hoavy politika

1. fijo ( 12/12/2006 23:10)
vita milamina izao iny ny fifidianana.itantsika ny vokatra"na dia tsy mbola ofisialy aza".
izay lany dia voafidimbahoaka izay.
fa ndao hoe mba asiana jery kely ny hoavy politikan'ireo mpanao politika misy any mada.
ravalo sy pety ary fidy ;aloha dia efa mazava ny hoaviny.
ary:
-ratsirahonana?
-manandafy.?
-ny hasina.?
-lahiniriko?
-roland ratsiraka?
-sylla jacques?
-voninahitsy?
-rajaonarivelo pierrot????
lazao izay mbola itanareo.
novalian'i fijo ny 13/12/2006 22:04
2. sitlo ( 13/12/2006 00:05)
Aza misioka raha mbola tsy tafavoaka ny ala.
3. fijo ( 13/12/2006 05:32)
fa ngaha misy misioka eto le?????ny hoavy resahana fa tsy ao anaty ala ao foana
4. kitjo ( 13/12/2006 06:20)
ratsirahonana> mety hiara-hiasa @Fitondrana ankehitriny ihany!
Hamely mafy koa zareo hanisy maire bdb, inoako!

Manandafy> zao ary izy tsy hita ka indrindra moa ny ho avy! tokony mipetraka tsara amzay fa ampy izay!

Ny hasina> mbola misy avenir raha toa ka tsy mitonatonana hiady varotra momba ny fifidianana.
Aleo lery teknisiana ihany!!! raha tsy iznay retraite aticipee!

Lahinirinyraha mahay mandamina sy manangana ekipa misaina mety ho lasa lohan'ny mpanohitra..
Inona koa moa ny olana raha miara-miasa @ Fanjakana? apetraka hiady @ maintany any Atsimo ohatra!!!

ratsiraka Inona ny toerana ambony2 kokoa nohon'ny ben'ny tanana?
fa izy anefa ange toa tsy dia nahavita inona firy tena misongadina @maha-ben'ny tanana azy e!

Sylla toa mbola premier ministrable izy fa ny ministra nomila ovaina ny ankamaroany..raha tsy izany lasa ambasadaoro ndray io!

Voninahitsy? aleo aloha lery hivoaka dia ho hita eo

Rajaonarivelotara lotra sady tsy hahomby raha tsy oe zao d miezaka mafy ho an'ny manaraka...nefa toa voan'i ratsiraka Rolland lavitra na teo aza!
Aleo aloha manao webmaster an'ny assidu fts amzao
5. BloodTitan ( 13/12/2006 07:15)
Ary aho nga tsy hitan lisany? :D Mety ho atao ambasadaoro any Anosilava ono aho.
6. fiderana ( 13/12/2006 07:40)
BloodTitan>> kay le dia hoatrinona ny kandran-toi @zany le...!, representant ny fanjakana any @ nosy anie izany ê!, mitondra ny nosy sy mijery ny fifandraisana azo hatao:-D:-D
7. Lejim ( 13/12/2006 07:45)
Ny fahitako indray

Atoa Manandafy: Hita be hoe mpamadika sy tsy mahay mipetraka amin'ny plasy tokony hisy azy! Vitsy ny olona hino ny zavatra lazainy!

Atoa Ratsirahonana: Sady tsy aty no tsy eroa. Sady tsy any amin'ny mpanohitra no tsy an'ny fanjakana. Ny olana anefa dia tsy dia mamiratra izy raha tsy miaraka amin' Atoa Ravalomanana.

Atoa Ny Hasina: Mbola tanora izy ka amin'ny manaraka angamba mety hisy fiovany. Ilay performance nataony t@ fifidianana teo iny aloha ratsy e. Ny rainy anefa dia efa tsy itiavan'olona azy. Eritreretin'olona ho voabaikon'ny rainy loatra izy ka tsy manana fahaleovan-tena feno.

Atoa Rolland Ratsiraka: Tian'olona be any Tamatave. Niezaka nanao zavatra maro izy na dia maro koa ny mpanao sabotage. Misy olona minia manary fako eny an-tampon-tanana. Na dia nataon'i P.M. Sylla aza ny hanimbana ny lazany tany Tamatave, tsy nampihena ny fitiavan'olona azy any izany. Mora aminy ny milatsaka depute, maire na koa gouvernorat any Tamatave raha mbola averin'ny fanjakana iny!

Atoa Jacque Sylla: Efa nolazaiko ny hevitro izay hoe, mila soloina. Tsy competant hampandroso ny firenena izy! Na any Sainte Marie aza efa mihena ny fitiavan'olona azy. Raha manana adversaire matanjaka izy any dia tsy ho lany depute intsony. (Depute izy talohan'ny maha P.M. azy).

Atoa Rajaonarivelo: Sarotra be aminy ny haka fahefana satria ataon'ny fanjakana ny hamotehana ny carriere politikany iray manontolo. Faharoa dia satria maro ny AREMA tsy tia azy intsony. Lazain'ny AREMA sasany ho mpamadika izy t@ 2002.

Atoa Voninahitsy: Possible halaza be hoe victime izy rehefa mivoaka avy ao an-gadra ka ho maro ny sympathisan-ny. Maro koa ny mpanohitra miandrandra azy noho ny fahasahiany sy ny herim-pony.
8. ronaldo09 ( 13/12/2006 10:15)

hoy i kitjo:

Lahinirinyraha mahay mandamina sy manangana ekipa misaina mety ho lasa lohan'ny mpanohitra..
Inona koa moa ny olana raha miara-miasa @ Fanjakana? apetraka hiady @ maintany any Atsimo ohatra!!!

Ialahy ry leity mba hidio ny vava ary avadiho im-70 ny lela raha vao miteny a!Lahiniriko fa tsy Lahiniriny aloha ny anarany ,Ary iza moa nilaza tamin-drangahy fa maina ny tany any atsimo ary maninona raha atao hoe hiady @ 4-mi ao afovoantany ao fa ny any atsimo manko tsy misy an'izany !Miala tsiny aho fa ohatry ny ...ilay resaka ataon'iledala
9. xxx ( 13/12/2006 10:28)
oadray ary tsy manara-baovao mihitsy ronaldo izany a, tena misy dia misy tokoa ny hain-tany izao any atsimo surtout @iny faritr'ambovombe iny, nanaovan'andriamatoa filoha hajaina Marc Ravalomanana appel mihitsy t@anniversaire-ny teo ny mba hanampiana azy ireo.
10. fijo ( 13/12/2006 22:04)
ronaldo an,tena misy haintany any atsimo izao ka,
afaka miara miasa koa anie ny mpanohitra sy mpitondra ,fa tsy hoe tsimaintsy miady e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2114