satria tiako

1. titimms ( 17/12/2006 15:27)
Bjr daol, misy manana tonokiran'i Poopy satria tiako v ? merci
novalian'i titimms ny 15/01/2007 18:15
2. Fiffi ( 17/12/2006 17:57)
ity aloha no hananako an ! http://membres.lycos.fr/schmilblik/fitia.html?
3. titimms ( 18/12/2006 17:53)
Merci Fiffi. Ra mahita le satria tiako io ihany enao de mba andefaso e
4. Fiffi ( 18/12/2006 20:53)
mbola mitady......:)
5. titimms ( 19/12/2006 17:44)
6. Fiffi ( 19/12/2006 21:05)
tena tsy nahita...:(
7. cutie ( 23/12/2006 20:03)
henoko nandeha t@ rvg :lol:
andramako adika ze arako :lol:
8. cutie ( 23/12/2006 20:05)
kay efa tao @tononkira le izy :D

Satria tiako


Tiako ho izaho, izaho irery
No ho ao antsainao
Tsy hisy olon-kafa na iza na iza
Hibahana azy
Fa izaho irery ihany no tianao

Tiako ho izaho, izaho irery
No ho hitanao amin'ny masonao
Tsy hijery olon-kafa na iza na iza
Eo anoloanao
Fa izaho irery no banjininao

Saro-piaro aho
Ny amin'izay jerenao
Saro-piaro aho
Ny amin'izay momba anao
Tiako hijanona ho ahy irery ianao
Izany ve no adalam-pitia

Tiako ho izaho, izaho irery
No ho ao anatin'ny nofinao
Tsy hisy olon-kafa na iza na iza
No anton'izany
Izaho irery no manjaka ao am-ponao

Saro-piaro...

Ka ny tsikinao
Tiako ho ahy irery
Raha hijaly ianao
Dia ho noho izaho
Izaho no ho antom-piainanao
Tiako ho feno ahy irery
Ny sainao, ny fonao, ny fanahy

Saro-piaro...
9. titimms ( 15/01/2007 18:15)
Merci cutie fa zay vao hitako lay izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.007