an - KATSO

1. LazaDaddy ( 12/01/2007 04:24)
Mety ampandroso firenena ve ny ambaratonga ambony?
Sahy hiroso amin'izany ve ireo tompon'andraikitra sy mpampianatra isan-tsokajiny raha ampandoavina saram-pianarana ny mpianatra?

Voaresaka matetika mantsy ny tsy fahampiana ara-bola sy ara-pitaovana. Tsy mahay mangataka "grant" sy mifaninana @ "discovery project" angaha isika ety Ankatso ahazoana famatsiana? Sao kosa dia ny fahaiza-manao no mba misy lesoka kely?
novalian'i lila ny 28/03/2007 12:51
2. kitjo ( 12/01/2007 06:22)
Asa aloha fa izay rehetra nandalo ambaratonga ambony angamba dia adala raha nanao izany ka milaza oe "tsia" ho valim-panontanianao...

Manarak iznay, efa niverina tato @forum foana io resaka io f any tena olana dia tsy ampy "orientation" ny ankizy ka 1 ere annee dia ambony be ny mihintsna an-dalana...

ts mahalala zay tiany atao fa tsapatsapaina dol ze filiere sy sampana rehetra d izay ahatafidirana fts..kamo avy eo

manaraka, ny tsy fahampiana source d;information dia lesoka ho an'ny ankizy, tsisy update @ fampianarana ao andakilasy sy fampianaran-tena...tsy tia mamaky boky, ny boky vakiana rahateo efa t@ fahagola...ny internet mihisatra be...

tsy fahampiana fitaovana eny anKATSO...resaka practical tena mbola miadana be no tsy updated...laingalainga kosa anefa fa raha ny ankizy ao @ MISA d tena mahay no sady mba manam-pitaovana ry zareo ireo no miezaka ny ankizy...saingy tsy ampy ireo fitaovana ireo nohon'ny acces internet mbola milamina lotra...
ny taranja hafa tsy dia haiko lotra

fa le trano ko alo d eeee...ilaina fanamboarana fa ts mampazoto mitsy!

sinon efa manao plan ny ministera @fomba hamerenana ndray ny resaka fampianarana teknika....ho manara-penitra kokoa no sady hifanaraka amin'ny filAna!
3. xxx ( 12/01/2007 07:37)
Mbola lavitr'ezaka be izany hampandoavina saram-pianarana izany raha ao amintsika.
Voalohany ny toe-tsaina zatra vatsim-pianarana. Io ary miteraka fitokonana lava, maika fa ampandoavina vola. Tamin'izaho teny io, fa amin'izao tsy haiko raha mbola be fitokona ny mpianatra.
Faharoa, lasa tsy ho an'ny olon-drehetra ny fianarana/fanabeazana ambaratonga ambony. Rehefa miakatra ny fahefa-mividin'ny gasy dia azo atao tsara io. Fa raha amin'izao sao hampitombo isa ny mpitaingin-tamboho fotsiny, na hijanona amin'ny informelle foana ny fitadiavana ataon'ny gasy (satria sady tsy afaka miasa amin'ny orinasa no tsy afaka mi-invest) ka tsy hitondra betsaka ho an'ny fanjakana.
4. Lalah ( 12/01/2007 18:21)
tsy zay rehetra mangataka grant dia mahazo daholo, fa zay mahay mifanaraka @ editeur sy ny tariny ihany no mahazo (1%), eny e ekena fa eo koa ny fahatsaran ny publication-anao, fa na izany aza. Prof-gasy malaza tsy hininana ohatran ny vilian-tsahona reo, mahay e mahay nefa tsy hita zay vita hatramin zao
5. simplex ( 12/01/2007 18:51)
Laza:
Mety ampandroso firenena ve ny ambaratonga ambony?

Tsy izy irery akory no ilaina mba hisian'ny fampandrosoana fa condition necessaire io. Na tsy miainga akory na tsy durable ny fandrosoana ra tsy mande @ "tokony ho izy" ny fampianarana @ ambaratonga ambony.


Laza:
Sahy hiroso amin'izany ve ireo tompon'andraikitra sy mpampianatra isan-tsokajiny raha ampandoavina saram-pianarana ny mpianatra?

Ndeha hatao hoe mandeha tsikelikely ny ezaka. Voalohany aloha ny fitaovana enti-miasa no tokony ho jerena ary indrindra indrindra ny fanampiana ny isan'ny mpampianatra. Tokony mivelatra @ sehatra maro koa ary @ universite rehetra fa tsy TANA irery ihany akory. Manarak'izany ny qualite-n'ny zavatra ampianarina: moa v mba a la hauteur le ankizy rehefa tafavoaka? Fahatelo, mba firy % an'ny population active no nahita farafaharatsiny undergrad eny @ Oniversite ?

Ilay fandohavana saram-pampianarana tokoa dia ilaina io mba ho lasa activite commerciale ilay izy fa tsy hoe mandray subvention avy any @ rafanja foana akory. Mampiodina ny ekonomia koa izany. Ny toe-tsaina malagasy @ ramoramora sy ny omeo omeo lava anefa dia mbola tsy afaka mampihatra izany ny fanjakana. Rotaka anio sy rampitso ihany io ra vao atao bontolo be otr'zany. Efa mande miandalana moa ny momba an'io eo anivon'ny oniversite. Ny branche mamoaka mpianatra operationelle eny Ankatso rahateo efa saika andoavam-bola doly, ohatra hoe MISA. Zany hoe mirona tsikelikely any @ izay resaka fandoavam-bola izay isika...

Laza:
Tsy mahay mangataka "grant" sy mifaninana @ "discovery project" angaha isika ety Ankatso ahazoana famatsiana? Sao kosa dia ny fahaiza-manao no mba misy lesoka kely?

Araka ilay voalazan'ny namana tetsy ambony hoe miankina betsaka @ "importance" an'ilay fikarohana ataonao io. Saika misy "grant" doly aloha ny ankamaroan'ny taranja rehetra fa io koa miankina @ "notoriete" ananao e. En terme de publications no tiako ho tenenina. Ny antsika mantsy hoe mpikaroka @ anarany fotsiny fa tsy mahita na in na in. Hany ka dia arafesina tsy fidiny ny ati-doha... Ny Prof sasany aza moa tsy mahay miteny anglisy akory ka aiza ary.

Ho fehiny zany dia hoe mande tsikelikely ny zava-drehetra ary mitaky ny fiaraha-miasa an'ny tsirairay. Ny zavatra azo atao tsy mila moyens financiers zao tokony tonga d efa atao. Ohatra hoe ny fanatsarana ny fomba fampianarana, tokony hatao approche participative fa tsy magistrale, mba asiana pratika fa tsy teoria be tsy androfana fotsiny ihany...
6. kitjo ( 15/01/2007 06:33)
Sady betsaka ny zavatra mifampiankina amin'io

Tokony misy fiaraha-miasa @ orinasa sns mba ho updated ny fampianarana fa na mahavita aza avy eo tsy ilain'ny olona akory...
7. xxx ( 16/01/2007 09:41)
LazaDaddy:

Mety ampandroso firenena ve ny ambaratonga ambony?


Somary mahavariana ahy raha ianao no mametraka ity fanontaniana ity? Fanontaniana tsy tokony hipetraka mihintsy izany

Eo @ fomba fiasa angamba no tokony hametrahana fanontaniana
8. xxx ( 23/01/2007 21:13)
bourse mampanakarena ny bar fotsiny
9. sitlo ( 25/01/2007 20:43)
Tsy nety ny fomba nitaritana ity hevitra ity dia lasa nivoana. Ilay mpitarika koa moa tsy hita intsony.
[center]:^)
:^)
:^)[/center]
10. lila ( 28/03/2007 12:51)
ilay fampianarana eny am ankatso aloha am zao tena efa tokony hisy fiovana lavitra be e, na trano, ny fitaovana ny programme na ny fahaizan'ny mpampianatra aza tokony hivoatra araka ny toetrandro. fa na izany kosa aza ny mpiantra koa mila miezaka fa tsy manantena ny any ampianarana fotsiny. ny fahaizana teny frantsay sy anglisy, informatique zao ohatra angamba tsy eny am université vao tokony hanantena an'izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1254