Ampiasao toa izao ny blaogy.org

1. hery ( 12/02/2007 12:07)
Manahoana daholo,

Isika namana rehetra eto amin'ny serasera dia afaka mampiasa ny blaogy.org hametrahantsika ireo zavatra manokana izay tsy tafiditra eto amin'ny forum, na koa tiana hotehirizina maharitra... (satria ny eto amin'ny forum dia voafafa rehefa tsy misy mamaly mandritra ny 2 volana)

Ny blaogy.org ohatra dia azonao ametrahana video ( http://kitjo.blaogy.org/2007/02/10/lucky-luke-part-i/ ), azonao ametrahana sary maro ( http://ikalamako.blaogy.org/2007/02/02/tonga-soa-ihany-rizareo/ ), azonao ametrahana izay fiainanao andavanandro tianao hotehirizina any ( http://sipagasy.blaogy.org/ ), azonao asiana ny tena mombamomba anao manokana tena serieux ( http://vanilla.blaogy.org/ ) kanefa azonao ametrahana izay izay fialambolinao ( http://pissoa.blaogy.org/ ). Azo asiana resaka lava be tsy voafetra... ara-pilozofika ( http://jentilisa.blaogy.org ) dia azonao tsy asiana na inona na inona koa :-D ( http://maditra.blaogy.org/ )

Inona no misakana anao tsy hanao blaogy?

Soraty ao daholo na ny faniriana sesehena, na rediredy politika manohana sy manohitra an-dRavalo, tononkalo, sns

Izay tsy zakan'ny forum. :-)

Raha mazoto ianao ary dia mandehana ao amin'ny

http://blaogy.org

Misaotra
novalian'i sitlo ny 14/03/2007 05:30
2. booboo ( 12/02/2007 12:59)
Inona no misakana anao tsy hanao blaogy?


-refa mi-clic ilay " sauvegarder le truc " zà dia " erreur sur la page " foana no mipoitra eo dia very aby zay nosoratako refa alefa @ zay ilay izy.
3. hery ( 12/02/2007 13:01)
booboo> misy auto-sauvegarde ao @ blaogy.org kah.
4. booboo ( 12/02/2007 13:04)
ah... misaotra ô. Ndeha hiverina ao ndray zà zany hihihihihi
5. hery ( 12/02/2007 13:08)
Sady azo atao koa hoe adika @ sisiny aloha dia rehefa tena vonona vao atao dika-petaka (copier-coller) ao @ blaogy.
6. fasaly ( 12/02/2007 14:43)
hanao zà ka ! hanao mahintsy fa aleo kalou hojerena raha efa voafafa lay ahy taloha....
7. xxx ( 13/02/2007 02:56)
Ny ahy hery ilay mametraka sary ao aminy mihitsy no tsy haiko. Ilay izy mitady url nefa ilay sary aza offline. :x
8. kitjo ( 13/02/2007 06:46)
xxx> ampidiro ato aloha ny sary

http://www.imageshack.us/

Aza adino ny mi-cocher ilay hoe "resize".
ATaovy an ilay "For website" mety kokoa..

"upload"

d refa tafiditra lay izy dia ay url ery @ farany ambany inddra hoe "Direct link" no atao "dika apetaka" eo @ lay URL angatahiny io

9. kitjo ( 13/02/2007 06:48)
sady tena mora be mampiasa an' ilay blaogy.org ra oharina @ blaogy.com

Misoatra ny mpikarakara e
10. hery ( 13/02/2007 10:42)
xxx>

Misy fanazavana mazava tsara momba ny fampidirana sary nataoko
http://blaogy.org/blog/2007/02/02/fomba-fampidirana-sary/

11. xxx ( 13/02/2007 22:37)
:-D

melsy
12. kitjo ( 14/02/2007 16:53)
Ooppss> ay mo le nolaziako io @ blaogy.com fa tsy ny @ .org
13. sitlo ( 14/03/2007 05:30)
ary ahoana kay ny manova ny sary eo amin'ny fandraisana iny? Ilay eo amin'ny voalohany iny mihitsy, sa tsy misy safidy fa arakaraky ny template ampiasainao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.368