Referandaoma. Efa mitsangana ny «Plate-forme pour le NON»
1. ronaldo09
(
14/03/2007 13:44)
Efa mihetsiketsika ny mpikambana ao amin’ny Crn amin’izao fotoana izao, na dia tsy re firy aza tato ho ato. Araka ny nambaran’Ing. Betiana Bruno izay any amin’iny Faritra Sava iny amin’izao fotoana izao, dia efa mitsangana ny “plate-forme pour le Non” any amin’ny Faritra Sava sy Diana. Izay indrindra no fototry ny diany any an-toerana efa andro maromaro izay.
Saika efa tafatsangana avokoa, hoy izy, ny amin’ny fivondronana tahaka ny any Antsiranana I sy II, Ambilobe , Nosy-be, Vohémar sy Antalaha ary ny any Andapa sy Sambava. Ny mbola tsy vita dia ny any Ambanja. Tsy any amin’ny fivondronana ihany no hananganana izany fa hatrany amin’ny kaominina. Raha tsy misy ny sampona, hoy izy, dia hisy fihaonam-be hatao any Ambilobe amin’ny faha-17 marsa 2007 izao. Ny tanjona moa, ho azy ireo, dia ny hampandresy ny “Tsia” amin’ny referandaoma amin’ny 4 avrily 2007 izao.
Ankoatra izany rehetra izany, nolazainy fa saika ahitana ny solontenan’ireo kandida tamin’ny fifidianana tamin’ny 3 desambra 2007 ity “Plate-forme” ity, raha any amin’ny Faritanin’Antsiranana no ambara. Raha izay izany ny any amin’ny faritra Avaratra, tsy hay na hisy ihany ny fiarahan’ireo kandida na ny mpanohana ireo kandida tamin’ny fifidianana farany teo ka hampanao ny “ tsia” izy ireo. Hatramin’izao aloha izay rehetra nihaona tamin’ny mpanao gazety ka nanambara ny heviny, dia saika hampanao “ Tsia” avokoa.
source www.wanadoo.mg

novalian'i fijo ny 15/03/2007 05:37
3. newyork2007
(
14/03/2007 14:30)
Ny avy ao @Mouvance zao no mazava ho azy fa hampanao ENY ka ho iza indray moa?Nefa hoatry ny TSIa no hahery amin'ity nefa koa ve ny fanjakana hanaiky hoe TSIA no handresy????:wink::wink:
4. xxx
(
14/03/2007 14:34)
Hatramizay nisian'ny referandaoma aloha dia ENY foana no nandresy ,raha mandresy eto ny TSIA dia hipetraka ho tantara izany!
5. kally
(
14/03/2007 14:58)
Aleo hisy ny mpanohitra fa mampiahiahy izany zavatra tsy misy mpanohitra izany!
7. kally
(
14/03/2007 16:10)
ronaldo09:
TSIA no mandresy na inon-kidona na inon-kihatra!
Fa i Ronaldo irery kosa angaha no hisolo tena ny vahoaka rehetra hifidy? Ka raha eny ve no ho fidian'ny olona dia mbola ho tsia ihany no handresy satria na inon-kidona na inon-kihatra? Mahavariana an?:roll:
8. fijo
(
15/03/2007 05:37)
ny olana anie ry zalahy dia afangaron'ny olona izao ny resaka "non" sy ny mpanohitra e.vao mahita ny olona hoe iza avy ireo manentana ny "tsia" avy dia leo ny olona.
izay ny olana lehibe.za manokana,dia miahiahy amin'io lalam panorenana io koa.saingy tsy mifidy moa ny tena ka mangina