vehivavy sy zanaka

1. xxx ( 01/02/2007 15:44)
Betsaka ny tovovavy eto frantsa mihotra ny 28 ans efa manambady toa mbola tsisy vonona ny hiteraka fa dia variana @ fitadiavana sy ny rendrarendra isan-karazany nefa manana moyen tsara raha hoe hiteraka , inona no antony kay ????? , misy koa ireo tovovavy efa miotra ny 30 ans nefa na ny fofony aza tsy misy , fa ahoana ihany e !!!
novalian'i miraymel ny 30/11/2007 07:58
2. diamondra27 ( 01/02/2007 16:24)
méfiante, variana @ fitadiavana, tia liberté, mbola te hi-vivre seule hanao fiainana.TSy tia komandin'ny lhl na somizo.

Te hanaraka ny fanaon'ny aty ivelany.

ETC ETC
3. booboo ( 01/02/2007 16:44)
Betsaka ny tovovavy eto frantsa mihotra ny 28 ans efa manambady toa mbola tsisy vonona ny hiteraka fa dia variana @ fitadiavana sy ny rendrarendra isan-karazany nefa manana moyen tsara raha hoe hiteraka , inona no antony kay ?????


Safidy ny hiteraka na tsia amiko manokana. Manana ny antony manokana maha-resy lathatra azy tsy mbola hanana zanaka izy, tahaka ny sasany manana ny antony manokana ihany maha-resy lahatra hanana zanaka....

, misy koa ireo tovovavy efa miotra ny 30 ans nefa na ny fofony aza tsy misy , fa ahoana ihany e !!!


ahoana ihany ahoana ? hihihihi
4. chakkakkely ( 01/02/2007 17:25)
amiko koa alo dia safidy ny hanana zanaka na tsia eh , indrindra moa ra hoe efa manambady zany , sady zany miteraka zany ange ka mila fahavononanan tanteraka eh , tsy hoe taitaitra hoe andeha za hiteraka dia atao iny , fa tena zavatra mila fiomanana bedabe zany , satria ny mitaiza surtous aty andafy aty tsy mora , ny fitadiavana etsy andaniny ny zaza avela aiza , hafa ny any dago hoe maka mpitaiza na hoe alefa any am i mama na ny rafozana ra miasa aty iza no ho samborinao am zany , ka dia mila mivonona am zany rehetra zany eh , aleo aza mahita azy tsy miteraka toy izay mahita azy mijaly kely mitaiza sa aona hoy nareo ?

dia ny momba an le vehivavy 30 mihotra tsy manana na dia ny fofony aza , mety safidy ny azy , nefa mety koa fatra pididy loatra ka taraiky teo , 8-),
nefa mbola tsy tara zany 30 ans zany fa aza kivy eh ,
5. andry08 ( 01/02/2007 17:39)
Ary raha mihoatra ny 30 taona aza anie dia harahin'ny mpitsabo tsara ireo ka tsy dia misy olana firy hoe manao ahoana. Safidy io ary mety ho tsy te hiteraka mihintsy koa ilay olona.
Mbola misy aza ny miteraka na dia 50 taona sy 60 koa!
6. melody ( 01/02/2007 18:44)
Ankoatrany safidy tsy mora ange ry xxx ny mitaiza ka raha mbola tsy vonona dia aleo mihintsy aloha tsy manao zaza na manana moyen toa inona izy e!
7. Zina ( 01/02/2007 20:00)
Betsaka ny tovovavy eto frantsa mihotra ny 28 ans efa manambady toa mbola tsisy vonona ny hiteraka fa dia variana @ fitadiavana sy ny rendrarendra isan-karazany nefa manana moyen tsara raha hoe hiteraka , inona no antony kay


mafy ny fiainana

misy koa ireo tovovavy efa miotra ny 30 ans nefa na ny fofony aza tsy misy , fa ahoana ihany e !!!


mafy ny fiainana
8. xxx ( 01/02/2007 21:41)
momba ny iray dia lany zara ny faharoa
9. xxx ( 02/02/2007 09:28)
mitovitovy hevitra daholo ianareo reo zany , ekena daholo hoe mila fiomanana , fa teo aloan ' ny 28 na 30 ans anie efa fanomanana be e !! efa mba nanararaotra nareo mivady nanao fiainana manokana sorti,resto,soirée , tsika roa irery sns.... dia après 30 ans mba miditra étape hafa indray ( zaza io ) , eritrereto hoe : enao 35 ans zany vao hi teraka à 45 ans enao ny zanakao 10 ans , 55ans enao zanakao 20 ans , gasy ( sasany ) 55ans nefa tsy otran ' ny vazaha mateza , fa tsika tonga dia trotraka miandry fahaterana , mbola hafa hoe miara lehibe @ zanaka kosa e !!!!. Mila finiavana koa anefa izany fa tsy hoe tsy maintsy atao , mila fitiavana daholo izany , izay no maha tonga antsika tia tena indraindray tsy mahalala afa tsy ny tenatsika , ça fait partie ny fiainana daholo zany , mila prograména ny fiainana fa ny fangatahan ' andro indraindray tsy avitaina n ' inona inona , dia ny taona mandeha enefa ny tena miha antitra , dia lany taranaka ho azy eo . Mila ezaka kely zany e !!!
10. xxx ( 02/02/2007 17:23)
za aloha aleoko miteraka mbola kely de avy eo miasa fotsiny koa
11. xxx ( 02/02/2007 17:55)
aleo mianatra sy miasa vao miteraka sao dia handeha hangataka fanampiana toy ny hafa koa! fa angaha izy ity hatao tao foana hoe te hanao tsy miaro tena dia izay! ka raha 12 ny isany dia inona no hamelomana azy????
tsy ny momba na ny lany zara no tsy te hiteraka fa ianao miteny io dia tsy misy saina na dia ny kely aza!
lasa te hanao toa ny biby nefa na dia eto aza dia misy ny momba noho ny hadalany sns...
12. fijo ( 03/02/2007 06:34)
ka aza lany andro misafidy ary sao maimbo eo ny trondro
13. xxx ( 05/02/2007 08:27)
o ry xxx a !! asiana fotoanany ny zavatra rehetra , mianatra , vita fianarana dia miasa , manambady dia miteraka sa enao 30 ans mbola tsy nahavita fianarana , @ izao fotoana izao 25 ans dia afaka mitondra orin ' asa , fa tsy hoe aleo za ianatra foana , tsara io fa araho ny lohateny fa aza ampifangaroana .
14. niryna ( 06/02/2007 17:40)
andry08:

Ary raha mihoatra ny 30 taona aza anie dia harahin'ny mpitsabo tsara ireo ka tsy dia misy olana firy hoe manao ahoana. Safidy io ary mety ho tsy te hiteraka mihintsy koa ilay olona.
Mbola misy aza ny miteraka na dia 50 taona sy 60 koa!

Satria vokatry ny fitadiavana dia samy manana ny antony ny tsirairay.Tsy mitovy ny aty dago.Na ny mitaiza aza dia efa olana raha miasa.Ny antsika gasy ny hanambadian-kiterahana,rehefa mivoaka toa tsy mitovy izany ny sasany.Na izany aza aiza efa ho 50 taona ve ianao efa ho dadabe sy bebe vao hiteraka.Diniho ihany ra io ny tanjona.Hevero kely hoe 50 ianao ,vao teraka ny zaza,60 vao 10 taona izy,70 ianao.ao anatin'ny ditrany izy.Mety tsy ho tonga amin'izany akory aza raha ny statistika ny andro hiveloman'ny gasy no jerena.Asa aloha e.Rehefa ho atao dia ataovy fa aza hiandrasana ela izany sady ilay zaza zanak'antitra toa antitra kely hafahafa izany kanefa matsilo saina fa antitra ny rar
15. paris10 ( 08/02/2007 20:10)
sarotra lotra ny fiainana aty andafy kou!tandremo aza sao voa ny artina stress io a!tsy tara alou fa aty aza misy 40 vao miteraka e!fa tsinjovy ihany ny hanana taranaka ka!:lol:
16. miraymel ( 30/11/2007 07:58)
Mila fiomanana ara_tsaina le hiteraka. Raha vao tsy vonona aloha dia aleo tsy manamboatra.
Ny sasany mety matahotra Apokalypse :-$
Ny sasany mety matahotra accouchement:oops:
Ny sasany mety momba:(
...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909