tsy fantatro ny lohateny

1. dadabary ( 10/04/2007 14:04)
Manahoana daolo nareo.Ilay hiran'ny mahaleo le oe:" ekena re tafakatr'ianareo o" iny mba itadiavako tonony e! izay manana mba ampidiro ry zalahy a! okay ;-)
novalian'i McFy ny 10/04/2007 22:13
2. Mmamisoa ( 10/04/2007 21:15)
Sô dé mba ty lé hira??

Eny re !
Fa mazana ianareo ka mirehareha
Ekena re !
Fa mazana ianareo fa manana aleha

Fa anareo ny asa,
nefa ianareo tsy miasa
Lanianareo ny vola,
avy eo nareo midola !

Eny re !
Fa katraka ianareo, ka mampifilafila
Ekena re !
Tafiakatra ianareo, ka mampivaralila

Tsy ahoanareo akory,
Na be ny sorisory
Angady mampahory
aleonareo matory

Drodroka, sady efa vizana
No tena very aina, ho'aho
Sempotra tany am-pandihizana
F'ianao lay nantenaina
Hitondra ny faneva,
Hijoro sy ho meva
No nivadi-belirano
Ka nampiditra angano

Angamba re, tsy tsara afangaro
Ny saina sy ny aina
Asehoy ho fantatry ny maro
Ireo zava-tsy ilaina
Fa maro ireo pôk'aty manabatibaty
Ireo no mamosavy antsika mianakavy !
3. Mmamisoa ( 10/04/2007 21:50)
Tary @ tonokira- rvg kou ngeh no nangalako anio éh!! Fa jereo eo ihany aza éh!! hihihi :wink:


http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=1666
4. McFy ( 10/04/2007 22:13)
Misaotra anao Mamisoa, izany hoe tokony io valin-teninao faharoa io no tokony tonga dia nomenao an'i dadabary ka tonga izy dia nankany avy hatrany.
Mankasitraka hatrany nefa t@ fanampianao azy fa manana namana tokoa izy sy izahay manana anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0076