kely sakafo ô

1. ragany ( 07/12/2006 05:50)

Kely sakafo ô !!!!

Asa fa sendra taitra maraina aho omaly , teo amin’ny 4 ora teo . Angamba noho ny fikorontanana kely nataon’ireto mpaka fako maraina, mpiasan’ny commune-n’Antananarivo .
Camion mavo iray miaraka amin’ny mpamily , miampy tovola mboa tanora dia tanora toko a4 mirahalahy . Eo samy miasa tsara , tsy mirotoroto nefa koa tsy milalao asa . Ny iray manipy ny fako ny fako hidiotra ao anaty benne , ny iray mananty na mandrindra izany tsy hiverina hianjera amin’ny tany sy mandraraka azy ao anaty fiara , ny fahatelo mandroka ny fako atao anaty sobika ary ny faha 4 manangona ireo miparitaka ahamora ny fandraofan .
Izaho amin’io mitazana ery amin’ny rahana faha 3 misy anay . Dia lasa teo ny eritreritro mahita ny fahavitrihan’izy mirahalahy isany ireto . Tena mbola vao erotrerony mihitsy nefa dia nisafidy ny handroaka faka ; tsy misy fitaovana manjry akory hiasana fa dia kapobatana be zao . Tsy misy kiraro , tsy misy fonontanan itony cellophane itony , zay azo antoka fa notsimponina teny amin’ny fanariampako koa ny hany haron’akanjo . Tena lasa lavitra ny eritreritro . Maro ny tanora matanjaka toy ireto fa zay tsy sahy miasa toy zao fa aleon’ny mangalatra . Ahoana ny fialambolin’ireto hoy aho sa ny asa dia efa fialamboly satria ilay mpamafa dia tazako miaraka madihindihy amin’ny kifafany . tsapa fa tena amin-kafaliana no anoavan’ireto namana ireto ny asany . Toa tsy mila baikona akory fa dia mandeha ho azy na fitsinjarana asa na any ny hetsika rahatra. Vetivety dia voaroaka ny fako teo ary dia nohidina ny benne dia lasa ilay fiarabe rehefa samy naka toerana , miboretaka soa amantsara ao anaty fako fa tsy mitsingitsingina , ireto mpandroaka fako . Zalahy kely sakafo !!!!

Tena mba nihaika aho fa Hendry sady tsotra ireto tanora ireto ….nalahelo koa aho anefa fa ireny kely sakafo , mafy ady , mpanao ny asa tsy tian’ny mpiaramonina ireny indrindra no atao tsinontsinona eto amin’ity firenena ity . Tena tsy ampy mihitsy ny fankasitrahana ny asa mahasoa vitan’ny olona toa azy ireto .Amiko mantsy dia araka ny maha mafy ny asa no maha mendrika azy . marina fa be no nianatra sy mahay taratasy nefa resy lahatra aho fa mandrika kokoa ireto namana ireto sy ny antapitrisany maro eny antsaha mamboly sy miompy eny . Tsy ny fanjakana ihany anrfa no tsy mahay mankasitraka fa isika mpiaramonina indrindra koa . Moa tsy izany va anesontsika azy ireny amin’y hoe KELY SAKAFO ….Ny sakafony tokoa angamba no kely fa ny fahendrena sy ny herimpo ananany dia be lavitra loatra noho ny ahy . Mitsiriritra azy aho …Ary ianao ?
novalian'i ragany ny 11/12/2006 10:20
2. Fiffi ( 07/12/2006 06:19)
hoy zay fiteny zay hoe "il n'y a pas de sot metier" saingy tena deraina tokoa ireny olona ireny manao ny asany tahak'zany .
3. xxx ( 07/12/2006 07:30)
Tena tsara aloha ilay hoe miasa e. Araka ny teninao hoe
Maro ny tanora matanjaka toy ireto fa zay tsy sahy miasa toy zao fa aleon’ny mangalatra .


Fa tsy iombonako hevitra ilay hoe mendrika kokoa noho ny nianatra sy mahay taratasy ry zareo. Fa maninona ?

Ankasitrahako ny asany. Ary manova zavatra betsaka amin'ny fiainana ny ataony. Na ny stress sy ny hatezerana mahita tanana mikorontana sy maloto aza, dia izy ireo no isan'ny manala izany. Eny, mafy ny asany ary mafy ny iaretany ... Fa mafy koa ny efa niaretako sy ny mbola iaretako, ka tsy manaiky aho hoe mendrika kokoa noho izaho izy :) Tsy izaho angamba hoy ianao no manao ny asa toy ny aza dia miteny toy izao aho ... Nefa tsy ny hafa koa no nitondra ny nentiko niatrehiko ny fiainako ka hiteny amiko hoe tsy mendrika noho ny hafa aho, na tsy manana ny herim-po sy ny fahendrena ananany.

Izay angamba ilay hoe samy manana ny hanitra ho azy ... ka tsy mitsiriritra azy aho !
4. andry08 ( 07/12/2006 12:47)
Amiko dia asa toy ny asa rehetra ny asany.
Mendrika ny hoderaina ireo amiko satria vitsy ny olona hanao io asa io. Na ny manao io asa io aty aminay aza dia midera ireo aho, tsy misy asa ratsy
fa mety ho sarotra ho ahy ny hanao azy .
=D=D=D=D, mendrika ny hotehafana ireo ary rehefa tonga ny faran'ny taona dia mba omeo valisoa kely ireo fa manangona ny malotonao."Et ils ont le courage de le faire et en faire leurt metier à eux!"
5. andry08 ( 07/12/2006 12:49)
"leur métier"
6. Fiffi ( 07/12/2006 16:13)
soahiany aza fa mba misy ireny olona ireny an ! raha tsy zany .......
7. Tokinao ( 07/12/2006 17:13)
Betsaka ny zavatra mahaontsa ao Madagasikara ao! Na any ambanivohitra io na ao an-tanandehibe. Tena zavatra tsara ny fahatsapantsika izany zava-misy izany, fa ny anampiko azy dia izao : aoka tsy hijanona ho fihetseham-po fotsiny ihany izany fahatsapantsika izany, fa mba avadiho ho asa. Tokony hotadiavintsika ( isika izay mba nitsikian'ny vintana ) ny hevitra hananan'izy ireo fari-piainana tsaratsara kokoa.

Ny soso-kevitra hitako, moa raha izaho manokana, dia ny famoronana asa ho azy ireo, na koa fanamorana ny asany ( ohatra : fampianarana fambolena, fiompiana, fanodinam-bokatra, sns. )
8. Rasiligaoma ( 07/12/2006 19:26)
tsy misy asa ratsy ary raha tsy manao ireny asany ireny izy de mety ho asa izay nanjo antsika
9. Fiffi ( 07/12/2006 20:35)
zay indrindra manko
10. daddi ( 08/12/2006 03:49)
tsy misy asa ratsy
ary mifameno ny olom-belona
ka na dia olona avara -pi ianao, na mpandraoka fako dia mifameno ianareo ary samy manana ny anjara asany sy fomba fandraisany adidy @ firenena izay
ka samy olona mendrika ... satria ianao avara-pi nihezaka harakizay tratran'ny sainao ary ianao mpandraoka-fako koa dia mihezaka @izay hahatsara ny tananao sy ny firenenao
ka ho aiza hono ity avara-pi raha tsy misy ny mpandio ny tanana ? ....et vice et versa
aza manambany olona noho ny asany ; rehefa miasa izy ary indrindra @ fony satria tsy mora izany mandroaka fako izany dia mba omeo izay anjara famendrehena izy.
ny resaka ambony sy ambany dia lovan'ny tsy nety rehetra teo aloha
fa tsy misy olom-belona mahavita tena ka manana zo hiavihavy hanetry ny hafa
respect !
11. andry08 ( 08/12/2006 11:54)
=D=D=D
12. Fiffi ( 08/12/2006 13:33)
daddi: mankasitra eh !
13. ragany ( 11/12/2006 10:20)
XXX>>> Samy mendrika daholo ny manao ampitiavana ny asany rehetra ka . Ny nanampiko ny an'ireto namana ireto hoe"kokoa" dia satria tena ao anaty fahatsorana no nahitako azy nanao ilay asa .
Raha tian'i XXX dia hoe isika sy ianao zao samy nianatra , samy manana dipl itsy na iroa ...samy manana taimby raha tsorina . Dia izay taimby ( fa tsy tena vy an ) izay no manosika antsika hiady hevitra hoe kokoa na tsy kokoa . Ny azy , ireto olona tsotra tsy mahay abidy ireto raha vao be resaka taimby ianao dia mitsiky fotsiny izy dia mangina .Dia ataony ny asany dia ampy azy zay . Eny tsy izy rehetra angamba fa zay no tsiriritako ka "lay manao ny tokony atao dia mangina"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182