Ny voadiko

1. huitcentsix ( 25/02/2007 15:46)
Mitady mafy ny tonon'ny ity hira ity aho, ny titre tsy dia sûr loatra aho hoe marina, "ny voadiko"

ny fiantombohany angamba no moramora aminareo kokoa ny hafantatra azy : "Izao no voady, izay hataoko, tsy maintsy ho tanako..."

dia misaotra ireo izay manampy ahy hanome io tonokira io.

Veloma indray
novalian'i Fiffi ny 25/02/2007 18:59
2. Fiffi ( 25/02/2007 18:25)
ianao izay nametrahako ny foko mba ho namako
ho tia anao n'aiza , n'aiza
tsy misy fetra hoe hatraiza......

andraso aloha tadiaviko fa hananako io.....
3. Fiffi ( 25/02/2007 18:59)
Fikasana ny titra an'io hira io an !

Izao no voady izay nataoko tsy maintsy tanako
Ho anao izay nametrahako ny foko mba ho namako
Ho tia anao n'aiza n' aiza
Tsy misy fetra hoe hatraiza
Hiombon-tsento sy fifaliana manomboka eto
Hohadinoiko ny lalao sy fiainako efa lasa
Hery vaovao no entiko mikasa
Hanorina ny ankanintsika mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.

Mivoha sahady ny vavahady hidirantsika izao
Hifampitantana hiara-dia izaho sy ianao
Tsy nofy intsony ilay fiadanana
Fa ho zaraina samy hanana
Ny tiana tafaray amin'ny tia
Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako
Tiako ianao eny tena tiako
Haorintsika anio ny ankany mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078