LaGazette 9/12 : Fanomezana Hafahafa

1. ikarojo ( 09/12/2006 11:50)
Nitety ny faritra iva sasany teto an-drenivohitra ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, omaly maraina.
Tsy dia fantatra loatra moa na tamin’ny maha filoha, na tamin’ny naha kandidà azy tamin’iny fifidianana natao farany teo iny no nanaovany izany. Ny mazava aloha dia ny hoe efa tapitra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, ary efa vita rahateo ny fifidianana koa tsy ho amin’izany rehetra izany intsony ny resaka.

Naha lasa ny saina ihany ny fanambarana nataony, dia ny hoe faly izy noho ny fitiavan’Antananarivo azy, izay hita tamin’ny isam-bato azony, koa dia hanolotra fanomezana ho an’ity farany, izay tsy inona akory fa ny hananganany hôtely lehibe iray, « 5 étoiles », izany hoe ny faran-tampony amin’ny misy rehetra, hahitana efitrano fandraisam-bahiny miisa hatrany amin’ny 300 any ho any. « Vaovao tsara izany », hoy ny rehetra, teo am-boalohany, saingy avy eo, nony samy nandinika dia nanjary nifanontany ny hoe Ingahy Ravalomanana mpandraharaha ve no io niteny io sa izy filoham-pirenena ê ?... Raha ny filoham-pirenena mantsy no io niteny io dia mba mahagaga ihany satria raha ny fantatra dia toa tsy afaka manangana orinasam-panjakana izany intsony ny fitondrana, ary ny efa teo am-pelan-tanany hatramin’izay aza dia ireny voatery namidiny ireny, koa inona àry no dikan’ilay hoe « fanomezana » ê ?... Na ny mpandraharaha koa aza anefa no iny nilaza ny hanangana hôtely goavana iny dia mbola mipetraka ihany ny fanontaniana hoe ahoana moa no hanazavana ny maha hoe vokatry ny hafaliana noho ny nahazoan’ny kandidà Ravalomanana vato marobe tato Antananarivo no antony ê ? Tsy marimarina sy mitombina kokoa ve ny hanazavana an’izany amin’ny hoe miditra amina seha-pihariana vaovao hafa indray ny « groupe Tiko » taorian’ny niaingany tamin’ny fandraharahana ara-barotra ka niitarany tany amin’ny fanaovan-dalana, ny sehatry ny hainoaman-jery, sy ny sisa ê ?...

Fa ny tena manontany tena amin’iny valisoa nampanantenaina iny dia ry zareo mponina eny ambany tanàna. Samy nahalala tokoa ny rehetra fa montsamontsana mihitsy ireo kandidà hafa tamin’ny voka-pifidianana tamin’ireny faritra ireny, izany hoe nitondra ny anjara birikiny goavana tamin’ny « fandresena » koa izy ireo. Aiza ho aiza amin’ny zavatra iainan-dry zareo eny anefa io hôtely goavana hatsangana io ê ? Mety hanala ny fotaka mandrevo manodidina ny trano hazo eny amin-dry zareo ve, ohatra ê ?... Ekena ihany koa fa hamorona asa io fanorenana hatao io, kanefa dia ho hatreo amin’ny mpiasa fanirakiraka amin’ny fananganana ny trano ihany no mba ho anjaran-dry zareo fa ny aorian’izay dia efa tsy misy ho azy ireo intsony satria ho lasan’ny mahay teny vahiny sy ny be diplaoma daholo ê !…

Hafahafa ilay fanomezana-fankasitrahana satria raha ny fahitana azy dia toa tsy natao ho an’ny nanao ny asa. Na izany na tsy izany kosa anefa dia mbola vao « fampanantenana » voalohany iny, ary ho an’Antananarivo ihany aloha hatramin’izao. Araka izany dia inoana fa « ny manetsabe mbola ho avy », koa eo am-piandrasana izany dia samia mandinika ê !

Alain R.
novalian'i Fiffi ny 13/12/2006 17:23
2. xxx ( 09/12/2006 11:52)
Voka-pifidianana: Ny MENRS hay no « mandrindra » azy

Nampisy resa-be ny momba ny nampiatoana ny famoahana ny voka-pifidianana avy teny amin’ny ministeran’Atitany, omaly, nandritra ny ora maromaro.

Nanontany ny anton’izany ny mpampahalala vaovao ary dia voarirarira tamin’ny hoe « mbola mivory ny ao » sy ny hoe « misy fahasimbany ny tambazotra amin’ny infôrmatika amin’ny fandraisana ny vokatra koa mbola mila fanamboarana izany », sy ny sisa ê…

Nony hariva anefa dia nivoaka ihany ny tena marina satria dia tonga taty aminay ny dika mitovin’ny « fac similé » nanazava ny tena antony. Baiko misy ny fanamarihana « Très Urgent » avy any amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, mitondra ny laharana 06 780 MENRS/SG – 111, nosoniavin’ny Sekretera jeneraly Fanantenanirainy Randimbivololona no tena antony. Ny datin’ny faha-5 desambra io taratasy io, saingy izao moa voaparitaka any amin’ny olom- pehezina rehetra any. Voalaza mazava ao amin’io taratasy io ny hoe « Antony » dia ny hoe « Fandefasana ny valim-pifidianana avy amin’ ny Commune » sy ny hoe « Lanjany » : « Ajanona daholo ny asa rehetra fa ity no tsy maintsy atao ». Inona àry moa izany ê ?

Ny voasoratra ao (jereo ny dika aseho eo ambany) dia ny hoe manomboka any amin’ny « chef ZAP », mandalo amin’ny « Chef Cisco » ka hatrany amin’ny « DREN », na ny lehiben’ny faritra isanisany eo amin’ny fanabeazam-pirenena, no « tsy maintsy manara-maso » ny voka-pifidianana avy any amin’ireo kaominina ary mandefa azy any amin’ny ministera (MENRS). Nomena ao amin’io teny midina io koa ny adiresy e-mail handefasana an’ireo « vokatra » ireo.

Tsy mazava izany rehetra izany, indrindra moa fa fantatra fa ny ministry ny Fanabeazam-pirenena no Talen’ny fampielezan-kevitry ny kandidà- filoham-panjakana ary ny olona akaiky an’ity ministra-tale ity indrindra no « nandrafitra » an’iny lisi-pifidianana tsy nandeha tamin’ny tokony ho izy iny. Koa aiza ho aiza àry ilay hoe fifidianana mangarahara sy ho filamatry ny aty amin’ny faritra misy antsika amin’izany ? Fa ny tena mampametra-panontaniana dia ny hoe hatramin’ny oviana no ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena indray no mpanara-maso, mpanangona sy mpampita ny voka-pifidianana ê ? Inona no ambadik’izao raharaha izao ?... Asa ihany izy ity ê.
Rainisoa
-------------------------------------------------

Haute Cour Constitutionnelle: La cour de récréation ?

Suite au rejet par la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) de la requête des parlementaires de l’opposition aux fins de constater la vacance de la Présidence de la République et la disqualification de l’actuel chef d’Etat, on a pu entendre la phrase suivante :
« Il ne faut pas verser dans le juridisme ». Cette réflexion serait passée inaperçue venant d’un néophyte, mais elle est inacceptable de la part de Jean Michel Rajaonarivony, président de la Haute Cour Constitutionnelle.

Le juridisme se définit comme l’attitude d’une personne qui s’en tient à la lettre des lois. L’article 118 de la Constitution dispose que «… la Haute Cour Constitutionnelle statue sur la conformité à la Constitution des traités, des lois, des ordonnances, des conventions interprovinciales et des règlements autonomes édictés par le Pouvoir central; règle les conflits de compétence entre deux ou plusieurs Institutions de l'Etat ou entre l'Etat et une ou plusieurs provinces autonomes ou entre deux ou plusieurs provinces autonomes; statue sur la conformité à la Constitution et aux lois organiques, des lois statutaires et des lois adoptées par les provinces autonomes; statue sur le contentieux des opérations de référendum, de l'élection du Président de la République et des élections des députés et sénateurs.» Cette disposition légale montre combien le juridisme est l’une des caractéristiques premières de la Haute Cour Constitutionnelle.

Pourtant, en soutenant « qu’il ne faut pas verser dans le juridisme », Jean Michel Rajaonarivony a ôté le peu de crédibilité qui restait à l’institution qu’il préside. Si la Haute Cour Constitutionnelle ne verse pas dans le juridisme, qui est qualifié pour le faire ? Si cette institution rejette le rigorisme juridique, on peut légitimement s’interroger sur sa raison d’être. Le formalisme est un de ses piliers. S’il s’effondre, c’est tout l’édifice qui s’écroule. On est professionnel ou on ne l’est pas !

On ne dénoncera jamais assez la partialité de la Haute Cour Constitutionnelle qui est partisane du légalisme uniquement lorsque le cas arrange le pouvoir exécutif. N’a-t-elle pas faire preuve de juridisme quand elle a justifié l’élection présidentielle anticipée par la saison des pluies, ou lorsqu’elle a rejeté la candidature de Pierrot Rajaonarivelo au sujet d’une légalisation de signature.

Quand les arguments des opposants au régime deviennent gênants, à force de pertinence, on leur reproche leur juridisme et on impose une interprétation large et extensive de la loi fondamentale. L’idée de juridisme est mise en avant à chaque fois que la Haute Cour Constitutionnelle a peur d’être confrontée à ses contradictions.

Puisque le président de la Haute Cour Constitutionnelle soutient « qu’il ne faut pas verser dans le juridisme », on ne peut plus rien attendre de la composition actuelle de la HCC. Celle-ci ne peut être confiée qu’à des professionnels du juridisme. On serait presque tenté de réclamer la mise en place d’une Haute Cour Constitutionnelle parallèle, comme en 2002. Avec un peu de bonne volonté, on aurait pu éviter que l’histoire ne se répète. Mais non, les faits sont têtus et il faut bien que la malédiction du peuple malgache continue.

Pour conclure, «il ne faut pas verser dans le juridisme » est l’expression consacrée des juristes en panne d’arguments. Cette expression est un obstacle à l’évolution, une fuite de responsabilité, une barrière intellectuelle, voire un barrage pour reprendre le vocabulaire de 2002. Il est sans doute temps pour les membres de la HCC de réserver leur place dans l’avion ATR 42 de Tiko pour un décollage imminent. A Ivato, ils auront droit à un passage sans formalisme à la police des frontières. Lorsqu’ils seront dans les airs, détachés de tout, la Haute Cour Constitutionnelle ne sera plus pour eux qu’un souvenir aussi lointain que celui de la cour de récréation.
Phil de Fer
-------------------------------------------

Une grande première à Toamasina: TIM Fandriampahalemana à la gendarmerie

A l’instar des fonctionnaires des ministères de l’Education nationale et de la Santé publique qui ont respectivement créé TIM Fanabeazana et TIM Fahasalamana, voilà que des gendarmes de Toamasina ont dernièrement fait la chronique en comptant mettre en place incessamment… TIM Fandriampahalemana.
Une grande première dans les annales des forces armées dans la mesure où leur statut interdit un tel engagement politique. Mais, comme on dit que « l’exemple vient d’en haut », plus rien n’étonne si ces gendarmes tamataviens projettent de suivre le sillon.

En effet, ce fut le président de la République en personne qui, de surcroît chef suprême des Forces armées, annonça que le général de corps d’Armée, Marcel Ranjeva, peut faire de la politique et participer à la campagne électorale pour le TIM . Certes, il a clairement évoqué que cet officier général de l’Armée est déjà mis en retraite, raison majeure, sinon unique, qui lui ouvre le droit de faire de la politique. Néanmoins, ce détail semble ignoré par ces gendarmes de la capitale de l’Est qui pourraient estimer pouvoir rééditer le « coup » de l’ère révolutionnaire avec la mise en place des fameux « mpitolona manao fanamiana » ou « militants en uniforme ».
-------------------------------------------------

Prime Général Randrianafidisoa: Une modification malhonnête…

Le Conseil de gouvernement a décidé mardi soir d’accorder une prime de 100 millions ariary « à toute personne ou groupe de personnes qui fourniront des renseignements permettant l’arrestation du général Randrianafidisoa ».
En cours de route, cette mesure a été subitement affectée par une modification majeure. Il a été décidé en effet que les indicateurs ne recevraient que la moitié de la cagnotte, soit 50 millions ariary, l’autre moitié étant réservée aux membres des forces de l’ordre qui procéderont à l’arrestation du fugitif. On reconnaîtra le caractère inconvenant voire malhonnête du changement apporté par le secrétaire d’Etat à la Sécurité publique. En effet l’annonce de l’octroi de la somme de 100 millions ariary a été abondamment médiatisée et a frappé l’opinion par son volume. Beaucoup ont déjà pensé tâter du métier de chasseur de primes. La grosse modification sur le montant a certainement déçu tous ceux qui voulaient se lancer dans l’aventure. Tout cela d’ailleurs est à l’image de la gestion des grosses enveloppes sous le

régime. Les sommes initialement annoncées connaissent des déperditions en cours de route…

Il semble qu’après coup, la Police, la Gendarmerie et l’Armée ont été contrariées par le fait d’avoir été écartées du pactole. Elles se sont donc appropriées la moitié de l’enveloppe, même si tel n’est pas le sens de la décision gouvernementale. Les chefs de la Police, de la Gendarmerie et de l’Armée aperçus mercredi en conférence de presse auront probablement des parts du gâteau. On rappellera seulement un fait : il entre dans les attributions normales de la Police, de la Gendarmerie et de l’Armée de procéder à l’arrestation des malfaiteurs. Elles sont déjà payées avec l’argent public pour assumer cette tâche, et bénéficient en plus de primes et indemnités de risque. Il est donc curieux que maintenant, ces corps s’octroient une rétribution supplémentaire pour une fonction déjà payée par la nation. Mais sous ce régime, on ne sait plus…
-----------------------------------------

Ministère de l’Education nationale: Scandale !

Dans une lettre (voir fac-similé en page 7), datée du 5 décembre, et dont l’objet est classé « très urgent », le ministère de l’Education nationale, par le truchement de son secrétaire général (M. Randimbivololona), a ordonné à tous les DREN (directeur régional de l’éducation nationale), chefs CISCO (circonscription scolaire) et ...
Chefs ZAP (zone d’activités pédagogiques) d’envoyer au ministère, avant le 8 décembre et par toutes voies utiles (fax, e-mail ou téléphone), tous les résultats électoraux des « petites communes », zones II et III. A cet effet, les chefs ZAP sont chargés d’envoyer ces résultats aux chefs CISCO qui les acheminent par la suite au ministère. Les DREN sont, quant à eux, chargés de superviser ces opérations d’acheminement. Une missive officielle qui, en outre, a clairement indiqué que tous ces fonctionnaires « doivent impérativement cesser toutes autres activités et n’exécuter que le présent ordre ».

Nul n’ignore que, selon le décret présidentiel du 12 septembre, délégation de pouvoirs a été donnée au ministère de l’Intérieur pour organiser et faire tenir l’élection présidentielle ainsi que faire acheminer à la Coupole les résultats afférents. Aucune disposition de ce décret n’édicte l’octroi d’une délégation parallèle au ministère de l’Education nationale. Et nul n’ignore que

le numéro un de ce ministère, Haja Razafinjatovo, est le directeur de campagne du candidat Marc Ravalomanana. Aussi, n’a-t-on pas pu s’empêcher de s’étonner de voir ce ministère damer le pion à celui de l’Intérieur dans la collecte de ces résultats électoraux.

Quoi qu’il en soit, comme ce département ministériel n’est guère légalement pourvu du pouvoir d’agir de la sorte, force est de reconnaître que cette opération de collecte parallèle est destinée au directeur de campagne du président-candidat.

En ce sens que, pour mener ses tâches purement électorales, Haja Razafinjatovo est en train d’utiliser des fonctionnaires de l’Etat. Cette démarche a un nom clairement défini dans le code électoral : utilisation des prérogatives de puissance publique.

Plus grave encore, ce ministère de l’Education nationale a osé ordonner à ses hauts fonctionnaires de carrément délaisser leurs activités habituelles pour se muer en de véritables agents du staff électoral de Marc Ravalomanana. Scandale ! Que fait le CNE ?
--------------------------------------------

Il y a cinq ans : Ravalomanana à Toamasina

Il y a cinq ans à la même date, la campagne de l’élection présidentielle du 16 décembre 2001 battait son plein.
Le 9 décembre, Marc Ravalomanana atterrissait avec son hélicoptère à Toamasina, après avoir tournoyé longuement au-dessus de la ville. Pour son meeting, l’homme n’avait pas obtenu l’autorisation du maire pour ce qui est des meilleurs sites de la ville (dont le stade municipal), et on disait d’autre part que l’accès de la localité lui était interdit. Beaucoup d’audace et de panache donc chez Marc Ravalomanana qui a mis quand même les pieds à Toamasina malgré des conditions défavorables. Il a organisé son meeting dans un terrain vague proche du Lycée Technique et a drainé une foule consistante. Dans son discours, on retiendra deux promesses : la mise en œuvre d’un ferry-boat entre Sainte-Marie et Soanierana-Ivongo, puis l’installation de deux hélicoptères dans chaque sous-préfecture pour traquer les « dahalo ». A l’heure où Marc Ravalomanana annonce partout qu’il a toujours réalisé ses promesses, il est bon de rappeler les propos qu’il a tenus à Toamasina en 2001. Les promesses d’ailleurs, il en a fait d’autres dans les autres villes lors de cette campagne… On remettra aussi en mémoire ce passage de son allocution de Toamasina : « Marc Ravalomanana, sa femme et ses enfants ne prendront pas un seul franc dans les caisses publiques, ils se contentent de ce qu’ils ont déjà. Ils ne rempliront pas leurs poches mais agiront pour le développement rapide de Madagascar ». Beaucoup méditeront sur ces propos…

En tout cas, lors du scrutin présidentiel de 2001, Marc Ravalomanana a obtenu 25 510 voix à Toamasina (41,12%) et fut défait par l’amiral qui a recueilli 29 166 voix (48,30%). Samedi dernier et dans les résultats partiels, l’actuel chef de l’Etat a réalisé un score de 39,03% à Toamasina-Ville contre 42,84% au maire Roland Ratsiraka.
------------------------------------------

KMF-CNOE: « L’informatisation est la cause de tout ce problème »

Les dirigeants du KMF-CNOE ont tenu une conférence de presse, hier, à l’hôtel Colbert pour donner les conclusions préliminaires sur les missions d’observation qu’ils ont effectuées durant cette présidentielle.
D’après son président, M. Patrice, « la liberté de vote a été respectée le jour du scrutin ». Néanmoins, il déplore le fait que « la liste des bureaux de vote n’ait été publié que tardivement empêchant ainsi certains membres du KMF-CNOE de faire leur travail dans la mesure où l’administration a exigé des observateurs qu’ils indiquent les bureaux de vote qu’ils comptent contrôler ». Quoi qu’il en soit et selon toujours le président du KMF-CNOE, « les principaux problèmes résident dans cette liste électorale qui qu’on le veuille ou non, a été bâclée ». « Je peux même dire que tous ces problèmes proviennent de cette informatisation, car le procédé a généré beaucoup de fautes ».

Il recommande alors d’effectuer un recensement général de la population avant la confection des listes électorales. Il recommande également la déconcentration des centres d’informatisation des listes électorales au niveau des districts. « Le rallongement du délai de publication des listes officielles des bureaux de vote, la prise en charge par l’Administration électorale de l’impression et du transport des bulletins des candidats ainsi que la multiplication du nombre des bureaux de vote selon le standard international de maximum de 80 électeurs s’avèrent également nécessaires », d’après toujours le KMF-CNOE convaincu qu’avec plus de volonté de part et d’autre, tous ces problèmes auraient pu être évités.

Dans l’objectif d’une élection vraiment transparente, le KMF-CNOE recommande alors la proclamation des résultats officiels avec transmission au niveau de chaque commune des résultats du scrutin, bureau de vote par bureau de vote, avec les motifs d’annulation des voix, le cas échéant. « Cela s’avère utile, ne serait-ce que pour éliminer les doutes », indique le secrétaire général du CNOE, Bruno Rakotoarison. Notons que des membres du corps diplomatique, en l’occurrence, l’ambassadeur des Etats-Unis, James Mac Gee ainsi que le chargé d’affaires suisse Benoît Girardin, ont assisté à cette présentation des conclusions préliminaires des missions d’observation du KMF/CNOE.

Recueillis par T. R.
------------------------------------------------

ILS ONT DIT CETTE SEMAINE

- BETIANA Bruno, sénateur d’opposition : « Les gens maintenant ont tendance à voter pour quelqu’un de leur ethnie. Cela n’est pas bon pour l’unité nationale »

- FAHARO Ratsimbalson, député, membre du comité de soutien du candidat Herizo Razafimahaleo, parlant à mots couverts de qui on sait : « Il a su enrichir sa propre personne, mais n’a pas su enrichir les Malgaches »

- RAMAKAVELO Désiré, général à la retraite, ancien ministre : « Quand dix ans après un premier séjour, vous revenez à l’étranger, vous voyez de façon évidente les changements qui y sont intervenus. Ici, on ne voit rien du tout. On a même l’impression que le pays recule… »

- RANDRIANJOHARY Jules, pasteur, candidat à l’élection présidentielle : « Je n’ai obtenu que très peu de suffrages. Comme je m’attendais à mieux, je n’ai pas compris pourquoi. Peut-être car on n’a pas donné des cartes d’électeur aux gens qui devaient voter pour moi… »

- RAVALOMANANA Marc, chef de l’Etat et candidat, au QG de son parti à Ankorondrano et interrompant l’orateur qui évoquait pour lui la situation du vote dans la province d’Antananarivo : « J’ai obtenu combien dans tout cela. C’est tout ce qui m’intéresse… »

- RAKOTOMALALA Manan’Ignace, chef du groupement Manaovasoa : « Même s’il y a un deuxième tour, quel est le candidat qui a assez de force morale et de moyens financiers pour affronter de nouveau Marc Ravalomanana pendant trois semaines ? »

- BEHAJAINA Petera, ministre de la Défense, évoquant la traque du général mutin Randrianafidisoa : « Moi, le ministre de l’Intérieur et le ministre de l’Environnement, nous sommes des membres de la deuxième promotion de l’Académie militaire d’Antsirabe avec le général Randrianafidisoa. Mais quand il s’agit des affaires nationales, il n’est pas question d’amitié ni de parenté »

- RAZAKANIRINA Lucien Victor, secrétaire d’Etat à la Sécurité publique, évoquant l’un des faits que l’on reproche au maire de Fianarantsoa Pety Rakotoniaina : « Il nous a dit ceci : vous autres membres des forces de l’ordre, vous êtes des porcs à la solde de Marc Ravalomanana. Je ne sais si on peut accepter cela ou non, mais nous, nous n’acceptons pas »
----------------------------------

Traque des opposants: Aucun sens des convenances

Etait-ce vraiment une élection « qui fait figure de modèle en Afrique », comme se plaisent à le répéter les barons du régime ?

On passera sur les anomalies nombreuses constatées avant et pendant le scrutin. On mettra en relief le fait suivant : alors que les résultats officiels de l’élection n’ont pas encore été proclamés, le régime est déjà parti à la chasse aux opposants. Et cela, au vu et au su des nombreux observateurs étrangers (dont des Africains) des élections encore dans nos murs. La traque d’ailleurs est dirigée surtout vers deux personnalités concernées de près par le scrutin : Pety Rakotoniaina d’abord, candidat officiellement reconnu à l’élection, et le général Randrianafidisoa, candidat qui a déjà payé la caution, mais dont le dossier a été rejeté par une institution alignée sur le régime.

Les Africains rient certainement sous cape en entendant les affirmations de nos dirigeants. Chez eux, on ne connaît pas de telles mesures de rétorsion contre les candidats qui osent affronter aux élections le chef d’Etat en place. Dans les jours qui suivent le scrutin du 3 décembre, deux candidats pourraient être jetés en prison : Pety Rakotoniaina et Ny Hasina Andriamanjato. L’opération de « nettoyage » pourrait être étendue à d’autres candidats qui ont commis l’affront de défier aux élections le chef d’Etat sortant. Des dossiers pourraient en effet être montés contre certains et dans ce cas, leur liberté est menacée aussi. Après la grosse fournée d’opposants mise en prison en 2002 au début du premier mandat de Marc Ravalomanana, un autre gros contingent pourrait prendre la même direction au début du second mandat. Le régime qui excelle dans cet exercice a d’ailleurs sévi dans l’intervalle contre des opposants comme Voninahitsy Jean Eugène, Victor Wing Wong et autres Herihajaina Randrianirina.

Si le pouvoir avait le sens des convenances, il aurait attendu la proclamation des résultats officiels avant de mettre en branle sa machine à broyer. Maintenant, alors que dans l’attente du score final, le monde entier a encore les yeux rivés sur l’île, il joue déjà du bâton. Pas de sens des convenances et aucun sens politique…
-----------------------------------------------

Election: « La coupole fermée au public »

Que s’est-il passé pour que la coupole, où tous les résultats de l’élection sont centralisés, soit fermée au public et a fortiori aux journalistes durant la journée d’hier ?

Ni le directeur de la Promotion de la démocratie, le premier responsable, ni les agents qui y travaillent n’ont voulu émettre la moindre explication à ce fait aussi anodin qu’étrange. Du coup les spéculations vont bon train puisque la seule explication évoquant une défaillance générale des machines ne tient pas debout, car la première chose à faire dans ce genre d’opération est de parer à toute éventualité. Faute d’une communication claire et transparente, on parle dans la cour même du ministère de l’Intérieur d’une baisse conséquente du vote en faveur du candidat d’Etat. On avançait même une chute jusqu’à 45%. Vrai ou faux, le retour à la transparence serait souhaitable aux yeux de l’opinion qui ne peut s’empêcher de douter depuis qu’elle sait que la société informatique traitant les résultats de l’élection appartient à la femme du ministre Haja Razafinjatovo.
Tiana R
----------------------------------------------

Perquisitions: Des journalistes aussi !

Cette série de perquisitions, inhérentes à la traque du général Fidy, commence à envenimer le vécu de tout un chacun. En effet, après les coups du genre que les forces de l’ordre ont menés hier (voir article par ailleurs), voilà que d’autres noms ont été cités hier dans la soirée comme étant les prochaines « victimes » de ces harcèlements. Ainsi, des journalistes pourraient, à partir de ce jour, recevoir la « visite » de ces hommes en treillis fortement armés. L’on annonce même que la demeure de l’épouse de Pierrot Rajaonarivelo figurerait dans la fameuse liste des sites à perquisitionner. Comment peut-on imager qu’une femme, dont le mari est en exil en France, pourrait « héberger » un homme chez elle ? Ridicule !
-----------------------------------------------

OPINION: Du bon grain et de l’ivraie

Ca y est, le peuple a choisi ! C’est fou le peuple, il ne comprend rien à rien !
Pourtant « on » l’avait bien mis en garde le peuple : rien n’allait plus dans ce pays, la misère augmente, le riz aussi, sans parler du gasoil et des pommes frites… Et puis la liberté, hein la liberté ! On ne peut même plus se déclarer candidat quand on a pris résidence en France.

La presse, toujours prête pour un nouveau scoop, avait bien annoncé que le temps du despotisme éclairé était révolu, que des forces nouvelles allaient prendre la relève.

Enfin nouvelles, si on veut, car il semble qu’on ait déjà aperçu pas mal de ces forces dans les précédents aréopages qui ont si bien su être les promoteurs du développement lent et furtif d’un Madagascar si beau et si bien pourvu par Dame nature en richesses de tout genre.

Que de réunions, de « conférences nationales » ou autres n’aient pas annoncé la fin des haricots pour le régime en place, et le début d’un renouveau démocratique et tout plein de promesses qui n’engageront que ceux qui les écoutent.

Pas de chance, ceux qui les ont écoutés, cette fois n’y ont pas cru : dans le despote éclairé, ils ont vu le «Ramose» qui illumine et non pas le président qui s’aveugle parfois lui-même. Alors ils ont voté, séparant le bon grain de l’ivraie.

Et là, plus rien à dire, même si quelques vieux caciques abonnés aux élections perdues osent dire que c’était mal ficelé ces élections et que si, si, si et si… Les résultats auraient été bien différents. C’est vrai que passer d’un score d’à peine 10% à plus de 55% n’est qu’un exercice de style qu’on peut faire sans calculette (surtout pas !).

Alors maintenant c’est reparti pour un tour, voire deux, et l’espoir de voir enfin l’économie se développer, les emplois se multiplier, peut renaître car, quoi qu’on en pense, ces cinq dernières années d’apprentissage ont permis de mettre en place les bases d’un Madagascar moderne et prêt pour les challenges du futur. À l’image du train urbain d’Antananarivo qui n’attend plus qu’un tracteur pour rouler !

Mais l’apprentissage est terminé, et si le peuple a déjà séparé le bon grain de l’ivraie, il faut maintenant que le bon grain balaie les écuries d’Augias pour ne garder que les meilleurs chevaux. On lui doit bien ça, à ce peuple ignorant mais qui a si bien compris où est son intérêt.

Merci « Ramose » pour la belle leçon d’introspection que d’aucun auraient mieux fait d’imiter pour cette belle campagne où vous avez su montrer abnégation et détermination sans faille. On espère de tout cœur qu’avec force et vigueur, à l’instar du bon berger, le son de votre voix va permettre le ralliement des brebis égarées ignorantes ou consentantes, pour l’édification d’une nation enfin unie, harmonieuse et prospère.

Vous répondrez ainsi aux aspirations séculaires du peuple malgache.
Miles
-------------------------------------

Pr Zafy Albert sy Alain Ramaroson: “Nilaza ho tsy azo ampitahorina sy tsy hilefitra”

Heverin’ny fanjakana ho manohintohina, na mikononkonona fanakorontanana ny fitondrana misy ankehitriny ny Pr Zafy Albert sy Alain Ramaroson, ka dia namoahan’ny fitsarana didy fampisavana teny amin’ny trano fonenan’izy ireo avy omaly.

Tamin’ny ora izay fiomanan’ny ankohonan’izy ireo avy ho amin’ny sakafo atoandro iny, no indray nanao rodorodo ireo be baoty isany, misaron-tava ny sasany, miaraka amina fitaovam-piadiana. Ho an’ny Pr Zafy Albert dia efitra miisa 25 no indray nosavaina, ka ny 12 tetsy amin’ny Villa Elisabeth, ary efitra 13 teny amin’ny Villa Francise. Ho an’Ingahy Alain Ramaroson kosa dia efitra miisa 14 no nosavaina.

Tetsy Ivandry

Naverin’ny Pr Zafy Albert nambara indray omaly, ny tsy fankatoavany an’Ingahy Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena sy izao fitondrany izao. “Efa tsy ara-dalàna ny nametrahana sy nahalany azy tamin’ny taona 2001-2002, ary dia tadiaviny hiverenana indray izao raha afaka hitondra izy. Tsy mankato ny tsy ara-dalàna aho, ka raha izany no hikitikitihina sy hanaovana fisavana ny tranoko tsy azo ampitahorina aho” hoy ny Pr Zafy Albert raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Ho an’ity filohampirenena teo aloha ity, dia nanaovany tsindrim-peo manokana ny fijoroany amin’ny fanarahan-dalàna sy fanajana an’izany. Manohana sy miaraka ary miaro an’ireo rehetra olona mitaky sy manaja ny lalàna aho, hoy izy hatrany izy.

Raha mahakasika ny Jeneraly Randrianafidisoa, dia nazava ny tenin’ny Pr Zafy Albert. Efa nisy ny taratasy nisokatra navoakako tamin’ny gazety, hoy izy, ka tsy mivaona tamin’iny zavatra izay nambarako iny aho. Manohana sy mankahery ireo manara-dalàna ny tenako, hoy ny Pr Zafy Albert, satria izay fitakiana sy fampanjakan’ny lehibeny (Ravalomanana) ny ara-dalàna izay no nambaran’ny Jeneraly Fidy ka hanenjehan’ny sasany azy izao. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny amin’ny mety hampiantranoany na tsia ny jeneraly Randrianafidisoa amin’izao fanenjehana azy izao ny Pr Zafy Albert, dia nanambara ity farany fa izay manaja ny lalàna ka henjehina dia afaka mampiantrano ny tenany. Tamin’izay indrindra aza no nilazany fa “raha io Ravalomanana io aza no voahenjika tsy maintsy raisiny”.

Fa ho amin’ny fisavana ny tranon’i Pr Zafy omaly ity, dia maro ireo mpanao politika sy olomboafidy no taitra ary tohina. Isan’ny naneho hevitra omaly ny kandidà Philippe Tsiranana. Nambarany fa tsy mendrika izao baiko sy iraka nampanaovina fanjakana ho amin’ny fisavana trano izao. Raha nisy hoy izy filoham-pirenena sy tompon’andraikitra teto amin’ny firenena nitandro ny firaisam-pirenena, nanaja ny fihavanana, nahay niala amim-pahatoniana dia ny Pr Zafy Albert no hany nizotra tamin’izany lalana izany. Mahagaga anefa, hoy izy, fa amin’izao fotoana dia ny Pr Zafy indray no ahiana ho mitarika ho amin’ny fanakorontanana ny fitondram-panjakana. Ho an’ny Senatera Vaovao Benjamin sy Betiana Bruno, dia filam-baniny sy endrika ny fampihorohoroana indray izao mitranga izao.

Fa nandritra ny fisavana ny trano sy ny hatrany anaty sakafo sy ny vilanin’ny Pr Zafy Albert, dia voalaza fa biletà an’ny antoko UNDD vitsivitsy, miaraka tamina PV tamin’ny fifidianana natrehan’ny Pr Zafy Albert, ary sora-baventy an’ny fikambanan’ny tanora GAJEMA no nentin’ireo mpanao famotorana tao amin’ny Villa Elisabeth. Volavolan-dalàmpanorenana kosa no re fa nentin’izy ireo tetsy amin’ny Villa Francise. Voalaza ihany koa fa nisy taratasy tsiambaratelo mirakitra ny fifanarahana tany Dakar, saingy tsy nomen’ny Prezidà Zafy. Nambaran’ity farany mantsy, araka ny feo heno, fa manana dikany mitovy amin’io avy any amin’ny ONU sy OUA Ingahy Ravalomanana ka tsy hitany ny tokony hitondrana azy.

Na teo aza ireo fisavana rehetra ireo, dia nivoitra kosa fa tao anatin’ny fanajana tanteraka no nanaovan’ireo mpitandro filaminana izany.

Teny Andoharanofotsy

Tamin’ny mitatao vovonana teo omaly no tonga teny an-tokan-tranon-dRamaroson Alain teny Andoharanofotsy ny mpitandro filaminana maromaro, miisa 7 eo, izay hanatanteraka ny didy fisavana ny tranony. Tsy mbola tao an-toerana ity Filoha Nasionalin’ny Masters sady mpitarika ny Mcsr ity fa niara-nivory tamin’ireo kandidà miombon-kevitra amin-dry zareo amin’ny komitim-pirenena miaro ny ara-dalàna tamin’ity raharaham-pifidianana ity.

Niandry ny fahatongavan-dRamaroson Alain ny fanombohan’ny fisavana.

Nomarihin’ny tompon-trano aloha fa “tao anatin’ny fanajana tanteraka no nanaovan’ireo mpitandro ny filaminana ny asany ka tsy haiko ny tsy hidera sy tsy haneho fankasitrahana azy ireo”.

Na izany aza dia nikitika ny hambom-pon-dRamaroson Alain ny toe-tsaina nanirahan’ny manam-pahefana an’ireto mpitandro filaminana hisava ny tokan-tranony ka nahatonga azy ho nampiaka-peo mihitsy omaly fa “tsy mbola nanompa ny kandida Ravalomanana mihitsy aho nefa amin’izay izy mbola kandida izay dia fihetsika fanosihosena ny zon’olombelona toa izao sy toa herisetra sahady no ataony ka tsy afaka hilefitra manana ny marina amin’izao zavatra izao aho satria azo tarafina sahady ny ho fihetsiny rehefa tena hitondra indray izy”.

Nohamafisin-dRamaroson Alain fa “ny fitondrana manao ny tsy ara-dalàna indray no minia mikitikitika ny fianakaviako satria aty an-tokantranoko no anaovana fihetsika ramatahora ary misy fiantraikany ratsy amin’ny toe-tsain’ny zanako madinika izany ka tsy havelako ho vitavita mora”.

Nampiany ny fanazavana avy eo fa “ny vahoaka no heriko ka nahatonga ahy ho nanao pôlitika nefa dia izao hampangaina ho mioko hanongam-panjakana izao na “atteinte à la surété de l’Etat” aho”.

Nampitamberina tao an-tsain-dRamaroson Alain ireo fihetsiky ny mpitondra jadona nifanesy teto Madagasikara izao fisavana ny tranony omaly izao ka nanipihany fa “tamin’ny raharaha Voninahitsy Jean Eugène tamin’ny taona 2000 koa dia efa nandefasan’ny fitondran’ny Amiraly mpitandro filaminana nisava koa ny tokantranoko, ary tamin’ny Repoblika faharoa dia henjana ny fiampangana natao tamin’ny rahalahiko izay nambara koa fa mioko hanongam-panjakana ka nisavana ny tranonay sy nandraofana ny fananana sy ny fitaovanay rehetra tao”.

“Ny tsy hiverenan’izany jadona izany indrindra fa mba hampanjakana amin’izay ny fahalalahana sy ny demokrasia no nitolomana tamin’ny 1991, hoy izy, nefa dia izao averin’ny fitondrana izao sahady indray izany”.

Notsindrian’ity filoha nasionalin’ny Masters ity fa “diso fihevitra ny kandida Ravalomanana raha miahiahy anay ho mitetika fanonganam-panjakana satria moa va tsy izy no tsy manara-dalàna ka tokony hahatsapa tena hametra-pialana?”

“Tsy hikoso-maso amin’izany endri-pampihorohoroana sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona izany mihitsy aho, ary hiara-hifankahita eto izay tena zanak’Antananarivo sy ny miseho ho izany fotsiny”, hoy izy. Notsindriany tamin’izay fanehoan-kevitra izay ny hoe “iza marina no tena sahy nijoro niaro an’Antananarivo teto hatramin’izay, indrindra rehefa tandindonin-doza ny vahoakan’Antananarivo?”

Ny fanadihadiana natao teny amin’ny manodidina ny trano fonenan-dRamaroson Alain no nahenoana fa tamin’ity herinandro ity dia nisy manam-pahefana ao amin’ny pôlisy niangavy fiaraha-miasa tamin’ny mponina teny an-toerana, mba hampindrana efi-trano hahafahana mitily ny tranga rehetra ao amin’ity tanànan-dRamaroson eny Andoharanofotsy ity. Hitan’ny mponina manodidina soritra koa fa tsy nitsahatra nivezivezy teny ny pôlisy tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, ka tao ny mody olon-tsotra mandeha tongotra dia mitazan-davitra, tao ny mandeha fiara mody mandalo nefa mitaratra sy ny hafa fanaon’ny mpitsongo dia !

Narilala sy Ralay
-----------------------------------------------------

Mahajanga: Setroka be tao amin’ny « Hôtel de Ville »

Resa-be, omaly, ny momba ny hoe nirehitra, hono, ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga.
Efa hendratrendratra daholo ihany tokoa moa ny rehetra amin’izao eo am-piandrasana izay tena valin’ny fifidianana izao koa dia samy nanao izay tsoa-keviny avy. Tsy mety hitondra fitonian-tsaina eo amin’ny vahoaka koa moa ny zava-misy, noho ny valan-dresaka ifandimbiasan’ny tompon’andraikitra ambony atao, narahin’ireo fisavana ny tranon’ny olo-be sasantsasany eto an-tanàna, mikasika ny raharaha jeneraly Fidy sy Pety Rakotoniaina koa dia vao mainka misahotaka ny ambanilanitra raha vao misy ny « vaovao ».

Momba ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga àry dia nisy tokoa ny setroka be nivoaka, tazan’ny maro tany an-toerana, ary dia tazana tonga teny ireo mpamonjy voina, na ny « pompiers », namono ny afo. Taorian’izany anefa, rehefa nanadihady ireto farany, dia fantatra fa ny tany amin’ny « lakavy », tany amin’ny ambanin’ny trano, no nipoiran’io afo io, ary tsy asan’olon-dratsy akory no fototr’izany fa araka ny tombantombana dia noho ny afon-tsigara izay nahadoro ireo fakofako, izay baoritra sy taratasy tsy ilaina intsony ny ankamaroany, no antony.

Tsy tambo ho noisaina ny antso an-tariby tonga taty amin’ny foiben’ny « La Gazette », nanontany ny tena vaovao marina, koa heverina fa hampisinda ny ahiahy rehetra angamba izao taterina eto izao. Samia ihany tony ê.

Tsimba sy Vanessa
--------------------------------------------------

Dia izay izany !

Efa hita soritra ihany raha ny ho valin’iny fifidianana natao ny faha-3 desambra lasa teo iny satria dia biraom-pifidianana « vitsy » sisa no tsy nahatonga vokatra.
Saika nitovitovy daholo ihany koa ny « tatitra » nataon’ireo nanara-maso azy iny, na ny tera-tany izany na ny avy any ivelany, dia ny hoe « nizotra tamim-pilaminana » sy ny hoe «nahafahan’ny Malagasy nifidy tamin-kalalahana ». Samy nanamarika ny lesoka nisy teo amin’ny nandrafetana ny lisitry ny mpifidy sy ny tsy naha lavorary ny fizarana ny kara-pifidianana avokoa anefa izy rehetra, ary eo no maha lasa saina ny mpanaraka ny raharaham-pirenena satria dia filazana ny zava-nisy ary « toro lalana » ho an’izay fifidianana hatao amin’ny manaraka fotsiny ihany no nataon-dry zareo… dia izay !

Somary misy tsy fifanarahany ihany anefa ireo zavatra nolazain-dry zareo ireo, dia ny amin’ny hoe « afaka nifidy an-kalalahana » sy ny hoe tsy nahafahan’ny olona maro nifidy satria noho ilay « lesoka » teo amin’ny lisitra. Ny dikan’izany ve tsy hoe ireo izay nomena karatra sy nosoratana tao anaty lisitra no ireo « afaka naneho ny safidiny malalaka » ireo ?... Ary ireo sisa marobe ankoatra ireo izany mba ahoana ê ?

Asa aloha izay hambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana fa raha ny rehetra nanana andraikitra tamin’iny fifidianana iny, eny na ny CNE aza, dia toa samy « mody fanina » daholo ka mionona amin’io fahatsapana ny zava-misy io fotsiny, ary efa miandrandra ny fifidianana hatao amin’ny manaraka. Ny fanontaniana ao amin’ny rehetra àry dia ny hoe dia havela ho vitavita ho azy àry ve ny amin’iny fahadisoana goavana iny ê ? Na ho ahoana mantsy na ho ahoana no ho fialan’izay tompon’andraikitra any ambony any dia ny zava-dehibe indrindra ho an’ny firenena izany fifidianana izay ho filoha hitondra azy izany.

Milaza ny hametraka fitoriana moa ry zareo mpanohana ny kandidà Lahiniriko, kanefa dia kely ihany ny finoana ny amin’izay hahombioazan’izany, satria ampahafirin’ny fitarainana tsy nasiam-baliny moa izay izany ê ?

Rehefa hatao àry ny kaonty any aoriana any dia ho hita ny hoe firy no nifidy ka nahalany an-dranona, ary mba firy isan-jaton’ny tokony ho nifidy izy izany ?... dia hiverina indray ny adihevitra ny amin’ny hoe ara-drariny sy ara-dalàna ? Raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy nisy ny « fifanarahana » amin’ny asa atao amin’ny fanjakana tahaka ireny, toy ny amin’ny asa fanaovan-dalana, ohatra, satria moa io lalana io no « malaza » amin’izao fotoana izao. Koa raha izany ve tsy tokony hisy ny « fepetra » horaisina momba ireo tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy ireo ? Efa vita anefa moa ny fifidianana, ary nanaiky ny nanatanteraka azy, tsy nanao na dia fanamarihana, araka io lisitra io ny fanjakana, koa inona moa fa tsy dia… izay izany ê !
Lalou
3. xxx ( 09/12/2006 12:06)
Qui perd gagne

Chasse à l’homme et perquisition : le gouvernement met le paquet pour pouvoir capturer le général Randrianafidisoa alias Fidy.
On ne savait pas que la prime de 500 millions fmg devait aussi intéresser Mahazoarivo. Si le gouvernement déploie un tel zèle, c’est qu’il ne veut visiblement pas partager le magot avec d’éventuels informateurs. Les éléments de la police, de la gendarmerie et de l’armée chargés de trouver Fidy, se rivalisent, remuent ciel et terre, dans le but d’avoir le beurre et l’argent du beurre.

Entre ces membres des forces de sécurité, la concurrence est rude. Une concurrence en tout cas déloyale, car elle élimine d’emblée les chasseurs de primes que nous sommes tous qui, d’une façon ou d’une autre, rêvent un jour de toucher le gros lot, d’être millionnaires. Sacré Fidy, voici un message : « Maintenant que Noël approche et que ta tête vaut 500 millions -stop- pense aux plus démunis en leur indiquant l’adresse de ta planque, dans le cas où tu déciderais donc de te rendre – stop- ce serait alors une bonne action de ta part – stop- Ravaloma-

nana et les bailleurs de fonds ne font rien pour les pauvres – stop- au lieu de créer des logements sociaux, ils vont construire un hôtel 5 étoiles - fin message- ». Et Pety dans toute cette histoire ? Il paraît que sa tête ne vaut pas un sou. Le pauvre !

L’après-3 décembre commence à sentir le souffre, bien que tout semble calme dans l’île. Un calme trompeur ? En tout état de cause, les bûches de Noël et les dindes de la Saint-Sylvestre risquent fort d’avoir un goût fade cette fois-ci. A moins de trois semaines du réveillon, l’ambiance, contrairement aux années précédentes, est à marée basse, et le moral au sous-sol. Toutefois, les dirigeants du TIM – les caciques de ce parti et non les militants – se préparent, dit-on, à célébrer avec faste la réélection de Marc Ravalomanana et le nouvel an. Néanmoins, ils vont boire et roter à plein poumon à la santé de ceux qui ont « bien » voté…

A propos justement de ce vote, combien ont pu faire leur devoir civique le 3 décembre. Très peu. Aussi, le vainqueur annoncé du scrutin devrait-il se garder de trop jubiler. Moralité (qui n’en est pas une) : cette élection risque de se résumer en un jeu, celui de « qui perd gagne ».

Franck Raharison
4. colar ( 09/12/2006 12:32)
merci e,sao d mbola misy article politika hafa,
5. xxx ( 09/12/2006 13:29)
Mbola tsy afa-po foana ve colar a :?::?:
Raha misy tianao ho vakiana hadinoko dia teneno hoe inona. Efa mba ezahako alefa daholo fa ny mihinambary aza hono ...
6. Achia ( 09/12/2006 20:01)
misy akotry :-D
7. xxx ( 09/12/2006 21:07)
efa feno akotry io ambony io ka...aloavy fotsiny :miam::miam::miam:
8. Fiffi ( 12/12/2006 12:00)
fa misaotra anareo aloha nizara an ! :)
9. vakiniadiana ( 12/12/2006 13:22)
Mamaky an'itony ve nareo ? :D
10. xxx ( 12/12/2006 13:35)
Ny ahy feo tokana ihany no henoiko. Dia ny gazetiny ihany no vakiako. Dia ny TV-ny ihany no jereko. :-D:-D:-D:-D

Mbola tsy miteny izy dia efa mino sahady aho ;-);-);-);-)
11. xxx ( 12/12/2006 13:54)
tena mafy koa ny tsy voafidy, mangidy,dia gratuit be izao ny fanaratsiana rehetra,mampalahelo fa tsy mahay resy ry zalahy
12. Fiffi ( 13/12/2006 17:23)
xxx: marina zany an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1973