misy zany produit yoko izany hono mampadio tarehy b

1. nenipita ( 05/12/2006 09:56)
salut nareo, misy izany produit yoko izany hono akia mampandio tarehy be produit sinoa hono izy io ka efa mba nisy nampiasa io ve isika ato amin'ny forum? Raha nisy de manao ahona ny resultat? Efficace ve le izy?
Tao amin'ny form wanadoo no nahitako io
novalian'i tiris8786 ny 20/03/2015 17:00
2. kelly13 ( 05/12/2006 11:57)
lol, heveriko fa yaourt yoco le izy d gaga b aho, kay produit sinoa! asa ry nenipita klou fa tsy mbola nahare za a :)
3. booboo ( 05/12/2006 12:52)
heveriko fa yaourt yoco le izy


hihihi
4. kitjo ( 05/12/2006 17:22)
yoko zany ve tsy japonnais?

tandremo iany ny mikitikitika tarehy raha produits tsy fantatra fa sao feno panda...

misy madama izay mpankaty SIngapour dia nahita tarehina sinoa madio be izy d nanontany d nividy an le rpoduits...izao feno panda sady miendaka ny tarehiny...

ny ahy anefa dia produits Homeopharma no ampiasaiko zao fa taloha mbola tsy nisy d produits natoraly (voatabia, tantely, yaorta, tanimanga...), na produits vazaha (calibelle) afarana any dago...

ny toetrandro fts dia efa maha-samihafa...misy raha koa ao matoa ny tarehiny mavo2 fa tsy ohatry ny antsika...ihhihiih
5. jhouhlambout ( 05/12/2006 17:56)
:-D
6. Papoose ( 05/12/2006 18:11)
ary mampaninona le masonjoany e!
7. titimms ( 05/12/2006 18:32)
mampalama ny tarehy aky ne masonjoany an
8. Papoose ( 05/12/2006 19:29)
titimms:

mampalama ny tarehy aky ne masonjoany an

fa tsy mandio v?

9. ikaretsaka ( 06/12/2006 02:29)
masonipiera ny mampadio angamba rehefa tsy mety ny masonjoany ko!:lol:
mananihany aho an
10. melody ( 06/12/2006 13:54)
ny masonjoany dia fiarovana @ hain'andro ihany koa, miaro ilay hoditra tarehy tsy ho may ny masoandro:)
11. Papoose ( 07/12/2006 06:15)
ikaretsaka:

masonipiera ny mampadio angamba rehefa tsy mety ny masonjoany ko!:lol:
mananihany aho an



toa masondioka koa hono manalama tarehy ihany. afaka manandrana ihany zay liana =)):@
12. dailynews ( 13/12/2006 17:03)
raha mbola misy ihany koa ny produit ratsimamanga dia ireny ihany koa ampiasana, indrindra ilay savony fanasana tarehy iny fa hitako tsara aloha e.

ny pb ny produit sinoa fotsiny dia izao, mailo ihany mividy ny produit ndrizareo indrindra fa atao @ tarehy satria dia tadidio fa ny entana vita sinoa dia ny qualite ratsy indrindra no alefany any @ tany andalampandrosoana. raha tsy hoe produit sinoa novidiana tany andafy angaha. :?
13. jigs ( 18/12/2006 07:48)
sao dia mba amanao pub na produit ratsimamanga ary nareo izany! tsara aloha izany e! tsy nisy ohatry ny an'ny tena aloha e! fa ny ahy aloha dia herotra ronono foanafoana no ataoko dia avy eo petahana voatabia; izay aloha no itako hoe mety amiko aloha fa tsy midika izany hoe mety @ rehetra an!
14. niryna ( 04/01/2007 15:43)
:D:D(l)Mitovy daholo ny vehivavy ary hosorana izao fatin-javatra izao daholo ny tava,tsy maninona rehefa naturaly fa tandremo fotsiny ny vita vahiny fa mety ny sasany tsy mety ny hafa.Ny tsy fantatsika koa dia efa taranaka ny hoditra ka matetika izay mahazo ny ray na renintsika indrindra dia mety mahazo izany koa isika.Jereo aloha izay ho rafozanina hoy ny fiteny satria matetika na ny bikantsika aza dia mitovy ny renin-tsika rehefa antitra koa isika raha tsy manao fanatanjahantena kely.Misy izany efa manana ody tsara ny bebeny,ny mamany.Tsy voatery hoditra irery fa na ny volo,misy mora feno volofotsy,misy mateza maso, tsy misy mikentrona satria taranaka.Ny sinoa dia mihinana zavatra tsy fantatsika ary malala zavatra betsaka koa izy,saingy efa hoditry ry zareo mihitsy no madio.Ny soza dia anisany manampy eo amin\'ny hoditra sy ny nono raha mbola tanora,mampitombo ny habeny,mampijanona ny volo mihitsana.Ronono soza, mofo soza sns.Saika isan\'andro mihitsy nomihinana anana mantamanta ,tongolo gasy manta.tongolo maitso sns.Ireo dia anisany manampy ny hodi-tavany.Saika mihinana trondro 4-5 isankerinandro koa ny sinoa ,sady mahatsara hoditra no maha-lava andro ihainana.Ary izany no antony mahatonga ny hodiny tsara sy madio.Koa aza hosorana zavatra tsy fantatra avy amin-dry zareo izany ny tava fa miafara ny panda eo satria feno sino be tasy koa ny tarehiny rehefa antitra koa nahoana no tsy mety aminy ny fanafodiny raha izany :cry::roll:
15. tiris8786 ( 20/03/2015 17:00)
raha vita sinoa ka amidy any Dago aloha dia ialao lavitra satria rizareo efa tena avanana amin'ny contrefaçon na inona na inona. araka ny voalaza eo ambony hoe rehefa tsy mahalala dia aza manosotra sao miteraka olana hafa eo indray. Ny mety amin'ny hafa koa tsy voatery ho mety aminao satria samy manana ny hodi-tavany.
ny masonjoany dia fanaon'ny olona hiarovana amin'ny masoandro sady haingo no masque eny izany. nampiasa ihany taloha tamin'ny mbola tanora dia tsy misy atahorana satria natoraly.
efa manana betsaka ny homeopharma izao fa io angamba no azo hidirana rehefa sendra mba mankany na misy olona mitondra.
tsy produit anankiray koa no manadio tarehy fa ny fitambaran'ny fikararakaranao azy (nettoyage - hydratation - protection - gommage)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4297