Voazara tamin'ny filoha ny alahelo.

1. Fiffi ( 28/02/2007 08:53)

Niaka-dapa tetsy Ambohitsirohitra io atoandro io ireo loholon'i Madagasikara, izay namaly ny antson'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, mba hifampizara izay alahelo na hafaliana momba ny fanitsiana ny lalàm-panorenana izay nivoaka omaly hariva nandritra ny filan-kevitry ny ministra ireo rijan-teny asiam-panitsiana.
Loholona 31 no tazana teny, izay nahitana ny teo anivon'ny AVI, Leader Fanilo, AFFA, ny TIM, Liaraike, ary ny tsy miankina. Nambaran'ny filoha Ravalomanana fa tsy maintsy notapahina ao anatin'ny filan-kevitry ny ministra ny hariva ny momba ireo tolon-dalàna maro naroson'ny fikambanana sy antoko maro momba ity lalàm-panorenana ity, ka rariny raha maka ny hevitry ny loholona ny tenany.
Samy namosaka izay heveriny ho mety avokoa izay nanan-kambara, ary ny fitazonana ny antenimieran-doholona no masaka tamin'ireto loholona ireto. Omaly hariva dia efa mikatroka momba ny fanapahana ilay tolon-dalana na A sy B ireo ministra izay tarihan'ny filoham-pirenena teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Ny hita omaly aloha dia voazara tamin'ny filoha ny alahelo ho an'ireto loholona ireto, ka ny « hevitry ny maro tokoa mahataka-davitra », hoy ny fiteny.
novalian'i xl ny 28/02/2007 13:43
2. Fiffi ( 28/02/2007 08:54)

Honoré Rakotomanana • « Mahaiza mipetraka ianareo filoham-pokontany »
Taorian'ny fiakarana teny Ambohitsorohitra omaly no nilazan'ingahy Honoré Rakotomanana, fa tsy tokony hiambo ho ambony noho ny hafa ny filoham-pokontany, raha nomena andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Toa mihevitra ho ambony noho ny ben'ny tanàna, na filohan'ny faritra sy ny hafa ireny filoham-pokontany ireny, raha nilaza ny filohan'ny nosy fa hiainga any ifotony ny fampandrosoana. Hita io amin'ny fokontany maro eto amintsika hoy izy, izay tsy manaja ny rafitra eo amboniny intsony fa mizahozaho ho manana fahefana be loatra. Io fieboana io no tsy mampandroso ny tanindrazana, ka aoka mba ahay hifanome tanana ny rehetra satria izay no tombontsoa ambony indrindra ny firenena.
3. Fiffi ( 28/02/2007 08:54)

Betiana Bruno • « Foano ny loholona fa tsy ny sénat »
Raha izahay loholona ankehitriny no foanana tsy maninona, satria efa madiva ho tapitra ny fotoam-piasanay, fa raha ny andrim-panjakana dia ny sénat kosa no ravana angamba tsy mety hoy ny loholona AFFA Betiana Bruno. Ny antony dia nahay nanaja tena hatrany izahay teo amin'ny fomba fiasa, ary tsy hita tao anatin'ny lapa ny fanaovana totohondry. Ny teo amin'ny antenimieram-pirenena anefa dia ahitana ireo totohondry sy korontana maro samy hafa ireo. Noho izany, rariny raha mbola avela hanana ny toerany eto amin'ny firenena ity andrim-panjakana iray ity
4. Fiffi ( 28/02/2007 08:55)

Kaleta • Foanana ny faritany mizaka tena
Rehefa mahazo fitenana eo anoloan'ny manam-pahefana dia samy mamboraka ny ao am-pony ny rehetra, ka anisan'izany ingahy Kaleta izay loholon'i Madagasikara. Efa tolon-kevitra nataonay naroso teo amin'ny komity andrimatoa filoha ny fanafoanana ny faritany mizaka tena, ka ny faritra 22 no apetraka, satria io no manakaiky kokoa ny vahoaka. Ny momba ny fotoam-piasan'ny filoha ihany koa dia nandrosoan'ny antoko Liaraike tolon-kevitra. Raha ny omaly tetsy Ambohitsorohitra no asian-teny fohy dia anisan'ny loholona natsoin'ny filoha manokana ingahy Kaleta, ary minitra maro tato afara vao niroso avokoa ny loholona rehetra.
5. Fiffi ( 28/02/2007 08:56)
(nozarazaraina fa lasa lavabe)

Naivo kely Madagascar Tribune
6. xl ( 28/02/2007 13:43)
dia ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1551