Ny zavatra tsara no hifaninanana
1. Jeankely
(
27/04/2007 06:27)
Matoa nivoatra ny firenena izay hipetrahanao io dia mifaninana amin'ny tsara sy mahasoa ny rehetra. Na misy aza ny mpangalatra tsy misakana ny mpikaroka tsy hikaroka na koa ny fisian'ny mpamngalatra sy mpanao risoriso no hisakana ny fanaomboarana lalana, fampitomboana ny taranja hianarana hampivoatra. Mikaroka ary tsy mijanona fa tsy fitanisaina fotsiny ny zavatra ratsy ataon'ny hafa. Mazava fa fandio iray siny hoy ny Ntaolo tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka ka mety loatra raha fongorana ny olona mandoto saimbahoaka na iza na iza na aiza na aiza. Mianara ry tanora ary ampandrosoy ny tenanao sy ny fianakavianao fa izay ihany dia efa dingana ampy ho an'ny firenena. Ny zavatra tsara sy mahasoa no hifaninanantsika fa tsy ny ratsy tanisain'ireo tafita sasany. Be ny any andafy fa tsy manao io toetra mampalahelo manaratsy Madagasikara io. Misaotra antsika rehetra efa manao ny tsara ary manohy ny tsara.:*
novalian'i Jeankely ny 29/04/2007 03:01
2. Fiffi
(
27/04/2007 07:12)
Jeankely:soahiany....satria tanindrazanao io ary ho mandrakizay.....:)
Be ny any andafy fa tsy manao io toetra mampalahelo manaratsy Madagasikara io.
3. bozyboleta
(
27/04/2007 15:01)
Misaotra ry Jeankely fa zany mitsy no tsy ampy @ gasy a!
Toe-tsaina no mampivoatra. Raha manana fomba fijery miabo toy ny tandrefana ny gasy de efa nandroso ela i Madagasikara.
Ny toe-tsaina miiba tsy manao afa-tsy ny manenjika sy mitsikera mandoto rano no tsy maha-tafarina ny gasy. Hain'ny gasy ny manao valalan'amboa, hain'ny gasy ny ory hava-manana nefa koa tsy havan'ny ory, hain'ny gasy ny mifaninana amin'ny ratsy,hain'ny gasy ny mifamingana samy mpiray tanindrazana...Misy aza mitsikombakomba @ vahimy mamotika ny firenena mihitsy nefa hoa tsika malagasy hatrany am-bohoka ka mandra-pahafaty. Tsy ho vaza zany mitsy fa na vaza taratasy aza ny tsinaimainty efa gasy e!
Raha misy malagasy mba tafita na manana hevitra tsara hampandrosoana ny firenena de enjehina sy tsikeraina amin'ny fomba rehetra. Tsy mba avela hanao ze vitany. Ary reo mpanenjika koa nefa de tsy mahavita n'inn n'inn fa laozana manenjika foana eo ka aiza no handroso? Jereo fotsiny ny adin'ny mpanohitra e! Inn no vita hatrizay ka hatramizao?

4. paris10
(
27/04/2007 15:09)
marina izany ry bozy a!raha mahatsapa-tena mantsy ireo be vava sy mpanenjika, ary raha mijery fitaratra ry zareo dia mahita ny tsy fahita eto antany!
5. pissoa
(
27/04/2007 15:24)
raha ny taratra eto amin'ny serasera dia mifaninana manao ratsy mihitsy ny "mpanao politika" sy ny mpomba azy ireo - na farafaharatsiny ny betsaka amin'ny mpomba an'i Ravalo eto amin'ny serasera. Rehefa kianina ohatra i Ravalo dia matetika valiny aroso ny hoe ary i Radidy, ary ny teo aloha ! Toy ny hoe ny teo aloha nanao an'izany ka i Ravalo kianina rehefa manao an'izany ... fa i Radidy sy ny forongony tampoka angaha no tanjon'i Ravalonareo io ? :-w:-w:-w Tsy naleo tsy nitolona tamin'ny 2002 raha hamolavola olona hitovitovy amin'i Radidy no tanjona tamireny ? :-D:-D:-D
Asa aloha, izay no fahitako ny maro eto :-D:-D:-D

6. rakaroka
(
27/04/2007 17:56)
pissoa:

Izany mihitsy=D=D=D
7. niryna
(
27/04/2007 18:41)
Misy foana io na aiza aleha na aiza e.Avelao izay mpitondra mba hitondra fa tsy maintsy misy fanakianana foana eo.Mety ny taranaky ny very seza no manaratsy eo.
Aiza koa no hisy firenena ka 21 taona hitondra foana angaha izy irery no gasy manampahaizana?Toy ny fiainana rehetra ihany io izay tafakatra sitomin'ny olona hidina foana.Tsy ny gasy ihany no manao an'io fa tsy tokony ho ratsiana ny gasy.Mora ho antsika ny mitsikera kanefa mba manao izay ho hafany ny mpitondra.Tsotra izany midira ianareo ho jerena izay vitanareo mpanenji-dava ny mpitondra.Resaka tsy hinanan-kanina ry ireto izany a.Mba jereo ny zava-bitan'ny olona fa aza lany andro hitsikera lava eo.Nisy fiovana ve aloha raha nitsikere lava ato amin'ny serasera isika?Moa tonga any ampototsofin'ireo olona ny resaka?

8. Jeankely
(
28/04/2007 03:21)
Misaotra betsaka ireo tia sy mitady hevitra ny hanasoa ny TANINDRAZANY. Efa hatramin'izay ny fivoahana mivoaka ivelan'ny tany niaviana. Ny "Chinese", "Comorians", "Africans" sns mitady any Madagasikara ary ny Malagasy koa mitady any ivelany. Mazava fa tsy miady hevitra amin'izany isiaka. Samy afaka manao izay ahitany soa ary efa ela ny resaka "Comparative Advantages". Noho izany, tsy manenjika mihintsy ny olona mandeha andafy ny Malagasy fa ny sasany izay hafahafa na tsy ampy fandinihana no tsy manatsaina afatsy ny manaratsy an'i Madagasikara. Aza kivy manao ny mety sy mikaroka ny soa fa misy foana ny olona manana ny maha-Malagasy azy ary manaja izany fatratra. Atoroy ny tanora fa harena be io Madagasikara io saingy ny tsy fahaizana no tsy ahitana raisina ao. Misaotra ary OK MADAGASIKARA.
9. bozyboleta
(
28/04/2007 07:49)
Le izy na gasy aiza na gasy aiza, misy toe-tsaina tokony hiova ho an'ny sasany izay miiba e!Tsy voatery @ lafiny politika ihany fa fomba fijery ankapobeny mitsy.
Raha ho an'i Madagasikara manokana, tsy ny mpitondra no mampandroso fa ny ezaka ataon'ny tsirairay ihany sy ny toe-tsainy enti-miatrika an'izany. Miainga @nao aloha avy eo mivelatra tsikelikely @ ny ankohonanao, ny havanao, ny mpiray vodirindrina aminao, ny fokontaninao, ny farany ve tsy ny firenena mitsy?
Za alou de mahita fa raha manana izay toe-tsaina izay hoa ny gasy de tafita. Fa raha mbola le voalazako ery ambony hoe manenjika foana no atao fa tsy manao n'inn n'inn, de na i Bush na i Poutine na Chirac sy ny forongony aza no hitondra an'i Madagasikara tsy ahahovoka firy satria ny toe-tsaina miiba...otran'ireto manaraka ireto.
Fa raha miezaka ny tsirairay de azo ovaina ho miabo io!!! Enao ihany de mahavita azy.
Le constructif apporte toujours la solution
Le négatif apporte toujours le problème
Le constructif trouve toujours une solution à chaque problème
Le négatif trouve toujours un problème à chaque solution
Le constructif a un programme
Le négatif a toujours une excuse
Le constructif remplit son agenda de priorités
Le négatif remplit son agenda de requêtes
Le constructif dit : « Laissez-moi faire ! »
Le négatif dit : « c’est pas mon affaire »
Le constructif dit : « c’est difficile mais possible ! »
Le négatif dit « c’est peut-être possible, mais c’est difficile »

10. Jeankely
(
29/04/2007 03:01)
Misaotra an'i Niryna sy Bozyboleta ary ireo izay tsy voatoniko fa mbola hotononiko amin'ny manaraka noho ny hevitra homeny. Ny zavatra iray tsy hisainan'ny sasany koa dia ny lalana maro sy ny fisedrana vitan'ireo tany manakarena alohan'ny nahazoany izany toerana izany. Isiaka tonga andafy dia "MPIJAPY MACHINE" no filaza azy ka mihoty avy hatrany ny ezana vitan'ny olona nandritra ny taona maro. Ao ny Dokotera manao sorona sy fanandramana ny tenany ao ny "KAMIKAZE" ao ireo "Heros" isankarazany. Ry Bazylou moa ny fatany dia ny mitsinjaka sy mihorakoraka fa vizana ary tsy mahita lalana aleha i Madagasikara. Ny fanontaniako iray mipetraka hoe ry bazylou sy ny namany ve no "HEROS MALAGASY"? Ireo izay manao ny tsara, manasoa ny tenany sy ny fianakaviany amin'ny ara-dalana dia mandrisika azy aho hanohy izany fa tsy hanenona ianao. Ohatra tsara no zahavina fa isiaka tsy miaro ny mpanao ratsy na ny efa lasa na ny misisika miaramiasa amin'ny mpitondra na ny hafa.