Izao no atao hoe mitory fampianarandiso.

1. xxx ( 31/03/2007 17:46)
http://youtube.com/watch?v=VvElky4Qwe4&mode=related&search=
Jesoa hono izy ary tsy misy hono ny helo.....
mahavariana fa betsaka ny voafitaka.
novalian'i prime ny 07/04/2007 07:06
2. xxx ( 31/03/2007 17:57)
eny wa nefa ny mpivarotra mbola mivarotra elo isankarazany
3. xxx ( 31/03/2007 19:27)
de ho lena aby zany ko inona!
4. Fiffi ( 31/03/2007 20:00)
heu...rehefa be ve ny finoana ka tsy satry mangataka an'Andriamanitra mba tsy ho voarebirebin'ny satana tsy ho resy hiany ve izy ?
5. boubounezy ( 31/03/2007 22:13)
tsy zao vé lé lazainy bainoly wé isy isandoka Izy:twisted:
6. soanja ( 31/03/2007 23:21)
xxx:

http://youtube.com/watch?v=VvElky4Qwe4&mode=related&search=
Jesoa hono izy ary tsy misy hono ny helo.....
mahavariana fa betsaka ny voafitaka.

Amiko tsy mahavariana intsony izany raha mahalala ny momba ny olmbelona sy ny atodohany ary ny fiasan'izany amin'ny fiainana.
Efa mahazatra ny mahita zavatra toy izao: ohatra fotsiny hoe tsara sy manja i Madonna mpihira na i Jackson ohatra dia diniho ny fomba fanompoan'ireto ilay olona lazainy fa tsara sy manja ary tsy misy toa azy.
Ny antony mahatonga izany dia tsy ampy ny fampianarana ny olona iray handinika ny tenany sy hahatsapa hoe inona no takian'ny atidohany mba hameno izany fahasambarana izany, nefa fantany fa isan'ny takian'ny atidoha ny fisian'ny finoana.
Rehefa tsy mino an'Andriamanitra ny olona iray dia mino zavatra hafa. Dia toy izany hatrany fa ny AT aza anie mino ny atao hoe ethics e. Milamanina ny sainy rehefa manaraka an'io izy. Noho izany dia mbola betsaka marivo salosana sy tsy ampy fandinihana. Ny marihako fotsiny dia mihevitra koa ny mpilaza vaovao TV fa ny manankarena dia mahafantatra sy tokony hahalala fa fosika le bandy. Tsy fantany indrindra fa ny mpanana indrindra no mikatsaka ny zavatra voaizin'io olona io.
Mivavaha ary miandrasa lalandava ao amin'i Tompo! Rehefa madio sy mahitsy ny ao ampo dia sarotra ny fidiran'ny fakampanahy.

7. tsimiandravola ( 01/04/2007 07:14)
soanja:

Tsara lahatra ery izato resakao ra-Soanja!
Ny zavatra fantatro fa ho lavinao nefa dia ity:Ianao sy ny finoanao ny andriamanitrao (Jehova sy Jesoa) indrindra indrindra no tena voaray ao amin'ny voalazanao hoe "mbola betsaka marivo salosana sy tsy ampy fandinihana".

Dia tsapa mihitsy ny fieritreretan'ny kristiana fa ry zareo no tena filamatra oa,ny azy irery ihany no tena marina...Izany ange no mahatonga ny mpanohitra hanohitra ê!

Rehefa kritike-na ny baiboly,asaina jeren'ny mpino izany amin'ny fomba tsy miangatra...dia eo ry zareo vao manodin-dresaka foana :

-Version roa ny nahariana ny tany aman-danitra (Jenesisy)
-Origine Sumerienne ny légende ny Safodrano ,ny Edena ny Babela...ny Exode israelita araky ny baiboly=tsy nisy fa fandroahan'ny ejipsiana ny Hyksos no nisy.
-Ny naissance de Christ tsy nisy fa vao noforonina tato aoriana.
-Ny Apokalipsa 6è siekla vao tafiditra tao amin'ny canon ary literatiora essenienne
-Evanjely sy asa-soratra maherin'ny 60 no nahotraka hanjavona ,fa efatra sisa nohazonina.Kanjo tsy tapitra ringana fa mbola misy ihany no niangana .
-ETC ETC
:oops::oops::oops::oops:
8. Salut ( 01/04/2007 17:09)
Tsimiandravola: Na inona ataonao na inona dia tsy hahafoana ny misy ianao. Ireo evanjely nosoratan'ireo mpianatran'i Jesoa dia manamafy ny fisiany. Ny "experiance" ananan'ireo olona miaraka amin'Andriamanitra koa dia mbola manamafy ny fisiany.
Mba jereo ny zavatra ataon'i P. Pedro, Fr Fazzio,raha makany atsimon'ny Nosy koa ianao dia ahita ny asa goavana ataon'ireo misionera any, any ambanivohitra maro aty Mada dia maro ireo lahika no mirotsaka an-tsitrapo mampianatra (marihako fa tsy misy karama io)... Tsy noho ny fitiavan-dera na noho ny zavatra hafa no anaovana izany rehetra izany fa noho ny fitiavana an'i Kristy. Manamafy ireo fa misy izy.

Be ny Boky nilaza ny momba an'i Kristy sy momba an'Andriamanitra, ka tsy mantsy natao ny safidy mba hahafahana nahazo boky iray izay no antony nahatonga ireo boky sasany navela. Ireo boky tsy noraisina kosa dia tsy narina akory araka ny filazanao fa mbola voatahiry ary mbola angalana fampianarana ho an'ny Kristiana.
9. prime ( 06/04/2007 12:58)
xxx> Hazavao misimisy kokoa fa tsy mazava... somary ela ilay lien vao télécharger dia tsy hita tsara ny tiana ambara...
10. lamie ( 06/04/2007 13:37)
aza mety fitahin'ireny isika fa grave be!
11. prime ( 07/04/2007 07:06)
xxx> Misaotra, hitako ilay izy...

Zava-doza tokoa fa dia sahy miseho mivantana ilay "lehilahin'ota"... sady feno lainga no feno avona...

Izaho efa nahita ireny sekta satanika ireny fa ry zareo aza mba "sincère" kokoa milaza ny finoany sy ny ataony rehetra fa ity indray mitoraka ity dia tena ara-bakiteny amin'ilay hoe "amboadia mitafy hodi-janak'ondry"...

Miambena rey olona fa efa mihakaiky ny farany...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2861