foanana na oviana na oviana moa é:miam::miam::miam:
13. Fiffi ( 29/04/2007 21:04)
Rasiligaoma:
mivavaha sy miadia mba tsy hiova ny finoana
heu.....raha mivavaka ve de mila miady ?


14. johnnyandri ( 30/04/2007 15:56)
Fiffi:

Rasiligaoma:
mivavaha sy miadia mba tsy hiova ny finoana
heu.....raha mivavaka ve de mila miady ?




an an an kah raha miady dia mila mivavaka

:lol::lol::lol:
15. Pao ( 01/05/2007 07:26)
karinah:

:?,...Pao, ary maro an'isa izy ireo an; moa tsy izay ihany ve ny antony tsy haneken'ny UE ny firenena Torkia hiditra ao @ rah izany?:roll: mmmhh


:)Marina ny teninao ary izaho koa mino fa io resaka islamisme io ihany no antony tena andavan'ny Eoropeana an'i Turquie. Ny vazaha efa mahatsapa hatramin'ny ela io menace io fa isika aty @tany an-dalam-pandrosoana no mbola varivariana nefa dia loza mananontanona mihitsy io raha ny fahitakoa azy 8)
16. Fiffi ( 01/05/2007 07:33)
johnnyandri:
an an an kah raha miady dia mila mivavaka:lol::lol::lol:
tsy nahazo reesaka indray Fiffi an ! :oops::oops:


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412