Saika nisy namono ny Filoha Ravalomanana.
1. Fiffi
(
14/04/2007 07:34)
FIKASAN-DRATSY. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nisy fikasan-dratsy maromaro hamono ny Filoham-pirenena.
Saika nisy namono ny Filoha Ravalomanana, ny alin’ny 3 avrily.
Vaovao lehibe no nambaran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Charles Rabemananjara, omaly, teny amin’ny trano fiasany eny amin’ny Minisiteran’ny Atitany, Anosy. Voalazany tamin’izany fa tamin’ny alin’ny 3 hifoha 4 avrily dia nisy andian’olona nikasa hamono ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny fidirana an-keriny tao amin’ny trano fonenany eny Faravohitra.
Fikasana hamono amin’ny fitifirana. Voalaza tamin’ny valan-dresaka mantsy fa nitondra fiadiana ireo olona ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa voasambotra avokoa izy ireo. Izany, hoy izy, dia noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tsy tamin’io fotoana io izy ireo no voasambotra. Toa fantatra anefa izy ireo ka natao ny fanaraha-maso azy. Ary avy amin’izany no nisamborana azy. Mandeha ny famotorana isan-karazany ary efa samy mandray ny tandrify azy na ny mpitandro filaminana na ny fitsarana.
Raha nanontaniana ny Praiminisitra mikasika ireo andian’olona ireo, dia namaly izy fa tsy mbola hiditra amin’ny an-tsipiriany aloha izy satria mbola tsy fotoanany izao. Aleo aloha hanao ny asany, hoy izy, ny tomponandraikitra rehetra. Tsy maintsy ho fantatra ihany ny vaovao amin’ny fotoana maha mety azy, hoy ihany ny Praiminisitra.
Izao koa ny vaovao vao nolazaina, hoy ihany Atoa Rabemanjara, mba tsy hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Alina alohan’ny fitsapan-kevi-bahoaka rahateo no nisehoan’ilay fikasan-dratsy.
Taorian’ny faha-4 avrily, dia nahamarika ny mponina eny amin’iny faritr’i Faravohitra iny fa niha mafy ny fiambenana indrindra amin'ny alina. Tsy azon’ny fiara aleha iny lalana miakatra mihazo an’Ambohijatovo Avatra iny raha avy aty Ambondrona manomboka amin’ny 9 ora alina. Mbola tsy miala hatramin’izao ny sakana ataon’ny polisy eny an-toerana.
Tamin’io resaka nataony ho an’ny mpanao gazety ihany koa no nilazany fa tokony ho hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra amin’ny fiarovana ny tanàna, ny sisintany, ny seranam-piaramanidina sy amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny Fanjakana.
Tamin’ny teny famaranana nataon’Atoa Rabemananjara Charles dia nisaorany manokana ny mpanao gazety amin’ny fiaraha-miasa mahomby amin’ny fitondram-panjakana.
Midi Madagascar
novalian'i Fiffi ny 04/05/2007 15:54
2. pissoa
(
14/04/2007 09:28)
maka ny fon'ny vahoaka njay ve fa tsy nahomby ny fifidiana e ? :-D:-D:-D
4. piste
(
14/04/2007 19:24)
Zaho koa aloha tsy tena mino an'iny fa ohatry ny fika hi-recupere-na ny fon'ny olona fotsiny.
5. Jokera
(
14/04/2007 20:00)
Fa important ohatran iza loatra ny filoham-pirenena no milaza misy mitady hamono isaky ny mihetsika .
tsy misy an izany ; soit c est son imagination, soit fakana client fontsiny.
ny jiolahy izao efa miditra an-keriny ao an-trano ny olona tsy an-kanavaka, mandroba mamono, tokony ho faizina faran izay mafy; atao poto izay tratra.
Raha resaka fiadiana indray dia anisany tomponan-draikitra taminy fanam-paritahana ny basy ny filoha taminy fotoan androny,Tahaka ny fizarana bombo ny mizara basy ho an ireo rezerviste.

8. jefra
(
15/04/2007 18:56)
Nisy nifofo hoe ny ain'ny Filoha Ravalomanana ?
Andrimasom-pokonolona iza tamin'ity salam-pandraisana anjara vitsy dia vitsy no nitsangana niaro an'ingahirainy?
Mba nahalala izany vaovao izany toy izay nitranga teny amin'ny fiangonana loterana ve ny mpiorim-ponenana teny Faravohitra izay nalaina nifidy tokoa tamin'ny faha-04 avrily? Ny manodidina aza gaga hoe angaha nisy an'izany.
Iza ilay na ireo niditra an-keriny tao an-tranony? Nahoana no tsy navoaka ny anarany toa ny nanaovana ilay nitondra fitaovam-piadiana tany am-piangonana? Naninona no tsy namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety ny praiminisitra?
Tsy goavana noho ny raharaha Jeneraly Fidy ve izao vaovao izao kanefa dia maivana ny fanambarana azy? Efa tany amin'ny 3, 4 avrily no nitranga ny fifofoana ka nahoana no tsy mba misy vokatra fanadihadiana akory hatramin'ny zoma-13?
Rehefa tonga ny fotoana, hoy ingahy praiminisitra dia hovaliana ireo fanontaniana marobe ireo. Rahoviana? Koa ny mpiara-miasa akaiky amin'ny filoha izay nanontaniana aza tsy mahalala. Raha mba 1 avrily indray no nomena ny vaovao dia hafa ny fipetrany.
Aza baboana ny vahoaka malagasy na dia mihosina ao anaty fotaka aza :evil:

10. jefra
(
16/04/2007 20:56)
Jeneraly Ramakavelo : "Paik'ady pôlitika iny !…"
Ny tena mampanahy mafy ity Jeneraly misotro ronono ity dia ny mety hampiharan'ny filohampirenena ny andininy faha-60 ao amin'ny Lalàmpanorenana izay milaza hoe :
"… Raha tandindonin-doza ny andrim-panjakana, ny fiandrianam-pirenena sy ny Tanindrazana dia afaka mandray fepetra avy hatrany ny filohan'ny Repoblika hampihatra ny fepetra amin'ny tany misy hotakotaka."
Amin'izay fotoana izay dia mimpirina daholo, tsy misy mahazo mihetsika aloha mandritra ny fotoana izay heverin'ny fitondrana fa mety hanaovana izany. Izay, hoy izy, no antony nanaovana amboletra ilay Lalàmpanorenana nahitsy.
"Nahoana moa no taoriana indrindra ny fahafenoan'ny vokatra tsy ôfisialy sy taorian'ny fanambaran'ny mpanohitra no navoaka ilay vaovao goavana. Ain'ny filohampirenena anefa eto no resaka. Nahoana koa no nandrasana 10 andro taty aoriana vao nambara ampahibemaso, amin'izay mbola nikifonofono be ihany ilay vaovao nalefa. Aoka mba hazava tsara amin'ny vahoaka ity raharaha ity", hoy ny jeneraly namarana ny resany.