Nigadra i Roland Ratsiraka....

1. Fiffi ( 20/04/2007 09:46)

Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso.

Fampidirana am-ponja vonjy maika no nahazo ny ben'ny tanànan'i Toamasina Roland Ratsiraka, taorian'ny fakana am-bavany azy nataon'ny fampanoavana tany an-toerana. Velona noho izany ny gidragidra teo amin'ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana izay mpomba ity Ben'ny tanàna ity. Nanomboka vao mangiran-dratsy dia efa tomefy mpitandro filaminana ny tanàna niainga tao barika dimy sy ny manoloana ny lapan'ny tanàna sy ny fitsarana. Io maraina io ihany dia vaky ny barazy nataon'ny mpitandro ny filaminana satria tsy nanaiky ny sakana natao taminy ny vahoaka, ary nanomboka teo dia efa saika raikitra ny rotaka. Ny atoandro dia nivoaka ny didy fampidirana am-ponja vonjy maika ity ben'ny tanàna ity, ary raikitra ny gidragidra.
Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso
Baomba mandatsa-dranomaso 13 no fantatra fa nipoaka tany, ary olona iray no voalaza fa voasambotra Ny hariva dia nangingina ihany ny tao Toamasina ary hita fa mpitarika politika sy olom-boafidy maro no niatrika izao fitsarana an'ingahy ben'ny tanàna nampiatoana tamin'ny asany izao. Fa ankoatry izay dia nitohy ny fihetsiketsehana tao Antsiranana nataon'ny mpianatra sy ireo mpiasa maro mba ho fanoherana ny fahatapahan'ny jiro sy ny rano. Mpianatra teny amin'ny Oniversite sy tamin'ny Lycée Zafy Albert ary nampian'ireo mpiasa sy olon-tsotra ny filaharana ka trano an'ny Jirama iray tao Antsiranana no voalaza fa may vokatr’izao hetsika izao. Nivadika ho resaka politika ihany moa ny farany raharaha, satria maro be ireo fitakiana nataon'ny mpianatra. Velona ihany koa ny fifandonana sy fifanjevoana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpilahatra. Hatreto izany dia mafampana ny korontana manerana ny faritra maro noho ireo toe-javatra ireo.
Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i tossy ny 01/08/2007 18:48
2. energye ( 20/04/2007 11:52)
misotra nizara
3. xxx ( 20/04/2007 11:59)
OAY,
loza marina . mba mamim-bahoaka ko lery zany no mba nisy niaro.
4. karinah ( 20/04/2007 14:13)
:roll:
5. 147 ( 20/04/2007 14:25)
miala tsiny fa ben'ny tanàna taloha rolland ratsiraka.
6. xxx ( 20/04/2007 14:29)
olona voakarama reo e!anio aza efa milamina tanteraka toamasina fa satria nigadra lery d tsisy mpandoa vola hanakorontana tsony!ary tsy manerana ny toerana maro fa tao toamasina ihany,ny mpandroba koa no tena nanararaotra b ,voakarama hanimba daolo ary efa tadiavina daolo,tsy mahagaga zany e!
7. xxx ( 20/04/2007 19:07)
qui sème le vent récolte la tempete e!!!!
8. Fiffi ( 20/04/2007 19:09)
eka ouz
9. luciana5 ( 20/04/2007 20:11)
tokony le dadatoany no migadra fa tsy izy!!maudit tokoa le anarany sisa..:{
10. 147 ( 21/04/2007 10:49)
ka ry zareo zao afaka koa!tsy malagasy ange ry zareo e!
11. botrabotra ( 25/04/2007 07:42)
miadana fotsiny ianareo eto fa aza korontanina ny tantara e!tsy misy miampanga olona tsy meloka izany eto,ny gazety no manitatra,izahay tsy manao politika ,ary tsy hanao mandrakizay!mampihatra ny lalàna no asanay,na iza izy na iza ka meloka dia voasazy.
12. Fiffi ( 26/04/2007 10:56)
xxx:
OAY,
loza marina . mba mamim-bahoaka ko lery zany no mba nisy niaro.
sa hadino ny "tsy" ?


13. tossy ( 01/08/2007 18:48)
tsy aleo ve izy aloha ho any e!
rehefa tonga ny dadatoany manao relais azy any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0515