Aiza no misy anao ry Jesoa

1. dadabou ( 27/12/2006 16:47)
Mba mangataka ny tonon'io hira io izay manana, miala tsiny fa tsy fantatro ny mpihira azy.
novalian'i Achia ny 28/12/2006 07:23
2. Fiffi ( 27/12/2006 19:27)
hira fanampiny ve io ?
3. Achia ( 28/12/2006 07:23)
Aiza no misy anao ry Jesoa
Fa ny foko mitady Anao
Toerana aiza no mba ahitako Anao
Ry Jesoa misy Anao aiza moa

Manhatra aho no mitady Anao
Aiza Ianao Ianao ry Jesoa
Ny entanay dia mavesatra ery
Ry Jesoa misy Anao aiza moa

Aiza no misy Anao ry Jesoa
Mangetaheta ny foko izao
Toerana aiza no mba ahitako Anao o!
Ry Jesoa misy Anao aiza moa

Mpanota aho no mitady Anao
Aiza Ianao Ianao ry Jesoa
Ny asa tsy miato ka sasatra ery o!
Ry mpanafaka aiza moa Ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0065