Tolotry ny Paka

1. hery ( 08/04/2007 08:44)
Tolotry ny Paka ho an'ny Katolika indrindra indrindra ny fisokafana ofisialin'ny takelaka katolika.org izay hahitana resaka manodidina ny finoana katolika. Ireo fanontaniana goavana sy madinidinika momba ny finoana katolika.
Atolotra indrindra ho antsika katolika te handalina be be kokoa ny finoantsika. Fa azon'ireo izay te hahafantatra ny finoana sy ny Fiangonana katolika vangiana ihany koa.

Mbola tsy feno tsara satria mbola miandry ny lahatsoratra avy any amin'ireo zoky am-panahy sasany.

Efa misokatra koa ny forum.

Hery
novalian'i cutie ny 12/04/2007 21:25
2. ikaretsaka ( 08/04/2007 11:34)
mankasitraka sy mankatelina
3. rakaroka ( 08/04/2007 14:36)
Mahafinaritra foana ny fisian'ny zava-bita tahaka itony!
=D=D=D
4. pissoa ( 08/04/2007 15:05)
tena ilaina ary raisina an-kafaliana ny tolotra fa mankasitraka ny mpikarakara rehetra o =D=D=D=D=D

5. vale ( 09/04/2007 12:34)
=D=D=Dsaotra betsaka @ fampahafantarana oooh!!!!!
6. Fiffi ( 09/04/2007 20:47)
mankasitraka hatrany ry Hery an ! =D=D=D
7. xxx ( 10/04/2007 11:19)
pakan'ny katolika marina io ankalazaina isa-taonaio sa tsy izany Rahery izahay aloha tsy ankalaza e! nefa terena fotsiny ny olona rehetra hanao lundi de paka , sady atao ao anaty kalandrie ho an'ny daholo be mihitsy de tsy miasa ny erantany :-D:-D milay ka fa mampieritreritra
8. hery ( 10/04/2007 11:54)
xxx> hay any @ tany mankalaza paka? :-) afaka mifindra monina ohatra hoe any Chine sns... fa any tsisy Paka :-)
9. pissoa ( 10/04/2007 18:07)
:-D:-D:-D:-D:-D

tsisy manakana an'i xxx tsy hiasa koa ange e ! ento mody any atrano ny kandra na ataovy milay ao ny recherche be e :-P:-D:-D:-D
10. Rasiligaoma ( 10/04/2007 18:59)
miandry ny protestà.org koa de ny loterianina.org dia ny sekta.org sy ny anglikanina.org!
11. cutie ( 10/04/2007 19:23)
nefa terena fotsiny ny olona rehetra hanao lundi de paka , sady atao ao anaty kalandrie ho an'ny daholo be mihitsy de tsy miasa ny erantany milay ka fa mampieritreritra

aty aminay zao tsy misy an'io ao anaty kalandrie koa:lol:
12. Fiffi ( 10/04/2007 22:26)
xxx:
pakan'ny katolika marina io ankalazaina isa-taonaio sa tsy izany Rahery izahay aloha tsy ankalaza e!
zay indray zah zay vao mba naheno hoe misy tsy mankalaza ny Lundi de Paques....tena mahavariana le fiainana momba ny finoana an ! :)


13. ikaretsaka ( 10/04/2007 23:17)
ny amerikanina tsy mankalaza lundi de paka
14. cutie ( 10/04/2007 23:18)
zay indray zah zay vao mba naheno hoe misy tsy mankalaza ny Lundi de Paques....tena mahavariana le fiainana momba ny finoana an !

mahavariana ve :lol:
fa in moa ny dikan'le lundi de paka:roll:
15. Fiffi ( 11/04/2007 14:30)
heu.....fitohizan'ny Paques :)
16. ikaretsaka ( 11/04/2007 15:12)
fiffi> misaotra anao:-*
misy manko miheritreritra hoe.. fanaovana picnic
17. cutie ( 11/04/2007 20:08)
tsy mazava :roll:
18. ikaretsaka ( 11/04/2007 21:02)
betsaka ny manao an'iznay ko.. hoe lundi de paka=piknika zany .. fanjonoana izany sns
lasa feno olona ny vodihazon'ny vilazy manodidina ny tanan-dehibe
19. cutie ( 11/04/2007 21:14)
fa nga tsy lahady:roll:
20. Fiffi ( 12/04/2007 07:22)
bdbd ny olona manararaotra an'io Lundi io no manao picnic..marina zany....fanararaotana hifankahitan'ny fianakaviana après ny émotion nitsangan'Jesoa tam maty sy ny namonoana azy.....zay angamba no nahatonga koh hoe io Lundi de Paques io de ny fiangonana foana no mikarakara an'io ! zany hoe picnic miaraka am fiangonana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2017