Tsy misy lohany ny mpanohitra.

1. Fiffi ( 22/12/2006 08:19)

Rahampitso no hivoaka ny valim-pifidianana amin'ny fomba ofisialy izay avoakan'ny eo anivon'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, ka ahafantarana izay ho filoha hitondra antsika mandritra ny dimy taona manaraka.
Na ho inona vokatra eo, ny tsy azo lavina dia tsy hanaiky izay hipoitra eo ny avy aty amin'ny mpanohitra, ary ireny efa niarahan-tsika nahita ireny ny vava navoakan-dry zareo fa tsy misy ilana iny fifidianana izay natao ny datin'ny 3 desambra iny. Mipetraka foana ny ady hevitra momba io, fa aorian'ny famoahan'ny HCC ny vokatra rahampitso, iza indray no atao lohany ho sorona eto amintsika ?
Mety ho fanontaniana hafahafa ho an'ny mpamakyio, saingy raha nyzava-misy tao ho ao no jerena, dia mitombina io fanontaniana io, satria mpanohitra malemy no kanosa no misy eto ka tsy mahagaga raha tsy asian'ny olona hafa vidiny. Ireto misy tarehin-javatra nitranga teto azo raisina sy tsapain-tanana. Tsy haka lavitra isika fa ny zavatra nitranga faramparany teto amin'ny tany sy ny fanjakana no jerena izay mahakasika ny raharaha Voninahitsy Jean Eugène. Raha vao voasambotra ity depiote ity, dia saika mpanao politika maro no nisavily iny raharaha iny satria nihevitra ry zareo fa ny fampidira am-ponja olom-boafidy tahaka izao no làlana iray ahafahana manongana fanjakana fa mandika lalàna izy ireo. Nandeha teny ny andro sy ny volana. Resy hatrany ity depiote mpanohitra malaza eto amintsika ity, ka io izy miandry ny fotoana farany hanefany ny saziny io. Taona vitsy izay no nigadrany eny amin'ny fonjan'ny Tsiafahy. Iza tamin'ireo mpanao politika no mba nahatsiaro azy nandritra ny fety, eny fa na dia izy niakatra fitsarana ireny aza ?
Nipoitra indray ny raharaha Jeneraly Andrianafidisoa izay nihevitra fa haka fahefana ny datin'ny 17 novambra teny Ampahibe, indreo ireo mpanao politika sy depiote ary senatera fa nanotrona 20 metatra izay nataon'ity Jeneraly ity, ka nifandrombaka mihitsy raha nahita mpanao gazety teny fa rariny izao fihetsika izao, satria tafiditra lalina amin'ny kizo ny firenena.
Voa io ny Jeneraly Andrianafidisoa, ary ny fonjan'i Tsiafahy no zary sakaizany manomboka izao. Nahoana no tsy nahitana mpanao politika intsony teny amin'ny fitsarana ? Iza no tsy nahita ireny fanambarana isan-karazany nataon'ny antoko sy ny fikambanana ary ny kandida teto ireny fa nankasitraka ny nataon'ity manam-boninahitra niaraka tamin'ny ekipany ireto, saingy lavo ve izy ireo dia avela irery ? Ny tsy azo lavina dia raha nahomby iny fanonganam-panjakana iny, dia nisavika tao daholo ireo voalaza etsy aloha ireo, saingy nandamoka ka aleo hiady irery izay tratra farany eo.
Izay no hilazana fa tsy misy lohany ny mpanohitra eto ka izay tafatsoboka amin'ny lalina no hisavilihan'ny rehetra, ka raha midofotra dia samy miala maina toa ny parasy maty tompo ry zareo. Sa ve matahotra ny ho voasambotra fa ahiana ho mpiray tsikombakomba ireto mpanao politika ireto ka aleo mifitsika ? Raha izany, aza manosika olona ato sorona fa izay no tsy mampandeha ny fiainam-pirenena, ary iza izao no faly mahita ireto olona be dia be mpifanandrina tafaraka ao am-ponja ireto ? Sa ao ry zalahy no manao ny fampihavanam-pirenena, fa ny aty ivelany mifandramatra sy mifampihantsy isan'andro lava izao ?
Naivo kely Madagascar Tribune
2. jefra ( 22/12/2006 13:23)
Ara-baki-teny :evil:

Misy dikany roa ny hoe "Tsy misy lohany":
-Tsy misy loha hitarika.
-Tsy misy loha hisaina.

Dia tena samy azo ampiharina izy roa eto amiko.
Izany akory tsy midika fa manao ny tokony ny mitondra ;-)
3. lapino ( 23/12/2006 07:29)
:-D:-D:-D:-D
4. dongadonga ( 03/01/2007 20:46)
tsy misy :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0656