ahoana ny hevitrareo momba ilay fiangonana episkopo
1. vista
(
11/12/2006 09:15)
Manaona daholo,
Io fiangonana io raha ny henoko dia tsy manao Krismasy hono araka ilay soratra ao @ Koritiana II 5:16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
Ary koa milaza fa mahafaty hono ny manaraka ny didy folo.
Ahoana ny hevitrareo

novalian'i prime ny 15/12/2006 13:46
2. Fiffi
(
11/12/2006 10:00)
vista:de mbola nisy olona velona hiany hono ve teto an-tany raha nahafaty ny didy folo ?
Ary koa milaza fa mahafaty hono ny manaraka ny didy folo.
3. barry
(
11/12/2006 11:33)
maro ny fiangonana no tsy manaraka krismasy toy ny adventiste ;ny temoin de jehovah ;sns io samy manana ny fijeriny satria hono ao anaty baiboly tsy misy hoe mankalazaha ny andro hiterahako fa ny fankalazana ny paska sy pantecote ihany hono no voalaza ;fa eo @ ilay didyfolo kosa aloha mbola tsy naheno zany aho raha tsy vao izao ndray ;dia zay mivavaka ao aminy zany dia tsy mahazo manaraka ny didy folo ;ka tsy:twisted:ve zany ;io mitsy no tsy maintsy harahina sady soratanan'Atra
4. Achia
(
11/12/2006 13:23)
:-D:-D ahoana koa izany hoe mahafaty ny manaraka ny didifolo ary ny mandika azy ve izany mahavelona ? mba dinio kely anie zany hoe ianao mandika lalana e ! lasa oe mahazo mangalatra , mijanga ndray zany
5. Hubert
(
11/12/2006 14:30)
Raha ny nanabeazana antsika h@ zay aloha dia balise tsara ny didy folo ary tsy nisy ny maha-rasty azy h@'zao. Ankehitriny anefa efa miha-maro ny mandika io didy folo nomeny io, de jereo fa miha simba ny tany sns, izay iaraha-mahita
6. xxx
(
11/12/2006 15:46)
Ny didy folo akory tsy hoe ratsy fa mampiseho fotsiny fa mpanota isika olombelona eo anatrehan'Andriamanitra.
Ny marina dia TSY MISY na dia iray akory aza mahantateraka io didy folo io.
Fahotana eo anatrehan'Andriamanitra anefa ny tsy fantanterahana io.
Ary ny fahotana dia mitondra fisarahana amin'Andriamanitra (na hoe mahafaty). satria Andriamanitra dia tsy mankasitraka ny otantsika.
KANEFA Andriamanitra dia tia antsika, ka nalefany tety ambon'ny tany Jesosy, ho faty ary hitondra ny fahotantsika teo ambonin'ny hazo fijaliana.
Ka raha mino sy manaiky izany fitiavana lehibe izay natolotr'i Jesosy izany isika dia tsy ho faty intsony.
Ho antsika izay nanaiky io famonjena io hoy Jesosy:
Jaona 13:34 didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

8. cutie
(
11/12/2006 17:42)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 11-12-2006 16:46:26
Lohateny : Re : ahoana ny hevitrareo momba ilay fiangonana episkopo
Ny didy folo akory tsy hoe ratsy fa mampiseho fotsiny fa mpanota isika olombelona eo anatrehan'Andriamanitra.
Ny marina dia TSY MISY na dia iray akory aza mahantateraka io didy folo io.
Fahotana eo anatrehan'Andriamanitra anefa ny tsy fantanterahana io.
Ary ny fahotana dia mitondra fisarahana amin'Andriamanitra (na hoe mahafaty). satria Andriamanitra dia tsy mankasitraka ny otantsika.
KANEFA Andriamanitra dia tia antsika, ka nalefany tety ambon'ny tany Jesosy, ho faty ary hitondra ny fahotantsika teo ambonin'ny hazo fijaliana.
Ka raha mino sy manaiky izany fitiavana lehibe izay natolotr'i Jesosy izany isika dia tsy ho faty intsony.
Ho antsika izay nanaiky io famonjena io hoy Jesosy:
Jaona 13:34 didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
=D=D=D=D
11. Fiffi
(
11/12/2006 21:37)
xxx:Didy vaovao......
Jaona 13:34 didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
14. mika117
(
12/12/2006 07:34)
papoose zany hoe ilay dydy vaovao dia famaritana ny didy folo :oh: -raha tsy mangalatra ianao dia TIA ny mpiaramonina aminao
- raha tsy mamono olona ianao dia TIA lay olona
-raha raha tsy mandainga ianao dia TIA ilay olona
sns;;;;zanyhoe ny fitiavana no maharesy reo rht reo fa tsy hoe nampina 1 akory ny didy folo

15. prime
(
13/12/2006 14:42)
Ambasadaoron'ny lanitra no iantsoan'izy ireo io episkôpô io ary fampianarana maro no entiny ao @ 97.2FM... henoy aloha vao miresaka raha tsy izany dia aleo tsy miteny sao mitsaratsara isika ka lasa isika indray no meloka eo anatrehan'Andriamanitra...
Ny didy vaovao nomen'i Kristy dia fehin'ny didy rehetra voambara ao amin'ny soratra masina no sady fototry ny fampianarany rahateo... izay isaorana an'i mika117 mitondra fanazavàna eto...

16. ikaretsaka
(
13/12/2006 15:13)
tsy hay intsony marina izy ity fa de samy manao ny interpretation-ny daholo e
17. joura
(
14/12/2006 11:22)
Ny ahy ndray ry zareo an!
tena tsapako fa tsy misy marina tokoa isika na dia izay aza! ary maro tokoa ange ireo lalàna napetrak'Andriamanitra hotandrovintsika fa tsy ny didy folo fotsiny eh! fa izao anefa Efa eo ambany fahasoavana isika fa tsy eo ambany lalàna intsony! ny Ran'i Kristy Jesoa izay maty teo @ hazo fijaliana no efa nanadio antsika ho afa pahotana!
Ka raha misy zany miteny hoe mahafaty ny manaraka ny didy folo na mahavelona! tsy anjarako zany fa nena dia ny fanadiovan'i Kristy ahy ihany no hany lalana tokana ahavelomako.