Ho anareo mpanohana mahafatra-po ireo

1. ronaldo09 ( 22/12/2006 09:08)
Misokatra ho anareo mpanohana ity taratasy ity!
Efa nisy ihany ny hevitra nentin'i sareraka teto na i bazylou izy izay hoe inona no zavabitan'io rangahy tohananareo sy lolohavinareo io?Saingy mbola averiko izany ankehitriny .Nilaza i Ravalo fa " Ry Malagasy aza matahotra fa ho azonao ilay tany vaovao(Kanana)"
lazaonareo amiko hoe aiza ilay kanana?Lazaina fa tokin-dramalagasy ny fahakingana sy fahaizan-dRavalo ,lazao amiko hoe inona no fahakingany sy mba fahaizany?Lazaina fa hiarin-doha ny toekarena malagasy lazao amiko hoe taorian'ny nialan-dRatsiraka teo niakatra firy % ny harikarena faobe?Lazao amiko hoe firy ariary ny 1$ amizo fotoana ,teo i Ratsiraka 1$:5800fmg na 1160 ariary ary amizao?Lazao amiko hoe tamin'ny nitondrany teo aiza ho iza ny laharana misy an'i Mada? Efa niala tao amin'ny PPTE ve?
Dia inoako fa mahamenatra anareo ny hamaly ity hafatra ity satria tsy ho voavaly io fanontaniako io .Koa ahoana ry lehiretsy no manohana be fahatany a?Sa tena marina hoe avy any amin'ny Tanana dia izay
MARINA MAFY IO RAHA MBA IZAHO!
novalian'i Fiffi ny 23/12/2006 21:15
2. lapino ( 22/12/2006 09:23)
ronaldo09:
Koa ahoana ry lehiretsy no manohana be fahatany a?
Mivoaha izay mahery noho Ravalo, dia hanohana azy ny vahoaka e ! Satry nge mbola hampakarina ambonimbony kokoa ny lentan'ny politika, fa hatreo amin-dRavalo dia tsy misy mahatakatra intsony.

Andraso kloo fa kely sisa ny kabariny amin'ny taom-baovao, aleo izy no hanome ny bilan. Sa ahoana ?
3. Robert ( 22/12/2006 10:04)
Izao anie no olana ry ronaldo eee....

Samy tsy alehany daholo ireo kandida 14 nilatsaka t@ fifidianana farany teo.

Jereo fotsiny anie ny organisation ny propagande. Misy ny tonga de hita hoe tsy izy mintsy, de ahoana raha lasa filoha ireny olona ireny, tsy vaomaika loza....
De ny vahoaka malagasy mieritreritra fa Ra-8 no mba tsara tao anatiny ratsy 14.
4. lamie ( 22/12/2006 10:49)
tsy hoe manohana be fahatany,tsy hoe miloloha ny filoha ra8 tsy akory fa ny fitondrana hifandimbiasana,hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena dia izay vao misy mpitondra nahavita làlana,nahadio ny tanàna,tsy nikepoka ny fanampiana fa nahatanteraka ny fifanarahana t@ firenena lehibe,isika ange ka tokony ary menatra fa niaraka t@ maurice niainga nefa aiza isika izao?inona moa ny tokony hahamenatra hamaly anao?fa iza ianao?biby mampatahotra ngaha?ary ny malagasy dia sarotra hasondrotra,nomena daholo zao rehetra izao fa angalarina, atao lapoaly ny panneaux, atao angady,ao ambatolampy ao no tena misy ny gaigy lahy mapngalatra, ny fitaratra @ ireny taxi-phone ireny ve dia angalarina,izao vokatra ny letchis, jereo ange ty havoretrana e!feno sy ariana etsy sy eroa ny hodiny, feno lalimanga,mahatsiravina,tokony tsy amidy ny letchis sy paoma sy ny sisa fa haondrana daholo,ary ny anao dia fankahalana be fatany an'i ra8 no be, asio resaka constructif e!raha lazaina ny tsy mety sy ny tokony fihezahana hampandroso ny tanàna dia manana moyen ange ny rehetra izay afaka mijey internet e!dia samy mihezaka any @ fianakans sy manor ny tokony hatao e!fa ianareo koa moa tsy any @ tanàna akory nefa be vava koa
5. hery ( 22/12/2006 11:18)
Ny mpanohana Ravalo dia tsy mpanohana mahafatra-po daholo kah. Ny TIM no azo lazaina hoe mpanohana mahafatra-po.

fa

Misy manohana ravalo satria tsy tiany ny kandidà omen'ny mpanohitra
Misy manohana ravalo satria tsy miray saina ny mpanohitra
Misy manohana ravalo satria manao teny tsy voahevitra ny mpanohitra ka tsy manaja intsony
Misy manohana ravalo satria tsy tia an'i ronaldo09 sy bazylou sy sareraka fotsiny.
Misy manohana ravalo satria hitany hoe nahavita soa ravalo


6. xxx ( 22/12/2006 15:45)
Dia misy manohana ny filoha Ravalomanana satria te ahazo tee-shirt, kasket, yaourt! Daing, tsy misy fitiavam-pirenena mihitsy ny olona sasany, dia mody milaza hoe J'aime mon pays. C'est honteux!
7. piste ( 22/12/2006 17:18)
Misy manohana an-dRavalo satria avy any @ tanàna io. Izany hoe fanatismaa ary ataoko angamba fa io no ankamaroany eto.
Raha asianareo fisainana kely fotsiny dia tafavoaka ianareo ireo.
8. bonazy ( 22/12/2006 17:27)
raha izaho aloha dia tsy manohana be fahatany an-dR8,fa izao fotsiny \"ianao ilay mametraka ny fanontaniana sy ny ady hevitra io vé tsy azo lazaina koa hoe\"manohitra be fahatany koa? sa olona tsy mahita eo am-pototrin\'ny mazava? matoa izaho mihevitra fa tohanako i Ra8 dia satria izy irery ihany amin\'ireo 14 no azo antoka aloha fa tena vonona hanao zavatra tokoa ho an\'i Madagasikara amin\'ireo zavatra sy ezaka notanterahin\'ny fitondrana tarihiny ,fa ny hafa dia tsy haiko satria amin\'ny ankapobeny dia tsy dia nahitan-tsoritra zavatra misongadina loatra ahafahana misafidy azy na maminavina izay mety ho hataony raha izy no ho voafidy teo,ka raha hiresaka fampitahana ilay tompon-kevitra dia fantaro tsara alohan\'ny hiresahana hoe\"talohan\'ny taona 2002 fanampiana tsy tokon-tsy forohana no azon\'ny Madagasikara ara bola TROSA IREO ary tsy maintsy averina, izay tsy trosa moa dia ianao ihany no asiako mamaly ny nalehany satria fanomezana adala tompo,fitaovana maro aiza ary nankaiza sa nampiasaina tamin\'inona?Ary izay nindramina sy nalaina tamin\'ny alalan\'ny firenena Malagasy ve tena nampiasana tany amin\'ny nilana azy?matoa ny firenena mbola taraiky aloha izao dia nisy ny tsy fahaiza mitantana tany alohan\'ny 2002,ary vokatr\'izany ny fahatarana amin\'izao,ka mandalinà tsara voa mamosaka hevitra ry sakaiza fa aza manakina be fahatany an dR8 sy ny olona manohana azy satria ny fanirianay mpanohana azy dia i \"Madagasikara no tsiritan\'ny aty ivelany ny fandrosoany sy ny fivoarany fa tsy ny Malagasy ny hitsiriritra ny fandrosoana sy ny harenan\' ireo firenena aty ivelany \"toa anareo ireo,tsy midika akory izany fa tsy tokony hivoaka aty ivelany ny Malagasy,fa raha mivoaka ivelany dia hasian\'ny hafa lanjany ny Gasy,satria ho anareo izay mpanaboka ny fitondrana Malagasy izao ireo nefa monina aty ivelany \"mba azonareo an-tsaina sy takatrareo ve ny fiheveranan\'ny vazaha tompon-tany onenareo ireo sy ifandraisanareo sy lolohavinareo ireo satria na inona taratasy ananareo dia vahiny foana ianareo ary ho vahiny hatrany?ka tsy aleo ve ry zalahy ny an\'ny tena tohanana sy hajaina satria tsy maintsy mbola hiafarana sy hiverenana na ho ela na ho haingana?
9. tezitra ( 22/12/2006 19:52)




ELECTION PIEGE A CON
10. vancleef ( 22/12/2006 20:25)
Izao fotsiny ny aho no teneniko, tsy eo @ toerana misy an'i Madagasikira izao ny gasy raha tsy nisy ny ambom-po an'i Ratsiraka tamin'ny izy ministre ny affaires étrangères-ny Ramanantsoa niala tamin'ny zone franc sy ny coup d'état déguisé tamin'ny 1975. Atramin'io fotaona io no niletika i Dago ary i Ronaldo sy ny kilongany mbola tsy teraka akory ary Ra8 nanao izay vitany mba hiakarin'ny Madagasikara eo @ sehatra international nohon'ny adalan'i Deba ary be ny vitany. Tsy afaka miverina any aorina intsony ary izay te hanao soa an'i Madagasikara dia manaova aotran'i Ra8 tamin'ny TIKO fa aza be vava fotsiny. Napoleon na Louis XIV anga nanana bac akory ! ary tamin'ny andronin'i Deba no efa nandehan'i Tiko fa tsy tamin'izy lasa filoha
11. fijo ( 22/12/2006 22:07)
resaka safidy io amiko ka tsy tokony hifanenjehana.
12. BloodTitan ( 23/12/2006 13:59)
Oka zay le resabe eeeeeeeeeeeeee!!! fety ndray zao atrehina!!! Fetin i ra Zezo !!!

Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
13. Fiffi ( 23/12/2006 21:15)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/F%EAtes/joyeuses%20fetes.gif[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115