Aza manao fanampahankevitra goavana rehefa tezitra!!

1. niryna ( 16/03/2007 04:51)
Ny fahatezerana hono dia misy antony maro no mety mahatonga izany.Raha tena zohina anefa dia anisany iray,tsy manao izay tian'io olona tezitra ny olona hafa ka io no mahatonga ny fahatezerana.
Mety nisy nitranga taminy :
-ahilakilakin'ny olona foana izy (rejected)
-naratra anaty ary tsy mamoaka izany aman'olona fa mitazona azy irery
-mety ny nahazo azy tamin'ny fahazazany na fahatanorana ka mitahiry izany ratra ao anaty izany izy.
-misy ny nandositra azy izay noheveriny fa tia kanefa dia lasa tsy nanao veloma.
-ny ray niteraka azy no nandratra azy ka menatra izy ny hiteny izany satria noheveriny fa tsy hisy hino.
-ny asa very ka tsy misy intsony ny fanantenana
-nanana tetika betsaka kanefa noho ny antony dia tsy vita ilay vinavina
novalian'i tolona ny 10/04/2007 01:05
2. niryna ( 16/03/2007 04:54)
Anareo indray ary inona koa no tena mahatonga anao ho tezitra ary tena tsy zakanao mihitsy ilay izy?
Noho ireo hatezerana ireo dia zavatra roa no mety tsy tokony atao:
Aza manao fanampahankevitra tena ilaina raha toa ka tezitra ianao ! Inona no mety antony?
Aza mitsaratsara olona ihany koa ao anaty fahatezerana!
Inona no mety ho vokany?
3. kally ( 16/03/2007 13:17)
Tsy ny fanontanian'i Nyrina aloha no valiako fa te hanamarika fotsiny aho hoe rehefa misy fihetsem-po be loatra dia tokony tsy hanapa-kevitra fa miandry ho tony aloha : na hatezerana io, na fahoriana, na fifaliana.

Sao dia hanao ohatr'ilay hoe faly be fa nisy olona be dia be tonga teo amin'ilay raharahany, d'efa omby iray no tapaka ho vonoina kanjo noho ny hafaliana dia niteny hoe ampiana omby folo, kanjo nony tonitony dia tonga saina dia hoe sintoniko indray ny teniko fa azafady fa nasesiky ny hafaliana aho fa iray ihany no ho vonoina kah!:lol:
4. xxx ( 16/03/2007 13:29)
zao ve no resakana tovovavy 23 taona ? Rehefa 60 izany tsy mampihoalahoala ? :{
5. kally ( 16/03/2007 13:55)
xxx:

zao ve no resakana tovovavy 23 taona ? Rehefa 60 izany tsy mampihoalahoala ? :{


:roll::roll::?: tsilovy kely fa maizina be!


6. booboo ( 16/03/2007 13:58)
hihihihi mbola misy delestazy hono zao ô
7. niryna ( 16/03/2007 21:14)
kally:

Tsy ny fanontanian'i Nyrina aloha no valiako fa te hanamarika fotsiny aho hoe rehefa misy fihetsem-po be loatra dia tokony tsy hanapa-kevitra fa miandry ho tony aloha : na hatezerana io, na fahoriana, na fifaliana.

Sao dia hanao ohatr'ilay hoe faly be fa nisy olona be dia be tonga teo amin'ilay raharahany, d'efa omby iray no tapaka ho vonoina kanjo noho ny hafaliana dia niteny hoe ampiana omby folo, kanjo nony tonitony dia tonga saina dia hoe sintoniko indray ny teniko fa azafady fa nasesiky ny hafaliana aho fa iray ihany no ho vonoina kah!:lol:



=))=)) tsy ratsy ilay ohatra ary tena nisy toa io.
Vita ny fisehoan'ity olona iray,faly ny fianakaviana,tonga ny fandraisana anjara eo amin'ny hoenti-manana ny raharaha.Noho ny hafalian'ny rehetra dia samy mafanafana ny hanao fanomezana ary tapaka ny vola aloha.Saingy indrisy tonga tany an-trano ireo fianakaviana hafa dia nivadika hoe tsy afaka anao indray fa tsy ankanery ny fanomezana fa izay foy
8. niryna ( 16/03/2007 21:15)
kally:

xxx:

zao ve no resakana tovovavy 23 taona ? Rehefa 60 izany tsy mampihoalahoala ? :{


:roll::roll::?: tsilovy kely fa maizina be!




Aiza tokony ny lampe de poche fa tena tsy mazava ny tian'i xxx hotenenina

9. niryna ( 16/03/2007 21:17)
booboo:

hihihihi mbola misy delestazy hono zao ô


stage tsy vita amin'izay toa tsy ho vita intsony aky booboo a.Ela loatra e
10. kally ( 17/03/2007 10:54)
niryna:

booboo:

hihihihi mbola misy delestazy hono zao ô


stage tsy vita amin'izay toa tsy ho vita intsony aky booboo a.Ela loatra e




Delestazy hono koa stage ahoana aaary?:roll: vao mainka maizina indray! ampireheto labozia indray o!
11. mirana5 ( 17/03/2007 21:30)
Tezera fa aiza manota raha izany é
12. niryna ( 19/03/2007 04:46)
Sorry kally a fa delestazy no tiako ho tenenina fa lava loatra e. Na ny labozia aza anie lafo e.
13. niryna ( 19/03/2007 04:48)
mirana5:

Tezera fa aiza manota raha izany é


Tena izay ilay izy fa misy tena tsy mahatanty ka.Ilay hatezerana ao anatiny hono no mahatonga an'io ka rehefa misy zavatra mifandraika ny mitovitovy an'io dia mitrotra ilay olona:-/
14. tolona ( 10/04/2007 01:05)
fadio surtout ny mivoadivoady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1856