Fangatahana fanafoanana hetra @ sampampampianarana rehetra

1. xl ( 28/02/2007 12:50)
Raha te hiroso lalina @ fanabeazana ny fanjakana dia tokony hitsimbina ny foibe na sampampampianarana maro,
Izany hoe hampirisihina ny mpandraharaha na mpampianatra hanitatra ny sekoly sy fianarana asa eran'ny Madagascar
@ izay mba betsaka ny karaman'ny mpampianatra dia mazoto tsara izy ireo,
Eny ary o!
novalian'i pimaso ny 27/04/2007 12:09
2. sitlo ( 28/02/2007 13:45)
Izaho tsy mandrisika an'izany. Lasa vary mitsangana ndray ny sampampampianarana avy eo. Tsy misy dikany intsony diploma sns... .
Amin'izao aza efa tsy laitra ireto sekoly mamoaka BTS etsy sy eroa. Dia rehefa mahazoazo vola dia mamoaka hatramin'ny ingeniorat nefa avy eo ilay ankizy mitaraina hoe tsy mahay akory.
3. mercure ( 28/02/2007 14:46)
Miombona hevitra tanteraka amin'i sitlo. Marina fa tsy ampy ny sekoly any Madagasikara saingy tsy mbola tokony ho laharam-pahamehana ny famelana sy fanitarana sampam-pianarana na fianarana asa tsy miankina. Mitady vola no mahamaika ny ankamaroan'izy ireny fa tsy ny hanatanteraka ny tanjona fototra nijoroany dia ny fampianarana ny zanaka malagasy. Ny an'ny fanjakana no tokony hamafisina ary izany rahateo no efa himasoan'io fanjakana mijoro io.
4. simplex ( 28/02/2007 20:27)
Miombo-kevitra @ sitl

Sady tsy mitombina no antiekonomika tsotra izao io. In moa ny hetra alaina @ sekoly? Siora mintsy ah fa tsisy TVA any ka hoe andoavana hetra isaky ny ankizy tafavoaka :°):-D:-D

Resaka tolotra sy tinady tsotra fotsiny, miankina @ "qualifications" anao ny karamanao. Na izany na tsy izany anefa d tsara kokoa ny fanasiana karazana valisoa na hoe prime miankina @ vokatra avoakan'ireo mpampianatra. Mety mahatsara zavatra izany. Io anefa dia fitantanana manokana an'ilay sekoly fa azo atao tsara io na tsy miala aza ny hetra... Resaka "culture d'excellence" io fa tsy hoe "incitation fiscale" loatra :-*
5. linarako2 ( 02/03/2007 23:40)
xl:

Raha te hiroso lalina @ fanabeazana ny fanjakana dia tokony hitsimbina ny foibe na sampampampianarana maro,
Izany hoe hampirisihina ny mpandraharaha na mpampianatra hanitatra ny sekoly sy fianarana asa eran'ny Madagascar
@ izay mba betsaka ny karaman'ny mpampianatra dia mazoto tsara izy ireo,
Eny ary o!

Ny oran'ny mpampianatra no tokony hampitombona fa kely sy tsy ampy ny ankizy.Miasa isika tsy maitsy mandoha hetra.

6. niryna ( 05/03/2007 01:39)
Ny fandoavana hetra die ilaina hanampiana ny fanjakana
7. tsimatimanota ( 07/03/2007 13:23)
Betsaka ny sehatra tokony hampitomboana ny haba, na hetra alain'ny Fanjakana,
Fa ny fampianarana anie tsy misy CA be loatra izany e!
ny 25 % ihany anie no manao Etude secondaire eto M/car e!
ka raha ireo no antenaina,
ny université anie tsy atao imason'olona fa tany ny tena no nivoaka, fa raha ampitahaina @ INSCAE / GSI ireny tena , tsy ampy pratique mihitsy fa dia cours magistral be fotsiny,
ka ny sehatra tsy miankina no manana laboratoire, document, esprit de curiosité
ny plupart ny chef d'Entreprise eto M/car dia nivoaka t@ sehatra tsy miankina
Ataovy ny sondage fa mety hahasoa ny firenena ihany ny hevitr'i xl sasany
8. sitlo ( 07/03/2007 16:04)
Raha izany dia tokony ny eny Ankatso no havaozina fa tsy ny any amin'ny prive indray.
Mampalahelo ery ny mihaino ny ankizy ao gestion DEGS miditra 5:30 maraina (tsy haiko amin'izao), satria ilay prof mbola handeha hampianatra any amin'ny prive amin'ny 8:00 maraina.
Aiza moa no tsy hisy elanelana be ny fahaizana. Izaho mahita fa raha hanavao ny fampianarana dia ny eny Ankatso no mila havaozina voalohany. Tsy hoe hampiakatra bourse an. Aiza ve kah efa tamin'ny novambra tany ho any ny vacance dia izao vao manomboka ny fampianarana.
9. TFP ( 08/03/2007 08:49)
Sarotra be ty resaka iray ity nefa tena mahaliana. Voalohany, ny fampianarana ambony anie eran-tany ka ny tsy miankina no tena betsaka sy tsara indrindra e! Koa maninona moa izy ireo no ho ferana! Ny sanda mifehy ny fampianara rehetra dia tokony hitovy fotsiny na miankina na tsia, avy eo toy ny diaspora:samy mandeha samy mitady. :lol:

Raha ny fampianarana fototra izay misy lafiny sosialy betsaka kosa dia tokony averina andraoina mihitsy ny programa satria ataon'i ngaona any ambanivohitra inona moa izay hianatra teny frantsay na anglisy ofisialy nefa ne asa hamelomany teny rahatrizay aza tsy misy safidy hafa tsy ny mpiandry omby na manao dahalo? (Na manao depiote fa tsy dia mifankaiza moa ireo asa ireo;-)
Marina fa mikofokofoka ny minisitry ny fampianarana fa ny olana dia toa tsy manam-pahefana akory ny anao lahy (sa tsy manan-kevitra ve?) fa toa ny hevitry ny mpamatsy vola fotsiny no taterina dia inona fa tsy ny omaly ihany no avadik'e!
Raha ny hevitry ny lohakeliko aloha dia raha tiana hisy dikany ny fampianarana dia tsy maintsy misy sivana sy fanavahana. Tsy hoe fanavankavahana fa fanavahana : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e!
Fa tsy andeha anao ingénieur sy dokotera daholo akory. Hovaina koa izany ny rafitry ny toekarena mba halalaka ny vaovao (informations). Ny mpamboly dia tokony ahay amboly sy hivarotra ny vokany hatrany @ CBOT (Chicago Board Of Trade moa izy teo?) na ao anaty rafitra misy olona mahay izany, ny dokotera mitsabo, sns.
Fa ity fampianarana @ zao fotoana izao ity manajary lasa coursier sy informaticien daholo ve rangaha ny tary le! tsy hoe ratsy akory zany an! Fa iza moa no niandrandra an'izany fa izay kandra zakan'ny tsena no natao. Any Dago aza moa na ny kandra misy anarana mipoapoaka aza tsy mahavelona ka inona no atao? Mibizina sy manapoaka! Mianatra ireo tafit'e!
10. xl ( 09/03/2007 14:55)
TFP > marina ny anao,
fa dinio anie e! eo @ sehatry ny informatika sy fitantanana moa ny tena araka ny voalazanao teo,
Nianatra nandritra ny dimy taona t@ sehatra tsy miankina io, avy eo mbola nanao stage 06 mois,
temporaire 01 mois, avy eo vao mba nahazo poste à responsabilité,
ny coût ny fampianarana aloa dia midangana dia midangana satria nandoa hetra sy licence ny institut t@ nanafarana ny matériel informatique, dia tsy maintsy alana @ frais de cours izany,
Hitanao fa raha tsy misy aide ny Etat na International matotra manampy @ io fianarana io dia , tsy ho hita tableau rahoviana ny any ambany dasy rehetra,
Ady Hevitra moa ny antsika rehetra ka izay mahasoa no tadiavina e!
Misaotra antsika rehetra
11. pimaso ( 27/04/2007 12:09)
=D=D=D
;-)
;-)
;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3786