Mody tsy mahita ny efa hita

1. ikaretsaka ( 30/12/2006 20:39)
Fa tena specialite an'ny Gasy ve ity mody fanina ity e

http://www.dailymotion.com/ratoza/video/xor4y_mijoro-vavolombelona


io izao dia zavatra tena mpitranga sy mpiseho @ fiainana andavanandro fa raha vao resahana ampahibemaso ilay izy dia ohatran'ny hafahafa amin'ny gasy..

lasa karazan'ny "offended" hafahafa izany ny gasy


nefa dia zavatra mpiseho sy tranga iaraha mahita izao ny ohatran'ireny anie e!

Fa inona ny antony?
novalian'i soanja ny 31/12/2006 15:45
2. Fiffi ( 30/12/2006 21:17)
fa hafahafa ahoana kay ? heu...ary efa hitako tatsy ambadika tatsy io an ...
zany hoe mbola misy ny olona manao hoe tabou zao sy zao angamba no mahatonga an'zany ?
3. dailynews ( 30/12/2006 21:46)
toetra nolovaintsika tamindry zareo tatsinanana io mody fanina io. miolakolaka. de sarotra be ny manova azy.

fa izao: noho ny fahalalana izany toetsaina izay dia hafahafa be kosany angamba raha izany no lazaina ao ampiangoanana e, mba misy fetrany ihany ny zavatra lazaina. Eny fa na ry zareo tandrefana aza ve dia hoy ianao hoe hahazo aina @ fijoroana vavolombelona tahaka izany? asa aloha.....

ny miresaka sexe tsy olana saingy raha zavatra immoral no tsy resahina. sa ahoana hoy ianao. sa eto indray tafiditra ny hoe inona ny immoral sy ny tsy izy...raha izay de tsy hiditra @ le resaka intsony aho fa kamo be hamakafaka an izany.



4. dailynews ( 30/12/2006 22:00)
aoka aloha hazava fa tsy miteny aho hoe immoral ilay zavatra nitranga t@ ilay hatsikana..fa ilay fijoroan vavolombelona fotsiny kosa no hafahafa be. hafa indray ilay resaka eo ambony resahiko io, fa tsy ny hoe resaka sexe akory no tsy azon ny kristiana resahina.

aleo aloha aho handeha sady tsy hiverina intsony @ ity size ity fa sao HS eto, otran ny efa HS aza aho izany.
5. ikaretsaka ( 30/12/2006 22:49)
Fiffi:

fa hafahafa ahoana kay ? heu...ary efa hitako tatsy ambadika tatsy io an ...
zany hoe mbola misy ny olona manao hoe tabou zao sy zao angamba no mahatonga an'zany ?

izay mihitsy

dia tratran'ilay hafanam-po be loatra @ ilay niditra fiangonana dia .... niteny ny ...
azo atao ve hoe ...nisokatra ny masom-panahiny fa saingy .. ilay tsy izy no voalaza?


6. soanja ( 31/12/2006 04:51)
Resaka Psy daholo ny fahitako an'izany ry Ika. Oviana ny olona iray no malalaka ara-tsaina, zany hoe free of worries and anxiety ka afaka milaza izay ao ampony ka tsy voagejan'ny lalana na ahiahy amin'ny firahamonina na firenena na culture sns?

Any amin'ny toerana hitany fa malalaka izy vao hisokatra sy hiseho izay ao an-tsainy. Satria mahatsiro fa malalaka izy. Nomena izany fahafaham-po izany izy , eny fa na dia tao anatiny foana izany olana sy ahiahy momba ny tokatranony izany dia tany izy vao nalalaka afaka nilaza momba an'io noho ny fahatsapana fa iray izy rehetra ary hahatsapa ny olany hatramin'izay. hijoro vavolombelona e. Ity iray ity moa izany dia ny tany ampiangonana satria nihevitra izy fa malalaka izy manana ireto mpianadahy ara-panahy aminy.

Satria nahoana? aiza tokoa anefa any amin'ny fiarahamonina no hanome azy fahafahana hiresahany zany zavatra na geja nianjady ny sainy taloha izany. Nihevitra izy fa ireto no sofina hihaino azy.
Io lazain'i Fra io dia amiko dia mitory fa mitomany ny fiarahamonina gasy fa tsy manana toerana hitondrana ny olana mianjady aminy any an-tokatranony any ny olona. Vitsy ny support groups hitako any Mada (resaka toaka sy sigara no nisy) satria izay no isan'ny survey nataoko ho an'ireo vehivavy be dia be nijaly ampanambadiana. Izy tsy hanambola handeha amin'ny psychiatrists na hafa ary betsaka ny tsy mahalala ny fisian'io. Eo tokoa mantsy ny saina mbola mibahana hoe "tokatrano tsy ahahaka" dia miferinaina irery ireto olona ireto. Soa aza misy an'ity serasera ity hamoahana izany sy isaorana an'Andriamanitra ny fisian'i xxx hamoahana azy.
Koa aza omena tsiny izy raha nihevitra fa any ny hitondrany azy satria efa tsy hitany intsony ny hilazany ny hafaliany e.
Tsy resaka tokatrano ihany no resahiko fa hafa maro tsy voatanisa.
Aty US rehefa mety olana dia misy support group tsy andoavam-bola azonao aleha. Ireo no sofina hihaino anao sy hahatsapa ny olanao satria mitovy ny olanareo matetika fa ny tranga samihafa.
Koa mahereza ry vahoaka raha amin'ny toerana tsy tokony hahenoana azy no hilazana izay manahirana fa efa tsy tsy zaka intsony le entana e.
7. ikaretsaka ( 31/12/2006 05:29)
Marina mihitsy io resahin'i soanja io..
misy Filozofy malaza izay niteny hoe .. "tsara ara natoraly ny olona fa ny fiaraha monina no mahasimba azy"



man is good by nature, it's the society that corrupts him
8. jhouhlambout ( 31/12/2006 09:51)
Ka zay no maha zava-dehibe ny éducation...:@
9. ikaretsaka ( 31/12/2006 13:59)
jhouhlambout:

Ka zay no maha zava-dehibe ny éducation...:@

dia avy aiza anefa ilay education?


10. fasaly ( 31/12/2006 15:37)
nefa raha mifanena amiko ika de tena ataoko hita be mitsy fa tsy hoe modia tsy hita zany:wink:8-):-D
11. soanja ( 31/12/2006 15:45)
jhouhlambout:

Ka zay no maha zava-dehibe ny éducation...:@


Marina tokoa izany saingy aleo tsindrihako hoe "Education of wholeness". Satria io fanabeazana feno io ihany no afaka hanome anao saina misokatra mandalina sy mandanjalanja ary tsy voagejan'ny eritreritry ny hafa.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2197