De tsy ho adino tokoa ve?

1. ajola ( 19/02/2007 13:50)
Efa erin-taona izay no nahalalako tovolahy anakiray. Niaraka izahay satria nampiseho izy fa toa tia ahy. Nandeha tsara ny fiarahanay tamin'ny voalohany fa avy eo toa tsapako fa lasa toa tsy fitiavana ilay fiarahana fa sex sisa no nampifandray anay.Nieritreritra aho fa ho arahiko amizay satria tiako izy. Avy eo hitako fa tsy misy fiovana de naleoko nisafidy ny tena hisaraka aminy. Nefa avy eo dia tonga izy ary izaho de tena faible be foana teo anatrehiny. Ka naleoko ni-eviter ny hifankahita aminy ary lasa mijanona ao an-trano foana aho nefa tovovavy tia manala azy ihany. Tsy ela aho izay nanapa-kevitra fa hanoy ny fiainako amizay ary tsy hiraharaha na mahita azy aiza na aiza. Nandeha boite aho ary nihaona izahay ary hatramin'izao na dia efa nieritreritra aza aho fa adinoko izy de mbolamarary ny foko mahita azy miaraka amin'ny sipa hafa,... De mahavelom-panontaniana ahy ihany hoe: de tsy ho adinoko mihintsy tokoa ve izy iny?
Tena mijaly aho ary tsy a l'aise refa eo izy. Inona kay no tokony hataoko?
Tena te hanadino azy aho, ary mila fanampiana avy aminareo.
novalian'i ajola ny 26/02/2007 13:26
2. nathie86 ( 19/02/2007 14:28)
ny fanontaniako 1 de hoe ndry nga mbola tsy manana olotiana vao².Ataovy ao antsaina fôna hoe nisaraka satria izay no mety @ko. Ny saina no mibaiko anao fa aza manaiky baikon'jvt afa zany. Aza atao hitany fa faible enao eo anatrehany satria azondry ihany angamba. Mitadiava activité atao tena tiana nefa tsy manaonao fôna. Za mino fa tsy maintsy adinondry izy e. Tsy azo afangaro mantsy ny sex sy ny amour.Ndry ary tokny ho soulagé nisaraka t@. Zay angamba tsy de manana experience lôtra. Itandry ny olona niaraka tsy maintsy tadidy fôna tsy mety adino satri misy zvt atadiavana azy fôna fa tsy de agravéna B fotsny. Courage
3. Fiffi ( 19/02/2007 14:40)
ka aiza aloha no misy an'zany hoe fiarahana tsy misy heu.....(sex) zany ? io ange anisan'ny fampisehoana an'le fitiavana eh ! (raha tsy mi-exazy)
ka enao no te-hanadino azy ....enao no te-hisaraka taminy nefa zao mankarary ny fonao ny fahitana azy manao ny fiainany.....nefa ho hitanao eo koh fa rehefa manao ny fiainanao enao ka nahita zay solony ...tsy ho afaka @ io hoe tsy misy resaka sex zany satria fianana akia io an !
heu...de ataovy zay tsy hifankahitana aminy.....de mitadiava sipa koh enao de mora hadino izy @ zay....
4. nathie86 ( 19/02/2007 14:52)
mety hoe tsy maintsy misy sex ny fiarahana saingy mino kosa ngamba za fa tsy io no zava-dehibe. De aôna kosa hoe sex no itiavana azy zany ve tsy afaafa.
5. Fiffi ( 19/02/2007 15:21)
tsy hoe sex no hitiavana azy kah ! fa......fiainana io.. Raha sanatria indray ka hoe io fotsiny no hitiavana azy de grave zany !
6. mercure ( 19/02/2007 17:24)
Ilay hoe hanadino azy tanteraka aloha tsy possible e, efa betsaka loatra ny zavatra niarahanareo niaina. Ny mety atao dia ny mitady zavatra hi-occuper-na fotoana, nefa tsy manaonao foana araka ny efa voalazan'ny namana etsy ambony. Amboary ny saina fa aza manaiky mampijaly tena be ohatra izany e, ambony môraly ôzizy Tsiliva izay.
7. booboo ( 19/02/2007 17:33)
ajola > f'angaha nareo tsy nifampiresaka talohan'ny nisarahana fa tondé barakay ? :roll: . Ataovy an-tsaina fotsiny hoe sitraponao no nisaraka taminy na malahelo ohatra ny inona aza ianao. Rehefa tsy mety mihitsy ny fonao dia andana miresaka aminy e...sao mbola misy azo velomina (euh...tsy mino zà klou).

nathie86 > 8O8O8O8O8O8O8O8O8O tsy azo afangaro ahoana ny amour sy ny sexe ? isan'ny forme de communication @ couple iraika ny crac crac, sady mampiavaka ny mpifankatia (mpisipa/mpivady/mpi-amants sns) @ mpinamana tsotra.
8. xxx ( 19/02/2007 17:48)
Fiffi:

ka aiza aloha no misy an'zany hoe fiarahana tsy misy heu.....(sex) zany ? io ange anisan'ny fampisehoana an'le fitiavana eh ! (raha tsy mi-exazy)




hay ve Fiffi mitovy fijery amiko ihany e, fa saingy hoe... :wink: :°)
kôp enao e ;-)
9. Fiffi ( 19/02/2007 18:14)
tsy kôpy zah koh !
10. HESHA ( 20/02/2007 13:48)
ny adino alou toa tsy dia misy, tsy maintsy tadidy foana hoe iny le raika lahy talou.
fa le marary fo no miala ho azy iny refa elaela fa aza taitaitra.
aza manova fihetsika fa mandehana foana any am boite na mahita azy aza, farany ianao zatra de tsy maninn tsony ndray.
sady ra mihidy aman trano ao ianao de sady tsy voasolo izy no tsy adino, marina e. tsy hisy zavatra hotanisaina sy eritreretiny ankoatran azy tsinn ra vao zay.
mazotoa !!!!!
11. Fiffi ( 20/02/2007 15:52)
hadinoy ny anarako
hadinoy ny amiko
marina fa nitia anao....

Hadinoy izy...marina fa tsy zavatra vita mora io saingy tsy maintsy hatao raha mampijaly......
12. nikopol ( 20/02/2007 15:58)
aza adinoina izy ajola fa mbola tiany foana ianao an :-D:-D:-D
13. vale ( 20/02/2007 16:58)
tsss..:-D:-D
14. Fiffi ( 20/02/2007 18:16)
:-D
15. tynah ( 20/02/2007 20:12)
zao akia ah! efa nanapa kevitra ndry ny niala taminy , ary matoa ndry naka io fanapahan kevitra io d io no fatan dry fa mampety ny fiainan dry, ndry rery no hizaka an'io ka refa natao d tanteraho hatram farany. aza mampiseho fahalemena eo antrehany zany fa mila manao mafy loha kely ndry eo imasony. Asehoy azy fa na tsy misy aza izy mety fona ny fiainan dry ary vao maika aza miha tsara. Ny tsara alouh d tokony hisy ol hisolo ny toerany eh! nefa tandremo koa fa sao vao maika pire noho lay teo no ho solony. Aza malahelo fa tsy ndry rery anie no tratra otran'zao eh! ny ahy aza nisara toerana zahay ka tsy hihaona raha tsy afaka 3ans :cry: ka mahereza eh! d mivavaha akia ah!fa hahita solony m'lay be ndry!:D
16. nathie86 ( 21/02/2007 07:06)
Fiffi:

tsy hoe sex no hitiavana azy kah ! fa......fiainana io.. Raha sanatria indray ka hoe io fotsiny no hitiavana azy de grave zany !


ka iz nge ki niteny hoe taty aoriana za nahatsapa fa sex ftsny no itiavany ahy e. De hono oa ki ndry mba ohatran'ny manana exp ihany @ndry ve ny sex sy ny amour mitovy ihany?

17. xxx ( 21/02/2007 07:47)
Eny e! ny lasa hono tsy fanadino ary sarotra tokoa ny manadino , fa izao efa nahazo zaho tokoa io zvt io fa ny nataoko dia niaraka tamin'ny olon-kafa za ary io no hitako nanasitrana an'ilay fery tao anatiko ; satria "ny fanafodiny fitia hoe dia fitiavana ihany" ,ny ahy aza aky ilay olona ilay niaraka tamiko taloha , ilay olona niarahany dia hitako fona isanandro ry zareo miaraka fona satria miara-miasa amiko , nalahelo ihany tokoa tamin'ny voalohany ny saiko no nalamiko tsara na dia miredareda ao anaty aza ny alahelo , zaho rahateo moa manana ny ahy ihany koa , rehefa taty aoriana moa izany dia afaka tateraka mihitsy ,na hitanao mifanoroka aza ry zareo tsisy dikany amiko , mila mba manala ny andronao amin'ny zavatra hafa ihany koa ianao fa tsy mila manjoretra fa manjary tafaeritreritra azy fona eo , izay fa mila mivavaka ihany koa hianao fa ny vavaka mampiova zavatra , izay fa mahereza e
18. nathie86 ( 21/02/2007 09:23)
xxx zany an:lol: mafinaritra anà r'reto n ato ka marina e
19. ajola ( 21/02/2007 10:35)
Misaotra alou am ny hevitra omenareo alou e!
Na izaho koa aza mahatsapa fa ny manana olona vaovao no tena fanafodiny fa saingy toa ze tounga ray to tsy misy m-interessee ana mihintsy.
booboo
20. ajola ( 26/02/2007 13:26)
Misaotra anareo amin'ny toro-hevitra.
Mino aho fa ho adinoko izy. Eny e, mafy ny manirery fa saingy izay ny fiainana. Na izaho koa aza manaiky fa ny miaraka amin olon kafa no tena fanafody haingana fa saingy ohatran'ny tsy te hiaraka min'izan'iza mintsy aho nefa dia maro no milaza fa tia ary misy aza anakiray tena tsara toetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076