mba mitady tononkiran'ny gmmc

1. perfect ( 13/03/2007 04:36)
tsy haiko ny tena lohateny fa misy ilay hoe: "jesoa no miantso anao" raha tsy diso koa ary aho,mahafinaritra ialay hira ka mba mitady ny toniny ny tenanay e!hi an'izay manana
2. ari.malala ( 13/03/2007 11:54)
Ho anao io ny lohateniny

Jeso no miantso izao
ho anao izay mihaino io
moa vonona ianao
hiaradia Aminy ho doria
aza variana sao
hanenina ianao
rehefa maty anie
na mankany an-danitra na afobe

Aza mangataka andro
hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i satana anie mitady namana ho kitozan'afobe
fahasambarana no homen'ny Tompo an'izay mandray Azy
Fa i Jeso anie mitady namana handova lanitra e

ANgamba hoy ianao
be ny ota izay natao
handray ahy ve Jeso
Izaho maditra sy tsy mendrika akory
Tsarovy ilay jiolahy
nohomboana tamin'ny hazo
vao niaiky ny helony izy
nentin'i Jeso tany am-paradisa

miandry anao, miandry anao Jeso tia miandry anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127