AZA ARIANA

1. havakotsara ( 17/12/2006 11:28)
Be ny hadalàna niaretanao ihany
Izaho tamàna,nanohy nanohy hatrany
Ny eto an-tanana,miakivolana an'izany
Fa sarotra hialàna,na toaka na sigara
Gadrain'ny satàna,gejainy tsy afa-miala
Na ho afak'aza angamba,mety hivoajamala
Soa fa nisy anao,mahazaka ny hafokàna
Ka mba hiantrao,fa mila fiovana
Raha hilaozanao,asa izay hiafaràna eee
Aza ariana e,na de maditraditra
Ny andro ho avy sisa, hatokako ho antsika
Toroy raha toa tsy mety,aza avela hihoa-pefy
Aza ariana e,fa tsy fanahiniana
Ndraindray variana,adino ireo niafina
Tolory fanampiana fa manan'olontiana
....Fa manan'olontiana
Voaroaka t@ asa,dia tsy nahita intsony
Ianao tsy nandatsa,toy irony havana irony
Lany irony patsa,mafy izany ny aza voany
F'ianao rery sisa,no andriko eto an-tany
Raha 'zay sipasipa,niserana dia lany
'zay vita dia vita,zaho tsy hanenina @zany
..Soa fa nisy anao...............
novalian'i Fiffi ny 17/12/2006 11:39
2. havakotsara ( 17/12/2006 11:33)
Tononkira iray tena tiana mou zany izio sady ankafiziko dia aparitaka sao dia mba hankafizin'ny namana.
3. Fiffi ( 17/12/2006 11:39)
misaotra nizara , fa hiran'iza io ? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068